2010
Torohevitra ho an’ny Zatovovavy momba ny Fampiarahana
Aprily 2010


Torohevitra ho an’ny Zatovovavy Momba ny Fampiarahana

Sary
Young Women General Presidency

Ny fampiarahana dia mahafinaritra! Ny fampiarahana dia fomba iray ahafahanao manorina sy mampivelatra ny finamananao amin’ireo zatovolahy. Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome valiny tsotra sy manan-danja hamaritana ny atao hoe namana: “Ny namana dia olona izay manamora ny fiainanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”1 Mampiaraha amin’ireo zatovolahy izay mahatonga anao ho te-ho lasa olona tsaratsara kokoa. “Meteza ho ilay tsara indrindra vitanao” mba hahatonga anao afaka hanana fitaomana tsara amin’ireo olona izay mampiaraka aminao.2

Aoka Ianao Hanana Ireo Toetra Tsara Izay Irianao Hananan’ilay Olona Tianao Hiarahana

Ianao dia afaka manomboka mampivoatra ireo toetra tsara izay hampanintona sy hampahaliana ny hafa aminao izao ankehitriny izao.

  • Mitsikitsikia! Eny, mitsikitsikia sy mifalia. Ary dia hifindra any amin’ ny hafa ny tsikinao sy hanampy ny hafa ho tia miaraka aminao.

  • Manàna fiainam-panahy tsara. Manaova zavatra izay hampanakaiky anao amin’ny Fanahy Masina mba ho lasa namanao lalandava Izy.

  • Manàna fahasalamana ara-batana tsara. Karakarao tsara ny vatanao, mihetsiketseha ary misakafoana ara-pahasalamana tsara. Miakanjoa tsara.

  • Ampitomboy ny fahaliananao amin-javatra sy ny talentanao. Katsaho ny fianarana rehetra izay azonao atao. Afaka mamaky boky tsara ianao, mihaino hira tsara, mahafantatra ny vaovao mitranga na mianatra fiteny hafa.

  • Manana fitondrantena tahaka ny zanakavavin’Andriamanitra. Aza maneho tsy fahamaotinana, na mivatravatra, na mitaona hanao ny ratsy. Mety efa nahita fihetsika toy izany ianao tamin’ny sarimihetsika, kanefa tsy sahaza ho an’ny zatovovavy iray izay mahatakatra ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra azy izany.

  • Hatsarao ny talentanao eo amin’ny ara-piarahamonina. Aoka ianao ho tsara fanahy, ho tia mandray ny hafa, ary mandinika ny zavatra ilain’ny hafa. Mizara mifampiresaka amin’ny olona. Mianara fomba fiainana sy fahalalam-pomba tsara. Izany rehetra izany dia hanampy anao ho lasa karazan’olona tian’ny hafa hifaneraserana.

  • Mbà liana amin’ny olon-kafa. Manehoa fahalianana amin’ny hafa sy amin’ny zavatra tian’izy ireo atao. Mametraha fanontaniana izay hanampy azy ireo tsy hihafahafa aminao ary hanampy anao hahafantatra azy ireo bebe kokoa.

  • Mametraha fetra. Aza manaiky hararaotin’ny hafa. Hazony ny fahadiovanao.

  • Iaino ireo fitsipika ao amin’ny Ry Tanora Mahereza. Aza misalasala mizara ireo fitsipika ireo amin’ireo olona iarahanao. Aza mampidina ny fenitra arahinao na ho an’iza izany na ho an’iza. Raha misy olona manantena anao hanao izany dia tsy mendrika ny ho namanao na ny hiarahanao izy.

  • Ampio ny hafa mba ho tonga ilay tsara indrindra azony atao. Ataovy lasa tsaratsara kokoa izy ireo vokatry ny nampiarahany taminao. Na dia tsy manana fahafahana hampiaraka imbetsaka aza ianao dia afaka mitsiky sy maka namana vaovao foana. Misafidiana ny hiandrandra ny lafiny tsara foana. Na dia ny tsy fahombiazana teo amin’ny fampiarahana iray aza dia afaka hanampy anao hivoatra. Afaka mampivelatra ny fiainanao ny olona rehetra mifanerasera aminao ary afaka ny hitahy ny hafa ianao rehefa mizara ny tena tsara indrindra amin’ny maha-ianao anao amin’izy ireo.

Safidio Tsara Ireo Olona Hiarahana

Ny fampiarahana dia fahafahana iray hahafantatra ireo zatovolahy eo amin’ny fiomanananao amin’ny fanambadiana. Mitandrema tsara rehefa mifidy olona hiarahana. Rehefa mihevitra ny hivoaka hampiaraka amin’ny zatovolahy iray ianao dia maka antoka tsara fa miaina fitsipika ambony izy ary hanampy anao hatrany hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy mety manitikitika anao:

  • Manana toetra tsara izay mafy orina ve izy?

  • Mahitsy toetra sy azo itokisana ary azo ianteherana ve izy?

  • Marin-toetra ve izy?

  • Manaja ny hafa sy tsara fanahy amin’ny hafa sy amiko ve izy?

  • Moa ve tia tena izy?

  • Manaja ny ray aman-dreniko sy ny ray aman-dreniny ve izy?

  • Manaja ny fisoronana ananany ve izy?

  • Mamporisika ahy haneho ny tsara indrindra vitako ve izy?

  • Mendrika ny hiditra any amin’ny tempoly ve izy?

Mahazoa fahafinaretana ary aoka ho finaritra ianao mandritra ny fampiarahana sady mihamahafantatra ireo olona hafa. Miaraha manomana ireo atrik’asa mitaky fanoloran-tena. Ny sasantsany amin’ireo fampiarahana tena mahafinaritra indrindra dia mety zavatra tsotra fotsiny toy ny fiarahana mahandro sakafo. Na manaova asa fanompoana. Afaka mandinika sy mahafantatra bebe kokoa an’ilay olona hafa ianao amin’ ny fiarahana manao zavatra mihoatra noho ny amin’ny fipetrapetrahana sy fijerena sarimihetsika fotsiny.

Nilaza ny mpaminanintsika hoe: “Eo amin’ny fampiarahana, hanehoy fanajana ilay miaraka aminao, ary antenao ny hanehoany izany fanajana izany ihany koa aminao.”3 Fantatray fa hanana fiantraikany tsara ianao eo amin’ny fiainan’ireo zatovolahy rehetra izay miaraka aminao--ary ny an’ireo namanao rehetra izay mahita ny ohatra tsara asehonao.

Rehefa manohy mampivelatra ny fanomezam-pahasoavana sy talenta anananao ianao, rehefa manao safidy hendry eo amin’ny finamananao amin’ ny hafa, ary rehefa lasa manana fiantraikany tsara, dia hahasoa ireo taona hampiarahanao sy hahazoanao valisoa ary hahafinaritra. Izany no fotoana hibanjinanao ny avo kokoa, hanantenanao ny tsara indrindra, ary hiovanao ho toy ilay izay antenain’Andriamanitra hahatongavanao. Zanakavavin’ny Raintsika An-danitra ianao; tia anao Izy, ary izahay koa tia anao.

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “This Is the Way; and There Is None Other Way,” ao amin’ny Brigham Young University Speeches of the Year, 1981–82 (1982), 67.

  2. Thomas S. Monson, “Aoka Ianao Hanao izay Tsara Indrindra Vitanao,” Liahona sy Ensign, Mey 2009, 67.

  3. Thomas S. Monson, “Standards of Strength,” New Era, Ôkt. 2008, 2.

Sarin’ny Tempolin’i Montréal Québec © Laurent Lucuix