2010
Nitsangana Tamin’ny Maty Izy
Aprily 2010


Ny Zavatra Inoantsika

Nitsangana tamin’ny maty Izy

Na aiza na aiza alehako dia miezaka mitsidika ny toerana misy ireo fasana ao amin’ilay tanàna aho. Fotoana handinihana sy hieritreretana ny dikan’ny fiainana sy ny fahafatesana izay tsy azo ihodivirana izany. Tany amin’ny toerana kely iray misy ireo fasana tao amin’ny tanànan’i Santa Clara, Utah, dia tsaroako fa ny ankamaroan’ireo anarana izay voasoratra teo amin’ireo vatom-pasana izay efa tranainy dia anarana Soisa. Maro tamin’ireo olona ireo no nandao ny fonenany sy ny fianakaviany tany amin’ilay Soisa maitso mavana mba hamaly ilay antso “Hankany Ziona,” ary nanorina fiaraha-monina teo amin’ilay toerana izay “handriany am-piadanana” ankehitriny. Nisedra tondra-drano nandritra ny lohataona sy ny main-tany nandritra ny fahavaratra, ary ny fahakelezan’ny vokatra sy ny asa tena mafy izy ireo. Namela lova teo amin’ny lafin’ny fahafoizan-tena izy ireo.

Ireo toerana lehibe indrindra misy fasana amin’ny lafiny iray, izay tena mampihetsi-po tokoa dia natokana ho toeram-pialan-tsasatr’ireo lehilahy izay maty tao anatin’ny korontana nangotrangotraka izay antsoina hoe ady, raha teo am-pitafiana ny fanamian’ny miaramilan’ny fireneny izy ireo. Misy ny mieritreritra momba ireo nofinofy rava sy fanantenana tsy tanteraka, ireo fo feno alahelo ary ireo fiainana nifarana aloha loatra noho ny hetraketraky ny ady.

Feno vokovoko fotsy mangatsakatsaka maro any amin’ireo tanànan’i France sy Belgique izay manamafy ny fahaverezana mahatsiravin’ireo ain’olona maro nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. I Verdun, France, raha ny marina dia toerana iray midadasika feno fasana. Isaky ny lohataona ireo mpamboly rehefa mangady ny tany dia mahita satroby etsy ary tavolobembasy eroa—sisa tavela izay mampahatsiahy an’ireo lehilahy an-tapitrisany maro izay nanondraka ara-bakiteny ny tany tamin’ny rany.

Fahafatesana, Dingana iray Vaovao eo amin’ny Fiainana

Taona maro lasa izay, dia nijoro teo anilan’ny fandrian’ny tovolahy iray aho izay rain’ny zaza anankiroa, raha teo am-bavahoana ny fahafatesana izy. Noraisiny ny tanako ary nijery ny masoko izy ary nanontany tamim-pitalahoana hoe: “Ry Eveka, fantatro fa efa ho faty aho. Lazao ahy ny mitranga amin’ny fanahiko rehefa maty aho.”

Nivavaka aho mba hahazo fitarihana avy any an-danitra. Voasarika tany amin’ilay Bokin’i Môrmôna teo amin’ ny latabatra akaikin’ny fandriany ny saiko. Nanomboka namaky mafy aho:

“Ankehitriny, raha ny momba ny toetry ny fanahy eo anelanelan’ ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty— … ny fanahin’ny olon-drehetra, raha vantany vao miala ity vatana mety maty ity, … dia entina mody any amin’Ilay Andriamanitra izay nanome aina azy.

“Ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.

Nakimpin’ilay namako mbola tanora ny masony, dia naneho fisaorana tamin-kitsimpo izy ary nandeha mangina nankany amin’ilay paradisa izay noresahanay teo.

Ny Fandresena ny Fahafatesana

Aoka i Lioka, ilay dokotera, hamaritra ny zavatra niainan’i Maria sy ilay Maria anankiray hafa rehefa nanatona ilay fasana tao anaty zaridaina izy ireo:

“Ary hitany fa indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana. …

“… Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo.

“… Ary raha mbola very hevitra tamin’izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra:

“Dia … hoy izy roa lahy taminy : Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?

“Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Lioka 24:2–6).

Izany no antson’anjomara atao amin’ny Kristiana rehetra. Ny fisian’ ny Fitsanganana amin’ny maty dia mitondra fiadanana izay mihoatra ny takatry ny saina ho an’ny olona iray sy ho an’ny rehetra. Mankahery an’ireo izay manana olon-tiana mandry eny an-tsahan’i Flandre izany (izay faritra iray any Eoropa nahafatesana miaramila maro) na maty tany anaty ranomasina lalina na mandry am-piadanana any amin’ilay tanàna kely any Santa Clara. Fahamarinana eken’ny besinimaro izany.

Amin’ny maha-mpianany tena bitika ahy, dia manambara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho, fa resy ny fahafatesana, fa efa azo ny fandresana amin’ny fasana. Enga anie ka ho lasa tena fahalalana marina ho an’ny rehetra ireo teny izay nataony lasa masina noho Izy nahatanteraka azy ireo. Tsarovy izy ireo. Tiavo izy ireo. Hajao izy ireo. Nitsangana Tamin’ny Maty Izy.

  1. Tonga teto an-tany isika mba hianatra sy hiaina ary hivoatra ao anatin’ilay dia mandrakizay mankany amin’ny fahalavorariana.

  2. Misy ny sasany izay mandalo mandritra ny fotoana fohy monja, ary ny sasany izay miaina maharitra eto an-tany. Tsy ny halavan’ny fotoana niainantsika no handrefesana antsika fa kosa ny hatsaran’ny fomba niainantsika.

  3. Dia avy eo tonga ny fahafatesana izay fiantombohan’ny dingana iray vaovao eo amin’ny fiainana.

  4. Izany dingana vaovao izany dia mitondra any amin’ilay andro be voninahitry ny fitsanganana amin’ny maty, rehefa hitambatra indray ny fanahy sy ny vatana, ary tsy hotafasaraka intsony.

Avy amin’ny “He Is Risen,” Liahona, Apr. 2003, 2–7.

Hoy i Kristy tamin’i Marta izay feno alahelo hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy na dia maty aza mbola ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” (Jaona 11:25–26).

Ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izay tafiditra ao anatin’ny Sorompanavotana, dia manokatra ny lalana ho antsika rehetra mba hitsangana amin’ny maty.

Avy eo ankavia Velona ny Mpanavotra ahy, nataon’i Roger Loveless, tsy azo adika; sary nataon’i Matthew Reier, Christina Smith, sy Welden C. Andersen; Izahao ny Tanako sy ny Tongotro, nataon’i Harry Anderson; Lazarosy, nataon’i Carl Heinrich Bloch