2010
Nahazo fitahiana tamin’ny alalan’i Mama Taamino
Aprily 2010


Nahazo fitahiana tamin’ny alalan’i Mama Taamino

Victor D. Cave, Gazetibokin’ny Fiangonana

Tamin’izaho nifanena tamin’i Taumatagi Taamino, dia misiônera tanora iray aho izay niasa tao amin’ny fireneko ihany. Rahavavy Taamino izay ramatoa mananotena efa be taona ary somary mivonkona kely noho ny taona sy ny asa mafy, dia manolotra foana ny sandriny mba hiarahabana ahy sy ny mpiara-mitory amiko ary manoroka anay amin’ny takolaka roa izy satria izay no fomba fanao ao amin’ny kolotsaina any Polynésie Française.

Rahavavy Taamino dia somary malezolezo ary miadana sy milamina ny fandehany, nefa dia nikarakara ny olona rehetra izy. Ataony foana aza izay mba hananako sy ny mpiara-mitory amiko fitafiana madio sy voapasoka. Tian’ny ankizy ny miaraka aminy satria mandray azy ireo tsara izy ary mihaino izay lazain’izy ireo. Niaina fiainana tsotra tao anatin’ny trano nisy efitra roa izy izay voahodidin’ny fasika sy ny hazo palma ary voahodidin’ny fianakaviana sy ny namana izy. Ho fanajana azy dia nantsoin’ny olona rehetra hoe “Mama Taamino” izy.

Ny Filohan’ny Misionan’i Papeete Tahiti dia naniraka ahy sy ny mpiara-mitory amiko, Rahalahy Tchan Fat mba hanampy vondron’olona misy Olomasin’ny Andro Farany 80 handray ny fanafiany masina sy mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana any amin’ny tempoly faran’izay akaiky indrindra—Ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande, izay adiny dimy raha mandeha fiaramanidina. Nandeha tany amin’ny tempoly foana isan-taona i Mama Taamino tao anatin’ny enin-taona, ary handeha indray izy tamin’izay taona izay. Lasa saina aho hoe ahoana no ahafahany mandoa ny saran’ny dia tena lafo toy izany, nefa ny fari-piainana dia ambanimbany ihany. Nahafantatra ny valiny aho enin-taona taty aoriana.

Tamin’ny 1976, fony aho filohan’ny tsatòkan’i Papeete Tahiti, dia manao fizahana tsy tapaka ny trano fivorian’ny tsatòka. Indray andro dia nijanona teo amin’ny trano fiangonana tany Tipaerui aho. Tamin’izany fotoana izany, dia nanarama mpiambina izahay ary hitako tao Mama Taamino, izay efa 60 taona mahery tamin’izay ary miasa toy ny mpiambina mba hamelomany ilay fianakaviany izay lehibe. Niarahaba ahy izy niaraka tamin’ilay fiteniny mahazatra hoe Avia dia mihinàna,” saingy namaly aho hoe: “Ry Mama Taamino, tsy tanora intsony anie ianao e! ny hany mba sakafo atoandronao dia tapa-mofo kely sy trondro am-bifotsy kely ary tavoahangy kely misy ranomboankazo? Fa angaha tsy ampy ny karamanao mba hihinanana sakafo bebe kokoa noho izao?”

Novaliany hoe: “Manangom-bola aho mba handehanako any amin’ny tempoly indray.” Feno fiderana ny ohatra sy ny fahafoizan-tena nasehony ny foko. Efa in-15 latsaka izao no nandehanan’i Mama Taamino tany amin’ny tempolin’i Nouvelle Zélande—isan-taona izany mandrapanokanana ny Tempolin’i Papeete Tahiti tamin’ny Ôktôbra 1983. Feno hafaliana izy nandritra ny fanokanana.

Tamin’ny 1995 dia nahita indray an’i Mama Taamino aho ary tamin’izay aho filohan’ny misiona. Niverina nipetraka tany amin’ilay nosy kelin’i Makemo izy, izay tsy lavitra ny toerana nahaterahany. Ankehitriny dia 80 taona mahery izy ary tsy afaka mandeha intsony saingy ireo ketronketrona amin’ny tavany dia maneho fiadanana sy faharetana ary fahatakarana lalina ny fiainana sy ny filazantsara. Mbola nanana ilay tsiky mahafinaritra izy ary nampiseho fiantrana madio ny masony.

Vao maraina ny ampitson’izany dia hitako nipetraka teo amin’ny kisahasaha irain’ny trano fivoriana izy, nanala ahi-dratsy sy nanadio. Iray tamin’ireo zanakalahiny no nitondra azy teo. Rehefa vitany ny faritra iray dia ampiasainy ny tanany sy ny sandriny hanakisahany ny tenany any amin’ny faritra manaraka. Izany no fomba hanohizany ny fanompoana ny Tompo.

Ny harivariva, rehefa nanao dinidinika momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly aho, dia nentina teo amin’ny toerana nipetrahako teo amin’ilay hazo malomaloka izy teo akaikin’ny trano fiangonana. Te hanana fahafahana hamaliana ny fanontaniana tsirairay izay takiana amin’ny fanomezana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly izy.

“Ry Filoha, tsy afaka mankany amin’ny tempoly intsony aho,” hoy izy. “Efa miha antitra aho ary tsy salama, saingy te hanana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly manan-kery aho miaraka amiko.”

Tena tsapako ny faniriany te-hiverina any amin’ny tempoly ary fantatro fa azo eken’Andriamanitra ny faniriany. Fotoana fohy taorian’izany, dia nandao ny fonenany teto an-tany izy mba hamonjy ireo izay notompoiny tamim-pahatokiana tao amin’ny tranon’ny Tompo. Tsy nitondra na inona na inona niaraka taminy izy afa-tsy ny finoany, ny fijoroany ho vavolombelona, ny hatsaram-panahiny, sy ny fiantrany ary ny fahavononany hanompo.

I Mama Taamino dia tena Polineziana mpisava lalana tokoa ary ny ohatra nasehony dia nitondra fitahiana ho an’ny anadahiny sy ny rahavaviny—ary anisan’izany aho.

Na efa valopolo taona mahery aza Rahavavy Taamino, dia nikarakara ny kisahasahan’ny trano fivoriana, nanala ny ahi-dratsy sy nanadio. Izany no fomba nanohizany ny fanompoana ny Tompo.