2010
Vatofantsika Ho Ahy ny Soratra Masina
Aprily 2010


Vatofantsika Ho Ahy ny Soratra Masina

Giccelly D., Vénézuela

Tamin’ny nanombohako nianatra ny seminera fony aho mpikambana vaovao dia tsy noeritreretiko mihitsy fa ho lasa vatofantsika, ampinga sy fiarovana ary fankaherezana sy fifaliana ho ahy ny soratra masina. Tamin’ny alalan’ny soratra masina no nahafantarako ireo lehilahy mahery fo an’Andriamanitra izay niady sy niaro ny finoany sy ny fianakaviany ary izay nibosesika hatrany sy mafy orina ary tsy azo hozongozonina tao amin’i Kristy. Naneho fanetren-tena, faharetana izy ireo ary feno fitiavana, fiantrana ary finoana. Fantatro fa nanana faniriana ho antsika tao am-pony izy ireo amin’izao vanimpotoanantsika izao mba hiaina ny fitsipika rehetra nampianarina ao amin’ny soratra masina.

Nisy fiantraikany teo amiko ireo mahery fo voalaza ao amin’ny soratra masina ireo, fa ny iray tena mahaliana indrindra amin’izy rehetra dia ilay lehilahy iray nanetry tena sy nankatò hatrany amin’ny fahazazany, ilay iray naneho ohatra tsara indrindra, ilay iray izay tokony hanehoan’ny olombelona rehetra ny fisaorany. I Jesoa Kristy izany lehilahy izany. Tsy misy teny azoko hanehoana ny fankasitrahako Azy.

Nampianatra ahy ny seminera fa ny soratra masina dia tsy natao ho tehirizina fotsiny ao amin’ny fitadidiantsika fa tokony hampiharina eo amin’ny fiainantsika. Feno fankasitrahana tamin’ireo mpampianatro tsirairay aho, izay tena fitaovana lehibe teo am-pelatanan’ny Tompo tokoa.