2010
Fivoriam-piofanana ho an’ny Mpitondra Manerantany
Nôvambra 2010


Fivoriam-piofanana ho an’ny Mpitondra Maneran-tany

Hisy fampitana fampiofanana ho an’ireo mpitondra rehetra manerantany hotanterahana ny Asabotsy 13 nôvambra 2010. Io fampitana io dia hanome torolalana mikasika ireo boky torolalana vaovaon’ny Fiangonana: Boky 1: Filohan’ny Tsatòka sy Eveka sy Boky 2: Fitantanana ny Fiangonana.

Asaina ireto mpikambana manaraka ireto mba hanatrika izany fampitana izany: Ireo Manampahefana Ambony, ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ny fiadidian’ny tsatòka sy ny an’ny misiona sy ny an’ny tempoly ary ny an’ny distrika, ireo mpitambokin’ny tsatòka sy ny distrika, ireo mpitantsoratra mpanatanteraka ao amin’ny tsatòka sy ny distrika, ireo ao amin’ny filankevitra avo, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, ny an’ny Zatovolahy, ny an’ny Zatovovavy, ny an’ny Kilonga ary ny an’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka sy ny distrika, ireo episkôpà, ireo fiadidian’ny sampana, ireo mpitambokin’ny paroasy sy ny sampana, ireo mpitantsoratra mpanatanteraka ao amin’ny paroasy sy ny sampana, ireo lehiben’ny vondron’ny mpisorona avo sy ireo mpanampiny, ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, ny an’ny Zatovolahy, ny an’ny Zatovovavy, ny an’ny Kilonga ary ny an’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy sy ny sampana, ny mpitarika ny misionan’ny paroasy.

Hampitaina amin’ny fiteny mihoatra ny 30 ilay fanofanana. Manatòna an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fampitana izany.