2010
Fahafahana Misafidy: Zava-dehibe eo amin’ny Drafitry ny Fiainana
Nôvambra 2010


Fahafahana Misafidy: Zava-dehibe eo amin’ny Drafitry ny Fiainana

Isaky ny misafidy ny hanatona an’i Kristy isika, hitondra ny Anarany eo amintsika, ary hanaraka ny Mpanompony dia mivoatra hatrany eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Sary
Elder Robert D. Hales

Vao haingana aho no naharay taratasy avy tamin’ny namako iray nandritra ny 50 taona mahery izay tsy mpikamban’ny Fiangonantsika. Nandefasako boky vitsivitsy mikasika ny filazantsara izy mba ho vakiany, izay nahatonga azy namaly hoe: “Tamin’ny voalohany dia tena sarotra tamiko ny nahatakatra ny fomba fiteny mahazatra anareo Môrmôna toy ny hoe fahafahana misafidy. Mety hanampy be dia be tokoa angamba raha mba misy pejy fohifohy manazava voambolana.”

Talanjona aho raha naheno fa tsy takany ny dikan’ny teny hoe fahafahana misafidy. Nandeha nijery rakibolana tamin’ny Internet aho. Amin’ireo famaritana sy fampiasana miisa folo mikasika io teny fahafahana misafidy io dia tsy nisy na dia iray aza maneho ny hoe fanaovana safidy mba hanaovan-javatra. Mampianatra isika fa ny fahafahana misafidy dia ny fahafaha-manao sy ny tombontsoa nomen’Andriamanitra antsika mba hifidy sy “mihetsika ho azy fa tsy etsehina.”1 Ny fahafahana misafidy dia ny manao zavatra iray ary mahatsapa ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika isika. Ny fahafahantsika misafidy dia manan-danja lehibe eo amin’ny drafitry ny famonjena. Noho izany no hahafahantsika “mifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ ny devoly.”2

Ny tonon’ny fihirana malaza iray dia mampianatra izany fitsipika izany amin’ny fomba mazava tsara:

Ny olona tsirairay dia afaka mifidy

Izay ho fiainany, azy ny safidy

Fa izao no nambaran’Andriamanitra:

Hoe tsy misy an-tery ny mankany an-danitra3

Mba hamaliako ny fanontanian’ilay namako sy hamaliako ny fanontanian’ireo lehilahy sy vehivavy rehetra na aiza na aiza dia mamelà ahy ianareo hizara bebe kokoa izay fantatsika mikasika io dikan’ny fahafahana misafidy io.

Talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany dia naroson’ny Ray any an-danitra teo anoloantsika ny drafitry ny famonjena—drafitra iray hankanesantsika ety an-tany sy handraisantsika vatana, hisafidianantsika hanao zavatra ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy sy hivoarantsika ho tonga tahaka Azy ary hiaina hiaraka Aminy mandrakizay.

Ny fahafahantsika misafidy—ny fahafahana misafidy sy manao zavatra iray ho an’ny tenantsika—dia singa iray nanan-danja teo amin’ity drafitra ity. Raha tsy misy izany fahafahana misafidy izany dia tsy ho afaka hanao ireo safidy tsara sy hivoatra isika. Kanefa koa noho ny fahafahana misafidy dia afaka manao safidy diso isika, manota, ary mamery ny fahafahana hiaraka amin’ny Ray any an-danitra indray. Noho izany indrindra no nanomezana Mpamonjy iray mba hanonitra ny fahotantsika sy hanavotra antsika, raha toa ka mibebaka isika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy misy fetra, no nanatanterahany “ny drafitry ny famindrampo, mba hanefany ny fitakian’ny fahamarinana.”4

Taorian’ny nandrosoan’ny Ray any an-danitra ny Drafiny dia nandroso teo aloha i Losifera sady niteny hoe: “Iraho aho, havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona [na iray aza] ho very … ; koa omeo ahy ny voninahitrao.”5 Nolavin’ny Raintsika izany drafiny izany satria ho nanaisotra ny fahafahantsika misafidy. Raha ny marina dia tena drafitra fikomiana izany.

Avy eo i Jesoa Kristy, ny Zanakalahin’ny Ray any an-danitra “izay Malala[ny] sy nofidi[ny] hatrany am-piandohana,” no naneho ny fahafahany misafidy tamin’ny filazana hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”6 Izy no ho Mpamonjy antsika—Mpamonjy an’Izao Tontolo Izao.

Noho ny fikomian’i Losifera dia nisy ady ara-panahy lehibe niforona. Samy nanana fahafahana hampiasa ny fahafahany misafidy izay nomen’ny Ray any an-danitra azy ireo zanaky ny Ray any an-danitra tsirairay avy. Nisafidy ny hanam-pinoana an’ny Mpamonjy Jesoa Kristy isika—ny hanatona Azy, hanaraka Azy, ary hanaiky ny drafitry ny Ray any an-danitra izay natolotra ho an’ny tombontsoantsika. Kanefa nisy iray am-pahatelon’ny zanaky ny Ray any an-danitra tsy nanana finoana ny hanaraka ny Mpamonjy ka nisafidy kosa ny hanaraka an’i Losifera, na i Satana.7

Ary hoy Andriamanitra hoe: “Koa satria nikomy Tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy, dia nasaiko nazera ety ambany izy.”8 Ireo izay nanaraka an’i Satana dia tsy nahazo ilay fahafahana handray vatana mety maty, hiaina eto an-tany, ary hivoatra. Noho ny fomba nampiasany ny fahafahany misafidy dia namery izany fahafahana izany izy ireo.

Ankehitriny, ny hany hery hananan’i Satana sy ny mpanaradia azy dia ny haka fanahy sy hamitaka antsika. Ny hany fifaliany dia ny hanao izay hahatonga antsika “ho ory tahaka [azy ireo].”9 Ny hany fahasambarany dia rehefa tsy mankatò ireo didin’ny Tompo isika.

Kanefa alaivo an-tsaina anie: nisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy, Jesoa Kristy isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana! Ary satria nanao izany isika dia nomena lalana ho ety an-tany. Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny fanaovana safidy ny hanaraka ny Mpamonjy, eto an-tany amin’izao fotoana izao toy ny tamin’ izany, no hahazoantsika fitahiambe mihoatra noho izany any amin’ny mandrakizay. Kanefa fantaro fa: tsy maintsy manohy misafidy ny hanaraka ny Mpamonjy isika. Ny fiainana mandrakizay no miankina amin’izany ary zava-dehibe ny fampiasantsika amim-pahendrena ny fahafahantsika misafidy sy ny zavatra ataontsika mba ahafahantsika mahazo fiainana mandrakizay.

Nandritra ny fiainany ny Mpamonjy dia nampiseho antsika ny fomba fampiasa ny fahafahantsika misafidy. Fony Izy zazalahikely tany Jerosalemana dia nisafidy tamim-pahalalahana Izy ny “ho [eo] an-tranon’ny Rai[ny].”10 Nandritra ny asa fanompoany dia nisafidy tamim-pankatoavana Izy ny “hanao ny sitrapon’ny Rai[ny].”11 Tao Getsemane dia nisafidy ny hiharitra ny zava-drehetra Izy, tamin’ny fitenenana hoe: “aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery azy.”12 Teo amin’ny hazo fijaliana dia nisafidy ny hitia ny Fahavalony Izy ka nivavaka hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”13 Ary avy eo, mba hahafahany mampiseho farany fa ny Tenany no misafidy dia navela ho irery Izy. Ray ô, “nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” Hoy Izy nihiaka.14 Hatramin’ny faran’ny ainy dia nampiasa ny fahafahany misafidy Izy, naharitra hatramin’ny farany, hatramin’ny fotoana nahafahany niteny hoe: “Vita.”15

Na dia “efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika”16 aza Izy, dia nampiasa ny fahafahany nisafidy ny ho Mpamonjy hatrany Izy tamin’ireo safidy sy zavatra rehetra nataony—dia ny hamaha ny fatoran’ny ota sy ny fahafatesana ho antsika. Ary tamin’ny alalan’ny fiainany tonga lafatra no nampianarany antsika fa rehefa misafidy ny hanao ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra isika dia voakajy ny fahafahantsika misafidy, mitombo ny fahafaha-manao eo anoloantsika ary mivoatra isika.

Hita manerana ny soratra masina ny porofon’izany fahamarinana izany. Very ny fananan’i Joba rehetra kanefa mbola nisafidy ny hahatoky hatrany izy ary nahazo ny fitahiana mandrakizain’Andriamanitra. Nisafidy ny hanaraka ny fampitandremana nataon’ilay anjely i Maria sy Josefa ka nandositra nankany Egypta, ary dia avotra ny ain’ny Mpamonjy. Nisafidy ny hanaraka ny torolalana nomen’i Môrônia i Joseph Smith ka dia nanomboka tamin’izay ny Famerenana amin’ny laoniny arak’izay efa naminaniana. Isaky ny misafidy ny hanatona an’i Kristy isika, ny hitondra ny Anarany eo amintsika, ary ny hanaraka ny Mpanompony dia mivoatra hatrany eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Eto amin’ity diantsika eto an-tany ity dia manampy ny fahatsiarovana fa marina koa ny mifanohitra amin’izany: rehefa tsy mitandrina ny didy sy ny bitsiky ny Fanahy Masina isika dia hihena ireo fahafahana hanao zavatra, hihena ny fahaiza-manaontsika hanao zavatra ary hihena ny fandrosoana. Rehefa nandatsaka ny ain’ny rahalahiny i Kaina noho ny fitiavany an’i Satana mihoatra an’Andriamanitra dia nitsahatra teo ny fandrosoany ara-panahy.

Nandritra ny fahatanorako dia nianatra lesona iray manan-danja aho izay maneho fa ny zavatra atao dia afaka mametra ny fahafahanao. Indray andro dia nasain’ny raiko nanosotra savoka ny gorodonay aho. Nisafidy ny hanomboka izany asa izany avy eny am-baravarana aho ary miditra mankany anatin’ny efitrano. Rehefa akaiky ho vita izany dia tsinjoko fa tsy misy lalana hivoahako. Tsy misy varavarankely na varavarana eny amin’ny faritra ilany. Tahaka ireny namandrika ny tenako teny amin’ny zoron-trano ireny aho. Tsy nisy lalana azoko naleha. Tsy afa-nihetsika aho.

Isaky ny tsy mankatò isika, dia toy ireny mamandrika ny tenantsika ara-panahy ery amin’ny zoron-trano ireny ary voafandriky ny safidintsika. Na dia voafandrika ara-panahy aza isika, dia misy hatrany ny lalana azo hiverenana. Toy ny fibebahana dia mitaky asa–fanadiovana sy famerenana manosotra bebe kokoa ny fiverenana sy fandalovana eo amin’ilay faritra vao nosorana savoka! Tsy mora ny miverina amin’ny Tompo kanefa mahaleo ny sarany.

Rehefa takatsika ireo fanamby atrehina amin’ny fibebahana dia azontsika ankafizina ny fitahian’ny Fanahy Masina izay mitarika antsika amin’ny fahafahantsika misafidy ary koa ny Ray any an-danitra izay manome antsika didy ary mankahery sy manohana antsika amin’ny fitandrovantsika azy ireny. Fantatsika koa fa ny fankatoavantsika ny didy dia miaro ny fahafahantsika misafidy amin’ny farany.

Ohatra, rehefa mankatò ny Tenin’ny Fahendrena isika, dia afa-miala amin’ny rofy sy ny fiankinan-doha amin’ireo zavatra hohanina na raisina izay manaisotra ara-bakiteny ny fahafahantsika manao zavatra iray ho an’ny tenantsika.

Rehefa mankatò ny torohevitra ny hiala amin’ny trosa sy hanefa izany amin’izao fotoana izao isika dia mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hahazoana fahafahana hampiasa ny ambim-bola eo am-pelantanantsika hanampiana sy hitahiana ny hafa.

Rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany isika hanao ny takarivan’ny mpianakavy, ny vavaka iarahan’ny fianakaviana ary ny fandalinana ny soratra masina miaraka dia ho lasa toeram-pikotrehana hampivoatra ny ara-panahin’ny zanatsika ny tokantranontsika. Ao no ampianarantsika azy ireo ny filazantsara, no hijoroantsika ho vavolombelona, no hanehoantsika ny fitiavantsika, ary hihainoana azy ireo rehefa mizara ny fahatsapany sy ny zavatra niainany izy ireo. Vokatry ny safidy sy asa tsara ataontsika dia manafaka azy ireo amin’ny haizina isika amin’ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo ny handeha amin’ny hazavana.

Mampianatra fomba fijery diso maro mikasika ny fahafahana nisafidy izao tontolo izao. Maro ireo mieritreritra fa tokony “mihinana, misotro ary mifal[y isika]; raha toa aza ka meloka isika, dia hofaizin’Andriamanitra amin’ny dian-kapoka vitsivitsy, ary dia hovonjena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ihany isika amin’ny farany.”17 Ny hafa kosa dia lasa tsy mpino ary mandà an’Andriamanitra. Mandresy lahatra ny tenany izy ireo fa tsy misy ny “fifanoherana amin’ ny zava-drehetra,”18 ka noho izany “na inona na inona nataon’ny olona iray dia tsy heloka” izany.19 Izany dia “mandrava ny fahendren’ Andriamanitra sy ny fikasany mandrakizay.”20

Mifanohitra amin’ny fampianarana ampitain’izao tontolo izao, ny soratra masina dia mampianatra antsika fa manana ny fahafahana misafidy isika, ary ny fampiasantsika izany am-pahamarinana hatrany no mampiavaka ilay fahafaha-manao ananantsika sy ny fahaiza-manao hahafahana manao zavatra iray ho an’ny tenantsika sy hanana fivoarana mandrakizay.

Ohatra, tamin’ny alalan’ny Mpaminany Samoela no nanomezan’ny Tompo didy mazava tsara ho an’i Saoly Mpanjaka:

“Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjaka … ankehitriny mihainoa ny tenin’ny Tompo. …

“Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy.”21

Kanefa tsy nanaraka ny didin’ny Tompo i Saoly. Nampiasa ilay antsoiko hoe “fankatoavana amin’ny ampahany” izy. Niantehitra tamin’ny fahendreny manokana izy ka dia nitsinjo ny ain’ny Mpanjaka Agaga ary nitondra nody izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby ary ny biby hafa.

Nanambara izany tamin’ny Mpaminany Samoela ny Tompo ary naniraka azy hanala an’i Saoly tsy ho mpanjaka intsony. Rehefa tonga ny Mpaminany dia hoy i Saoly hoe: “efa nahatanteraka ny tenin’i Jehovah aho.”22 Kanefa ny Mpaminany nahalala fa tsy marina izany ary niteny hoe: “Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman-osy ren’ny sofiko izany sy ny fimàmàn’ny omby reko?”23

Niezaka nanala tena tamin’ny alalan’ny fanendrikendrehany ny hafa i Saoly, nilaza fa notahirizin’ny olona ireo biby mba ho atao fanatitra ho an’ny Tompo. Nazava ny valintenin’ny Mpaminany nanao hoe: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino [ny didin’ny Tompo] no tsara noho ny saboran’ondrilahy.”24

Farany dia nibaboka i Saoly ka niteny hoe: “Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.”25 Koa satria tsy narahin’i Saoly tamin’ny antsipiriany ny teny—satria nisafidy ny ho mpankatò amin’ny ampahany izy—dia namery ny fahafaha-manaony izy sy ny fahafahany misafidy ny ho mpanjaka.

Ry rahalahy sy anabaviko, moa ve mitandrina amin’ny antsipiriany ny feon’ny Tompo sy ny Mpaminaniny isika? Sa toa an’i Saoly, ka manao ny fankatoavana amin’ny ampahany ary matahotra tavan’olona?

Miaiky aho fa efa nanao fahadisoana daholo isika rehetra. Mampianatra antsika ny soratra masina hoe: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.”26 Ho an’ireo izay babo noho ny safidy diso natao teo aloha, tsy afa-miala amin’ny zavatra iray, tsy manana ny fitahiana rehetra azo avy amin’ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafana misafidy dia fantaro fa tia anareo izahay. Miverena! Mialà eny amin’ny zoron-trano maizina ka mivoaha aty amin’ny mazava. Na dia tsy maintsy handalo eo amin’ilay gorodona vao nosorana savoka aza ianao dia tsarovy fa mahaleo ny sarany ny fanaovana izany. Mahatokia fa “noho ny Sorompanavotan’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra [isan’izany izaho sy ianao], amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”27

Rehefa mby teo Aminy ny fotoana hanatanterahana ny Sorompanavotana dia nanolotra ny Vavaka nataony ho an’ny mpianany ny Mpamonjy ary niresaka mahakasika antsika tsirairay avy nanao hoe: “Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy”28 “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.”29

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho fa velona Izy Ireo. Rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy amim-pahamarinana isika dia tonga mahafantatra Azy Ireo, tonga tahaka Azy Ireo bebe kokoa ary manomana antsika ho amin’ny andro izay voalaza fa “ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky” fa i Jesoa no Mpamonjy antsika.30 Enga anie isika hanohy hanaraka Azy sy ny Raintsika any An-danitra, tahaka ny efa nataontsika hatrany am-piandohana, izany no fivavako amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.