2010
Miroborobo ny Fonds Perpétuel d’Études Sivy Taona Aty Aoriana
Aprily 2010


Miroborobo ny Fonds Perpétuel d’Études Sivy Taona Aty Aoriana

I Tyson Kemege, izay tratran’ny lefakozatra ary kamboty mbola kely, dia lehibe tany Nairobi, Kenya, ary tsy mbola natory tamin’ny kidoro hatrizay, ary mahalana ny nihinanany sakofo in-droa tao anatin’ny iray andro. Ny hany fomba ahafahany mandeha dia amin’ny alalan’ny tehina roa entina amin’ny tanana.

Nanapa-kevitra ny hianatra ao amin’ny Oniversiten’i Augustana any Kenya izy mba handalina momba ny informatique (kajimirindra), saingy noho ny tsy fananana fianakaviana sy noho ny tsy fisian’ny vola dia toa sarotra tanterahana ilay tanjony.

Rehefa nahavita ny fianarany tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa Rahalahy Kemege, izay niditra ho mpikamban’ ny Fiangonana taona vitsy talohan’izany dia niresaka tamin’ny misiônera mpivady iray ary nilaza tamin’izy ireo ny faniriany. Nasain’ny misiônera niresaka tamin’ny kômity misahana ny Fonds Pérpétuel d’Études (FPE) izy. Nanampy azy ho tafiditra tao amin’izany sekoly izany ny fampindramam-bola avy tamin’ny FPE.

“Izao no olona tsara vintana indrindra eto an-tany,” hoy Rahalahy Kemege matetika tamin’ireo misiônera.

Efa voafidy ho filohan’ny fikambanan’ny mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Augustana Rahalahy Kemege ary manana antso roa ao amin’ny paroasiny.

Sivy taona taorian’ny nanambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) voalohany ny FPE, dia ahitana mpandray anjara mihoatra ny 38.000 any amin’ny firenena 42 io fandaharan’asa io. Na dia eo aza ny olana ara-toekarena maneran-tany, dia mandeha tsara ny Fonds Pérpétuel d’Études ary manampy ny olona toa an’i Tyson Kemege mba hianatra sy hanalavitra ny fahantrana ary hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fiaraha-monina misy azy.

Mihoatra ny 87 isan-jaton’ireo mpandray anjara tamin’ny FPE no nahavita ny fianarany ary miasa amin’izao fotoana izao.

Namaha Olana

Na dia tsy voasembantsemban’ny olana ara-toekarena aza ilay fandaharan’asa dia milaza ireo tompon’andraikitra ao amin’izany fandaharan’asa izany fa misy olana vitsivitsy tsy maintsy vahana amin’izy io. Ny iray tamin’ireo olana tena lehibe izay natrehan’ny fandaharan’asa dia ny fitomboan’ny isan’ny mpandray anjara.

“Ireo olana izay tsy maintsy natrehanay sy tsy maintsy novahanay dia ireo olana mahazatra mifandray amin’ny fitomboan’ ny isa haingana dia haingana ary ny asa tanterahana maneran-tany,” hoy ny Loholona John K. Carmack, izay mpikambana ao amin’ny Fitolopololahy efa misotro ronono ary tale mpanatanterak’ilay kitapom-bola ampiasaina. “Ny sasany tamin’ireo olana dia ny fampahafantarana ny olona momba ilay fandaharan’asa, ny fampahafantarana ireo fepetra takiana sy ny fomba ahazoana azy ary ny fanohanana ireo mpandray anjara.”

Tantanana any amin’ny Foiben’ny Fiangonana ilay fandaharan’asa amin’ny alalan’ny vondrom-pitantanan-draharaha iray tena kely, izay ahitana mpiasa vitsivitsy sy misiônera mpivady ary mpanao asa an-tsitrapo avy eo an-toerana. Manampahefana Ambony roa efa misotro ronono no tompon’andraikitra manara-maso izany dia ny Loholona Carmack sy ny Loholona Richard E. Cook.

Mba hahafahana hampiely ilay fandaharan’asa, ny mpiasa ao amin’ny FPE sy ireo misiônera dia miara-miasa amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra mba hanofanana ireo mpitarika eo amin’ny vondrom-paritra, izay miara-miasa amin’ireo mpitarika eo an-toerana avy eo mba hanofana sy hanohana ireo mpampianatra, mpiasa sy mpanao asa an-tsitrapo ary mpandray anjara eo an-toerana.

“Tena tetik’asa nitondra zava-baovao ary mbola mitohy mitondra zava-baovao izany”, hoy i Rex Allen, talen’ny fanofanana sy ny serasera ao amin’ilay fandaharan’asa. “Misy zava-baovao eo amin’ny lafiny rehetra ao anatin’izany, ka tena ilaina ny serasera sy ny fanofanana.”

Manao Ahoana sy Manao Ahoana ny Fandehan’izany

Ilay fandaharan’asa dia tanteraka amin’ny alalan’ireo olona an-hetsiny izay nandrotsaka vola tao amin’ilay kitapom-bola ampiasaina. Ny vola rehetra natolotra dia entina hanohanana ireo mpandray anjara.

Ho an’ireo mpandray anjara dia manomboka amin’ny fiomanana ny dingana arahana amin’izany, izay sahanin’ny fandaharan’asan’ny institiota fianarana ny filazantsara, ka mpianatra ao amin’izany ilay mpikambana. Amin’ny alalan’ny fanampian’ny foiben’ny Fiangonana misahana ny asa dia manatrika ilay fampianarana hoe “Planning for Success” (Fanaovana Rafitra Ahazoana Fahombiazana) sy fanofanana eo amin’ny lafin’ny asa ireo mpandray anjara alohan’ny hamenoany ny taratasy fangatahana ao amin’ny internet.

Rehefa nahazo fankatoavana ny fampindramam-bola dia mandeha mianatra ireo mpandray anjara miaraka amin’ny fahafantarana fa handoa ny trosany izy ireo mba hahafahan’ny hafa hahazo tombontsoa amin’ilay kitapom-bola koa. Ireo mpandray anjara dia mamerina maherin’ny 2.5 tapitrisa Dolara Amerikana amin’ny trosany isan-taona.

Nilaza ny Loholona Carmack fa tsy hoe mahomby ilay fandaharan’asa noho ny fanohanana ara-bola lehibe avy amin’ny mpikambana fotsiny fa noho ny fitantanana tena tsara koa. “Ny rain’ny Fonds Pérpétuel d’Études dia i Gordon B. Hinckley,” hoy izy, “nefa ny fanohanana sy ny fahalianan’ny Filoha [Thomas S.] Monson koa dia lehibe toy ny an’ny Filoha Hinckley. Ny [Filoha Monson] dia efa tao anatin’izany asa izany hatrany am-piandohana ary mitantana izany ankehitriny miaraka amin’ny torohevitra ara-paminaniana.”

Ireo Vokatra

Rehefa nanambara ilay fandaharan’asa ny Filoha Hinckley tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Aprily 2001 dia hoy izy hoe: “Amin’ny alalan’ny fananana fahaiza-manao tsara arak’asa, dia afaka ny hiala amin’ny fahantrana izay niainany sy niainan’ireo taranaka teo alohany ireo tovolahy sy tovovavy ireo. Ho afaka hamelona tsara kokoa ny fianakaviany izy ireo. Hanompo ao amin’ny Fiangonana izy ireo ary ho lasa mpitarika mahay sy handray andraikitra bebe kokoa. Hamerina ny vola nindraminy izy ireo mba hahafahan’ny hafa hahazo fitahiana toy ny nahazoany fitahiana” (“The Perpetual Education Fund,” Liahona, Jolay 2001, 60; Ensign, Mey 2001, 51).

Ireo tompon’andraikitra ao amin’ilay fandaharan’asa dia tsy mitsahatra mahita ny fahatanterahan’ireo tenin’ny Filoha Hinckley. Ny 10 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny any amin’ny firenena sasantsasany izay nahazo ny Fonds Pérpétuel d’Études dia olona nahazo tombontsoa tamin’ilay kitapom-bola taloha.

“Tsy faniriana adaladala izany,” hoy ny Filoha Hinckley nanohy. “Misy eo am-pelatanantsika ny hoenti-manana amin’ny alalan’ny hatsaram-panahin’ireo namana mahafatra-po sy malala-tanana. Ananantsika ny rafitra. Ananantsika ny olona hiasa amin’izany sy ireo mpanompo matokin’ny Tompo mba hampahomby izany. Ezaky ny mpanao asa an-tsitrapo rehetra izany izay tsy hamoahan’ny Fiangonana vola na dia kely aza. Mivavaka amim-panetren-tena sy amim-pankasitrahana izahay mba hanampian’Andriamanitra ity asa ity sy hitondran’izany fitahiana maro lehibe eo amin’ireo olona an’arivorivony, toy ny nitondran’ilay fandaharan’asa teo alohany dia ny Fonds Pérpétuel d’Émigration, fitahiana tsy tambo isaina teo amin’ny fiainan’ireo izay nandray anjara tamin’izany.”

Sivy taona aty aoriana dia mitohy ny firoboroboan’izany fandaharan’asa izany, izay tanteraka, “tamin’ny alalan’ny finiavana lehibe sy finoana goavana” araka ny nolazain-dRahalahy Allen.

Afaka mahazo fitahiana ireo mpikambana mahafeno fepetra …

amin’ny fihinanana ny voan’ny Fonds Pérpétuel d’Études …

ary amin’ny alalan’ny famerenana ny vola mba hahafahan’ny hafa hahazo tombontsoa koa.

Sary nataon’i Brad Teare