2010
Vaovao Fohifohy Maneran-tany
Aprily 2010


Vaovao Fohifohy Maneran-tany

Nambara ny Fiadidiana Vaovaon’ny Vondrom-paritr’i Eoropa Atsinanana

Nambaran’ ny Fiadidiana Voalohany ny fanovana ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Eoropa Atsinanana izay manan-kery avy hatrany. Ny Loholona Kevin W. Pearson, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra, dia nafindra any amin’ny foiben’ny Fiangonana mba hanao asa manokana ao amin’ny Departemantan’ny Asa Fitoriana. Ny Loholona Wolfgang H. Paul dia mbola filohan’ny vondrom-paritra ihany miaraka amin’ny Loholona Gregory A. Schwitzer avy ao amin’ny Fitopololahy ho Mpanolotsaina Voalohany ary ny Loholona Alexsandr N. Manzhos, izay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ho Mpanolotsaina Faharoa.

Voatondro ny Toerana Hisian’ny Tempolin’i Philadelphie Pennsylvanie

Tamin’ny Nôvambra 2009 dia nanambara ny Fiadidiana Voalohany fa ny Tempolin’i Philadelphie Pennsylvanie dia ho hita ao amin’ny 1739 Vine Street ao afovoan-tanànan’i Philadelphie. Ilay toerana dia mifanila amin’ny Lalambe roa zotran’i Vine Street ary ny Tranoben’ny Fitsarana eo akaiky eo, ary mitsivalana ny toerany avy eny ampitan’i Logan Square, izay toerana lehibe iray miavaka ao Philadelphie. Nanambara an’izany tempoly izany ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny Ôktôbra 2008. Amin’izao fotoana izao dia tempoly 130 no miasa maneran-tany ary misy 21 hafa izay efa nambara na efa eo andalam-pitsanganana.

Nambara ireo Daty momba ny Tempolin’i Vancouver

Ny varavarana misokatry ny Tempolin’ i Vancouver Colombie Britanique dia hatao ny 9 Aprily ka hatramin’ny 24 Aprily 2010, afa-tsy ny Alahady ihany ary hisy fampisehoana ara-kolotsaina hatao ny 1 Mey. Ny fanokanana dia hatao ao anatin’ny fivoriana telo ny Alahady 2 Mey amin’ ny 9 ora maraina, dia amin’ny 12 ora atoandro ary amin’ny 3 ora hariva. Hampitaina mivantana any amin’ireo vondrona rehetran’ny Fiangonana ao anatin’ny distrikan’ny tempoly ireo fivoriana fanokanana anankitelo ireo. Hisokatra mba hanatanterahana ôrdônansy ny tempoly ny ampitson’izany.