2010
E ny hafetsen’ny tetikadin’ilay ratsy
Nôvambra 2010


“E ny hafetsen’ny tetikadin’ilay ratsy”

Misy ny fanantenana ho an’ireo izay miankin-doha ary izany fanantenana izany dia tonga amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
Elder M. Russell Ballard

Ry Rahalahy sy Anabavy, ny fahatongavan’ny fararano ety amin’ny “Montagnes Rocheuses” dia mitondra miaraka aminy ireo loko tena kanton’ny ravinkazo izay avy amin’ny maitso dia lasa miova volom-boasary sy mena ary mavo midorehitra. Mandritra ny fararano dia mandalo fotoam-piovana ny zavaboahary manontolo izay hiomanana amin’ny hatsaran’ny ririnina izay mangatsiaka sy henjana.

Ny fararano dia fotoana mampientanentana manokana ho an’ny mpanjono mampiasa bibikely tsy tena izy eo amin’ny lelam-pitana satria izany dia fotoana mampanaikitra ireo trondro izay entin’ny faniriany tsy mety afa-po hivoky sakafo mba hanatanjahana ny vatan’izy ireo hiatrehana ny havitsian’ny sakafo mandritra ny ririnina.

Ny tanjon’ny mpanjono mampiasa bibikely tsy tena izy eo amin’ny lelam-pitana dia ny hahazo trondro amin’ny alalan’ny famitahana feno hafetsena. Ny mpanjono mampiasa bibikely tsy tena izy eo amin’ny fintana za-draharaha dia mandinika ny fihetsiky ny trondro, ny toetrandro, ny fikorianan’ny rano sy ny karazana bibikely izay hanin’ireo trondro ary ny fotoana mahafoy ireo bibikely ireo. Matetika dia izy ireo ihany no manamboatra ireo zavatra hamitahana izay ampiasainy. Fantany fa ireo bibikely namboarina izay apetraka eo amin’ny fintana ireo dia tsy maintsy famitahana tonga lafatra satria ny trondro dia hahafantatra na dia ny fahadisoana faran’izay kely aza ary dia handà ny hihinana ilay bibikely tsy tena izy.

Tena mahafinaritra ery ny mijery ilay trondro mivoaka avy ao anaty rano, manaikitra ilay bibikely tsy tena izy sady manohitra mandrapahareraka azy sy mandrapaha-voasambotra azy. Ilay fifaninanana dia miompana amin’ny fijerena ny fahalalàna sy ny fahaiza-manaon’ilay mpanjono raha oharina amin’ny an’ilay trondro.

Ny fampiasana ny zavatra iray namboarina hatao famitahana mba handrebirebena sy hisamborana trondro dia ohatra iray amin’ny fomba izay hakan’i Satana fanahy sy hamitahany ary hiezahany hamandrihana antsika matetika.

Toy ilay mpanjono izay mahalala fa ny trondro dia atosiky ny hanoanana, i Losifera koa dia mahalala ny “hanoanantsika” sy ireo fahalementsika ary dia maka fanahy antsika amin’ny alalan’ny fitaovana famitahana izy izay mety hahatonga ny fitsaharan’ny fiadanana eo amin’ny fiainantsika ary lasa ho eo ambanin’ilay heriny mitarika tsy misy indra fo isika. I Losifera dia tsy toy ny mpanjono iray izay misambotra sy mamerina ilay trondro soamantsara ao anaty rano, satria tsy hamela antsika handeha izy. Ny tanjony dia ny hahatonga izay tratrany ho ory tahaka azy.

Hoy i Lehia hoe: “Ary satria efa latsaka avy tany an-danitra [i Losifera] ary efa tonga fadiranovana mandrakizay, dia nokatsahany koa ny fahorian’ny olombelona rehetra” (2 Nefia 2:18).

Anio aho dia miray feo amin’ireo Rahalahy manambara fa i Losifera dia olona maranintsaina mahay sy fetsy. Ny iray amin’ireo fomba ampiasainy amintsika dia ny fahaizany mandainga sy mamitaka antsika fa ny ratsy dia tsara ary ny tsara dia ratsy. Efa hatrany am-piandohana, tany amin’ny Filankevitra lehiben’ny Lanitra i Satana no “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy. …

“Ary tonga Satana izy, eny dia ny devoly, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajambana ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony” (Mosesy 4:3–4.)

Ny ady mikasika ny fahafahana misafidy izay nomen’Andriamanitra ny olona dia mitohy amin’izao fotoana izao. I Satana sy ireo eo ambany fahefany dia mametraka ireo fandriny manodidina antsika miaraka amin’ny fanantenana fa isika dia hilavo lefona ary hihinana ireo bibikely namboariny entina hamitahana mba hahafahany misambotra antsika amin’ny alalan’ny fitaovana tsy tena izy. Mampiasa ny fiankinan-doha amin-javatra izy mba hangalarana ny fahafahana misafidy. Araka ny rakibolana, ny fiankinan-doha na amin’inona na amin’inona dia midika hoe fanekena ho andevozin’ilay zavatra, ka mitarika any amin’ny fanariana ny fahafahana misafidy ary lasa miantehitra amin’ny zavatra na fihetsika manimba ny fiainana.1

Ny mpikaroka dia milaza amintsika fa misy zavatra miasa iray ao amin’ny ati-dohantsika izay antsoina hoe ny ivon’ ny fahafinaretana.2 Rehefa velomin’ny zava-mahadomelina na fihetsika sasantsasany izy io dia manenika ny ampahan’ny ati-dohantsika izay mifehy ny sitrapontsika, ny fahaizantsika mandanjalanja, ny rafipisainantsika ary ny fitsipi-pitondrantenantsika. Izany dia mitarika ilay olona miankin-doha hanary izay fantany fa tsara. Ary rehefa tonga izany, dia voasambotry ny lelam-pintana isika ary fehezin’i Losifera ny zava-drehetra.

Hain’i Satana ny manararaotra sy mamandrika antsika amin’ny alalan’ny zavatra sy fihetsika namboarina mba hahazoana fahafinaretana mandalo. Hitako ny vokatr’izany rehefa misy anankiray mitolona mafy mba hamerina indray ny fahafahany mifehy ny fiainany sy ho afaka amin’ny fampiasan-javatra iray diso tafahoatra sy ny fiankinan-doha izay manimba ary mba hananana indray ilay fitiavana ny tena sy ny fahaleovan-tena.

Ny sasantsasany amin’ireo zava-mahadomelina tena mampiankin-doha indrindra, izay raha toa ka ampiasaina tsy amin’ny tokony ho izy, dia afaka manodina ny ati-doha sy manala ny fahafahana misafidy dia ahitana ny: “nicotine”, ny “opiacés—” ny “héroïne”, ny “morphine” sy ny fanafody hafa manala fanaintainana, ireo fanafody fampitoniana, ny “cocaine”, ny toaka, ny rongony ary ny “methamphetamines”.

Feno fankasitrahana aho noho ireo dokotera izay nofanina mba hanome fanafody sahaza mba hanamaivana ny fanaintanana sy ny fijaliana. Indrisy anefa fa be loatra eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny, ao anatin’izany, ny sasantsasany amin’ireo mpikambana ato amintsika, no lasa miankin-doha sy mihinana mihoatra ny tokony ho izy ireo fanafody nosoratan’ny dokotera. I Losifera izay rain’ny lainga dia mahafantatra izany ary dia mampiasa ny heriny misarika mba hangalarana ny fahafahana misafidy ary misambotra ilay tratran’ny fiankinan-doha amin’ny gadrany mahatsiravina izay tsy misy fanafahana (Jereo 2 Nefia 28:22)

Vao haingana aho no niresaka tamin’ny rahavavy iray izay tao amin’ny sampana fitsaboana arentin-tsaina tao amin’ny hôpitaly iray eto an-toerana. Nozarainy tamiko ny diany feno alahelo niainga tamin’ny fahasalamana feno ara-tsaina sy ara-batana, ny fanambadiana sy ny ankohonana mahafinaritra, nankany amin’ny aretin-tsaina, ny fahasalamana marefo, ary ny fisaratsarahan’ny fianakaviany—Ireo rehetra ireo dia niantomboka tamin’ny fihinana mihoatra ny tokony ho izy ny fanafody manala fanaintainana.

Roa taona nialoha ny resaka nifanaovanay dia narary ny lamosiny vokatry ny lozam-piarakodia. Nanome fanafody azy ny dokotera mba hanamaivanana ilay fanaintainana izay nila tsy ho zaka. Nihevitra izy fa nila zavatra mahery kokoa, koa dia nanao taratasim-panafody sandoka izy ary dia nandeha nividy “héroïne” tamin’ny farany. Izany dia nitarika tany amin’ny fisamborana sy ny fanagadrana azy. Ny filany tsy hay toherina ny fanafody dia nitarika tany amin’ny faharavan’ny fanambadiany. Nisarahan’ny vadiny izy ary tsy nahazo ny fitaizana ireo zanany. Nambarany tamiko fa ankoatry ny fanampian’ireo fanafody amin’ny fanamaivanana ny fanaintainany dia nanome fahatsapana hafaliam-po sy fiadanana tena lehibe izany saingy ao anatin’ny fotoana fohy monja. Saingy ny vokatry ny fanafody indray mihinana dia naharitra ora vitsy fotsiny ihany ary isaky ny mampiasa izany dia hita fa mihena ny halavan’ny fahatsapana fahamaivanana. Nanomboka nihinana fanafody betsaka kokoa izy ary dia tafiditra tao anatin’ilay toe-javatra tsy hita laniny ialana antsoina hoe fiankinan-doha izy. Lasa fiainany ny zava-mahadomelina. Ny alina talohan’ny niresahako taminy dia nanandrana ny hamono tena izy. Nilaza izy fa tsy nahazaka intsony ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy. Nahatsapa ho latsaka tao anaty fandrika izay tsy nisy fivoahana izy—ary tsy nanana fanantenana.

Tsy hoe mba tranga tokana fotsiny ihany ny olan’ity rahavavy ity mikasika ny taratasim-panafody sy ny fihinana fanafody mihoatra noho ny tokony ho izy fa mitranga manodidina antsika izany. Any amin’ny toerana sasany dia maro kokoa ny olona izay maty noho ny fihinana fanafody mihoatra noho ny tokony ho izy noho ny maty vokatry ny lozam-piarakodia.3 Ry Rahalahy sy anabavy, alaviro ny karazan-javatra izay mety hamandrika anao. Eny, na dia ny famofonana zavatra iray indray mandeha aza, na ny fihinana pilina iray na ny fisotroana toaka iray vera dia afaka mitarika any amin’ny fiankinan-doha. Nisy mpidoroka zava-pisotro mahamamo iray izay eo an-dalam-pahasitranana nilaza tamiko fa ny fisotroana indray mandeha fotsiny no mahasamihafa ny fiankinan-doha sy ny fahalalana onona. Fantatr’i Satana izany. Aza avela izy haka anao amin’ny alalan’ny fitaovana famitahana namboarina izay afaka hiova ho fiankinan-doha haingana dia haingana tokoa.

Ankehitriny ry rahalahy sy anabavy, aoka ianareo tsy ho diso fandray momba ny zavatra izay teneniko. Izaho dia tsy miahiahy mikasika ireo fanafody omen’ny mpitsabo ho an’ireo izay tratran’ny aretina azo tsaboina na ianjadian’ny fanaintainana lehibe ara-batana. Tena fitahiana tokoa ireo fanafody ireo. Ny zavatra tiako holazaina dia hoe mila manaraka tsara ny fatra nomen’ny dokotera isika. Ary mila mitahiry ireo fanafody ireo any amin’ny toerana azo antoka isika, izay tsy ahafahan’ny tanora na olona hafa maka azy ireo.

Misy olana lehibe ihany koa mikasika ny sasany amin’ireo fihetsika ratsy sy maneho fiankinan-doha tahaka ny filokana sy ny pôrnôgrafia izay tena manimba ny tena manokana ary raiki-tapisaka eo amin’ny fiaraha-monintsika. Tsarovy ry rahalahy sy anabavy fa izay karazana fiankinan-doha rehetra dia midika hoe fanekena ho andevozin’ilay zavatra, ka mitarika any amin’ny fanariana ny fahafahana misafidy ary lasa miantehitra amin’izany. Noho izany, ny lalao amin’ny “jeu vidéo” sy ny fandefasana hafatra amin’ny finday dia tokony hampidirina ao amin’ilay lisitra. Ireo mpilalao sasany dia milaza ho mandany hatramin’ny adim-pamantaranandro 18 isan’andro, miainga amin’ny dingana iray dia mankany amin’ny manaraka hafa rehetra ao amin’ilay “jeu vidéo” ary tsy miraharaha ireo lafiny hafa eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fandefasana hafatra amin’ny finday dia mety ho tonga fiankinan-doha mitarika any amin’ny fahaverezan’ny fifandraisana eo amin’ny samy olona izay tena manan-danja. Vao tsy ela akory izay no nilaza tamiko ny eveka iray fa nisy roa tamin’ireo tanorany izay nijoro nifanakaiky nifandefa hafatra toy izay nifampiresaka.

Ny fikarohana eo amin’ny sehatry ny fitsaboana dia mamaritra ny fiankinan-doha ho “aretin’ny ati-doha.”4 Marina izany, saingy mino aho fa vantany vao mahazo olona iray i Satana dia lasa aretin’ny fanahy ihany koa izany. Saingy na manao ahoana na manao ahoana fisehon’ny fiankinan-doha nahatratra ny olona iray dia misy foana ny fanantenana. Ny mpaminany Lehia dia nampianatra ny zanany lahy izao fahamarinana mandrakizay izao: “Noho izany dia afaka ny olona araka ny nofo; ary omena azy ny zavatra rehetra izay ilain’ny olona. Ary afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ny devoly” (2 Nefia 2:27).

Raha toa izay tratran’ny fiankinan-doka ka manana faniriana ny handresy izany dia misy ny lalana mitondra any amin’ny fahafahana ara-panahy—lalana hialana amin’ny fangejana—lalana izay efa voasedra. Manomboka amin’ny vavaka izany—fifandraisana amin-kitsimpo sy amim-pahavitrihana ary tsy tapaka amin’ilay mpahary ny fanahintsika sy ny vatantsika—dia ny Raintsika any an-danitra. Izany ihany no fitsipika arahana eo rehefa hiala amin’ny fahazaran-dratsy na mibebaka amin’izay mety ho fahotana isika. Ny vahaolana ho an’ny fiovan’ny fo, ny vatana, ny saina ary ny fanahintsika dia hita ao amin’ny soratra masina.

Manoro hevitra antsika ny mpaminany Môrmôna: “Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany … mba hahatonga anareo ho zanak’Andriamanitra … mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio” (Môrônia 7:48).

Izany sy ny soratra masina maro hafa dia mijoro ho vavolombelona amintsika fa misy ny fanantenana ho an’ireo izay miankin-doha ary izany fanantenana izany dia tonga amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny fietren’ny tena manokana eo anoloan’Andriamanittra sy amin’ny fitalahoana ny mba hafahana amin’ny fangejan’ny fiankinan-doha ary amin’ny fanolorana ny fontsika iray manontolo ho Azy ao anatin’ny vavaka atao amin-kafanampo.

Ny mpitarika ao amin’ny fisoronana dia afaka manampy ireo izay miankin-doha mba hikatsaka torohevitra avy amin’izy ireo. Raha ilaina dia afaka mandefa azy ireo any amin’ny mpanolotsaina matihanina sy any amin’ny LDS Family Services (Sampan’ny Olomasin’ny Andro Farany Misahana ny Fianakaviana). Ny Fandaharan’asa ho an’ny fanasitranana amin’ny fiankinan-doha, izay nalaina avy amin’ny dingana roambinifolo an’ny Alcooliques Anonymes (fikambanan’ireo tsy mitonona anarana izay mpidoroka zava-mpisotro mahamamo teo aloha) dia mora hita amin’ny alalan’ny LDS Family Services.

Ho an’ireo izay miady amin’ny fiankinan-doha ny tenany manokana na ny olona ao amin’ny fianakaviany, dia averiko indray, ny vavaka amin-kafanampo no fanalahidy hahazoana hery ara-panahy mba hahitana fiadanana sy handresena ny filan-javatra mafy anankiray. Ny Ray any an-danitra dia tia ny zanany rehetra koa dia misaora Azy ary manehoa finoana marina Azy. Mangataha hery Aminy mba handresena ilay fiankinan-doha mianjady aminao. Avelao ny hambom-ponao rehetra ary atodiho any amin’ny Ray any an-danitra ny fiainanao sy ny fonao. Mangataha mba ho fenon’ilay herin’ny fitiavana madion’i Kristy. Mety mila manao izany imbetsaka ianao, saingy mijoro ho vavolombelona aminao aho fa ny vatanao, ny sainao ary ny fanahinao dia afaka ho voaova, voadio ary ho tafaverina amin’ny laoniny—ary dia ho afaka ianao. Hoy i Jesoa hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Satria ny tanjontsika dia ny ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy antsika ary any aoriana ho mendrika ny hiaina miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra, noho izany isika tsirairay dia mila miaina ny fiovana mahery vaika ao amin’ny fontsika izay nofaritan’ny Mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (Jereo Alma 5:14). Ny fitiavantsika ny Raintsika any an-danitra sy ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy Tompo dia mila hita taratra eo amin’ny safidintsika sy ny asantsika andavanandro. Nampanantena fiadanana, fifaliana sy fahasambarana ho an’ireo izay mitandrina ny didiny izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy, enga anie isika rehetra hahafantatra ireo bibikely tsy tena izy mba hamitahana izay atolotr’i Losifera, ilay mpanjono olona amin’ny fitaka. Enga anie isika hanana fahendrena sy fahitana ara-panahy mba hanavahana sy handavana ireo zavatra maro atolony izay mifono loza.

Ary ho an’ireo izay lavo tao anatin’izay mety ho karazana fiankinan-doha, dia misy ny fanantenana, satria Andriamanitra dia tia ny zanany rehetra ary satria ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo dia mahatonga ny zavatra rehetra ho azo tanterahana.

Efa nahita ny fitahiana mahafinaritry ny fahasitranana aho, izay afaka manafaka ny olona iray amin’ny fangejan’ny fiankinan-doha. Ny Tompo no mpiandry antsika ary tsy hanan-java-maha ory isika raha matoky ny herin’ny Sorompanavotana. Fantatro fa ny Tompo dia afaka manafaka sy hanafaka ireo miankin-doha amin’ny fatoran’izy ireo, fa toy ny nambaran’ny Apôstôly Paoly hoe “Afaka manao ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy izay mampatanjaka ahy” (Filipiana 4:13). Enga anie, ry rahalahy sy anabavy, ho tanteraka izany ho an’ireo izay mety mitolona amin’ity olana ity amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainany, ary ataoko amim-panetrentena izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Raha anarana dia misy dikany 3 ny fiankinan-doha ka ny iray amin’izany dia hoe “manao ny sitrapon’ilay tompony” (www.audioenglish.net/dictionary/addiction.htm)

  2. Jereo ny National Institute on Drug Abuse, Drugs, Brains, and Behavior—the Science of Addiction (2010), 18, drugabuse.gov/scienceofaddiction/sciofaddiction.pdf.

  3. Jereo Erika Potter, “Drug Deaths Overtake Auto Deaths in Utah,” Des. 2009, universe.byu.edu/node/4477.

  4. Jereo National Institute on Drug Abuse, “The Neurobiology of Drug Addiction,” section IV, no. 30, drugabuse.gov/pubs/teaching/teaching2/teaching5.html; jereo koa ny drugabuse.gov/funding/budget08.html.