2010
Mikatsaka sy Mandray Fanambarana ho an’ny Tena Manokana
Aprily 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Mikatsaka sy Mandray Fanambarana ho an’ny Tena Manokana

Ampianaro ireo soratra masina sy teny nindramina ireo, na raha ilaina, dia mampianara fitsipika iray hafa izay hitahy ireo rahavavy vangianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

Ahoana no fomba Ahafahako Mikatsaka Fanambarana ho an’ny Tenako Manokana?

“Miomana handray fanambarana ho an’ny tena manokana isika toy ny ataon’ny mpaminany, amin’ny alalan’ ny fandalinana ny soratra masina, ny fifadian-kanina, ny vavaka ary ny fanamafisana orina ny finoana. Finoana no fanalahidy. Tsarovy ny fiomanan’i Joseph tamin’ny Fahitana Voalohany:

“‘Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra. …

“Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory’”1

Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Ny vavaka no fanalahidi nao manokana hidirana ny lanitra. Any amin’ny faritra ilan’ny voaly izay misy anao no misy ny hidimbaravarana.

“Saingy tsy izay fotsiny. Ho an’ireo izay nieritreritra fa hirotsaka fotsiny ny fanambarana fa tsy hisy asa hatao dia nilaza ny Tompo hoe:

“‘Indro tsy azonao; noheverinao fa homeko anao izany, rehefa tsy nanana eritreritra afa-tsy ny hangataka izany Amiko ianao.

“‘Nefa indro, lazaiko anao, fa tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany, ary raha marina izany, dia hahamay ny ao anatin’ny tratranao Aho; koa ho tsapanao fa marina izany.’”2

Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ahoana no Ahafahako Mandray Fanambarana ho an’ny Tenako Manokana?

“Raha ny fisehony mahazatra kokoa, ny fanambarana na ny fitaomam-panahy dia tonga amin’ny alalan’ny teny na eritreritra ampitaina ao an-tsaina (jereo Enôsa 1:10; F&F 8:2–3), na amin’ny alalan’ny fanazavana ny saina (jereo F&F 6:14–15), na amin’ny alalan’ny fahatsapana zavatra tsara na ratsy momba ny drafitra natolotra hanatanterahana zavatra iray, na amin’ ny alalan’ny fahavitana zavatra tena tsara toy ny any amin’ny fanaovana fampisehoana. Araka ny nambaran’ ny Filoha Boyd K. Packer, … Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: ‘Ny fitaomam-panahy dia tonga amin’ny alalan’ny fahatsapana zavatra fa tsy dia amin’ny alalan’ny feo loatra.’”3

Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Ny tempoly dia tranon’ny fianarana. Ny ankamaroan’ny fampianarana zaraina any amin’ny tempoly dia fampiasana marika famantarana ary ianarana amin’ny alalan’ny Fanahy. Midika izany fa ampianarina avy any ambony isika. … Ny fahatakarantsika ny dikan’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana dia hitombo rehefa miverina matetika any amin’ny tempoly isika miaraka amin’ny toe-tsaina te hianatra sy te handinika ireo fahamarinana mandrakizay izay ampianarina. … Aoka isika hanararaotra ny hery ara-panahy sy ny fanambarana azontsika rehefa mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly.”4

Silvia H. Allred, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Fanamarihana

  1. “Personal Revelation: The Teachings and Examples of the Prophets,” Liahona, Nôv. 2007, 88.

  2. “Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, Nôv. 1994, 59–60.

  3. “Eight Reasons for Revelation,” Liahona, Sept. 2004, 8.

  4. “Tempoly Masina, fanekempihavanana Masina,” Liahona, Nôv. 2008, 113, 114.

Sary nataon’i Juan Pablo Aragón Armas