2010
Matokia an’Andriamanitra, ary Mandehana dia Tanteraho
Nôvambra 2010


Matokia an’Andriamanitra, ary Mandehana dia Tanteraho

Maneho ny fahatokianareo Azy ianareo rehefa mihaino amin’ny finiavana ny hianatra, hibebaka, ary hanatanteraka izay rehetra angatahiny.

Sary
President Henry B. Eyring

Ry rahalahy sy anabaviko malala, voninahitra ho ahy ny hiresaka aminareo amin’ity andro Sabata ity. Feno fanetren-tena aho amin’ny andraikitra hiteny amin’ny Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisany sy ireo namantsika manerana izao tontolo izao. Teo am-panomanana ity andraikitra masina ity aho dia nivavaka sy nisaintsaina mba hianatra ireo zavatra ilain’ny tenanareo manokana ka hahafantatra ny hafatry ny Tompo tiany hozaraiko.

Maro sy samy manana ny karazany ny zavatra ilainareo. Ny tsirairay aminareo dia samy zanak’Andriamanitra miavaka avy. Fantatr’Andriamanitra ny tsirairay avy aminareo. Nandefa ny hafatra fampaherezana, fanitsiana, ary fitarihana Izy, izay natao ho anao sy nilainao.

Mba hahafantarana ny tian’Andriamanitra holazaiko mandritra ity fihaonambe ity, dia novakiako ny hafatry ny mpanompony tao amin’ny soratra masina sy tamin’ireo fihaonambe teo aloha. Nandray valiny aho raha namaky ny tenin’i Almà, mpanompo lehiben’ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Ô, inay anie aho anjely, ary nety nanana ny fanirian’ ny foko mba hahazoako mandeha sy miteny miaraka amin’ ny trompetran’ Andriamanitra, amin’ ny feo mampihorohoro ny tany sy miantsoantso fibebahana amin’ ny vahoaka tsirairay!

“Eny, holazaiko ny fanahy tsirairay, miova tsy ny feon’ ny kotro-baratra, ny fibebahana sy ny drafitry ny fanavotana mba hibebahany sy hanatonany an’ Andriamanitsika, mba tsy hisy alahelo intsony eo amin’ ny lafiny rehetra amin’ ny tany.

“Nefa indro, izaho dia olona, ary manota aho amin’ ny faniriako; satria tokony ho faly aho amin’ ny zavatra izay efa nozarain’ ny Tompo ho ahy.”1

Ary dia hitako tao amin’ny fisainan’i Almà ilay fitarihana nilaiko izay nentiko am-bavaka: “Fa indro, ny Tompo dia manome ny firenena rehetra olona avy amin’ ny firenena sy ny fiteniny avy ihany mba hampianatra ny teniny, eny, amim-pahendrena, dia izay rehetra hitany fa rariny ny tokony hananan’ izy ireo izany; noho izany dia hitantsika fa ny Tompo dia mananatra amim-pahendrena araka izay mahitsy sy marina.”2

Ny famakiako izany hafatra avy amin’ny mpanompon’Andriamanitra izany dia nampazava tsara ny andraikitro anio. Mandefa hafatra sy mpampita hafatra nahazo alalana ho any amin’ny zanany Andriamanitra. Mila matoky an’Andriamanitra sy ny mpanompony aho ary izany dia mba hahafahantsika mandeha ary mankatò ny toroheviny. Tiany ny hitrangan’izany satria tiany isika ary tiany ho sambatra koa. Ary fantany fa ny tsy fananana fahatokiana Azy dia mitondra alahelo.

Ny tsy fananana fahatokiana dia nitondra fahoriana tamin’ny zanaky ny Ray any an-danitra hatramin’ny talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao. Fantatsika tamin’ny alalan’ny fanambaran’Andriamanitra tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa maro ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana no nandà ny drafitra ho an’ny fiainantsika ety an-tany izay nasehon’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany lahimatoa, dia i Jehovah.3

Tsy fantatsika daholo ny anton’ny fahombiazana mahatsiravin’i Losifera tamin’ny fanaovana izany fikomiana izany. Na izany aza anefa dia misy antony iray izay tena mazava tsara. Ireo izay namery ny fitahiana ho tonga eto amin’ny fiainana an-tany dia ireo izay tsy nanana fatokiana tanteraka an’Andriamanitra hiala amin’ny fahoriana mandrakizay.

Ny dingana mampalahelon’ny tsy fananam-pahatokiana an’Andriamanitra dia efa nisy hatramin’ny fahariana. Hitandrina tsara aho amin’ny fanomezana ohatra avy amin’ny fiainan’ireo zanak’Andriamanitra noho ny tsy fahafantarako ny antony rehetra mahatonga ny tsy fananan’izy ireo ny finoana ampy hametrahana fitokisana Aminy. Maro aminareo no efa nandalina ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainan’izy ireo.

I Jona, ohatra, dia tsy nandà fotsiny ihany ny hafatra avy tamin’ny Tompo handeha ho any Niniva fa mbola nandeha tany amin’ny lalan-kafa mihitsy. I Namana dia tsy nahatoky ny fitarihan’ny mpaminanin’ny Tompo handro eo amin’ny renirano mba hanasitranan’ny Tompo ny habokany, noho ny fahatsapany fa toa manambany ny voninahiny izany asa tsotra asaina ataony izany.

Ny Tompo dia nanasa an’i Petera hiala ny sambokely ary handeha ho eny Aminy eny ambony rano. Tsapantsika ny fijaliany ary hitantsika ny filantsika fatokiana lehibe kokoa an’Andriamanitra raha mandre ny voarakitra isika:

“Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina.

“Ary nony nahita Azy nitsangantsangana ambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

“Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.

“Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.

“Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy.

“Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!

“Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao?”4

Afaka mahazo fampaherezana avy amin’ny zava-nitranga isika izay milaza fa i Petera dia lasa nahatoky ny Tompo kokoa ka nijanona ho mahatoky hatrany teo amin’ny fanompoany Azy hatrany amin’ny fanaovana maritiora ny tenany.

I Nefia vao erotrerony ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manentana antsika ara-panahy hanam-paniriana ny hampivelatra ny fahatokiana ny Tompo mba hankatò ny didiny, na dia toa mafy amintsika aza izy ireo. Niatrika loza ary mety ho fahafatesana mihitsy i Nefia raha niteny ireto teny maneho fahatokiana ireto izay afaka sy tokony hohazonintsika mafy ao am-pontsika: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ ny zanak’ olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy.”5

Ny fahatokiana dia tonga avy amin’ny fahafantarana an’Andriamanitra. Mihoatra ny olon-drehetra eto an-tany, dia nahatsapa ny fandriampahalemana izay natolotry ny Tompo tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’ilay teny hoe: “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra.”6 Tototry ny fankasitrahana ny foko tamin’izay nambaran’Andriamanitra momba Azy mba hahafahantsika mahatoky Azy.

Ho ahy dia nanomboka tamin’ny taona 1820 izany tamin’ny alalan’ilay zazalahy kely tao anatin’ny alakely tao amin’ny toeram-piompiana iray tao amin’ny faritanin’i New York. Ilay zazalahy, Joseph Smith, Zanany dia nandeha namakivaky ny ala ho any amin’ny toerana mitokana. Nandohalika nivavaka tamim-patokiana izy fa hovalian’Andriamanitra ny fitalahoany hahafantatra ny tokony ataony mba hadio sy ho voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.7

Isaky ny mamaky io firaiketana io aho dia mitombo hatrany ny fahatokiako an’Andriamanitra sy ny mpanompony:

“Nahita andrim-pahazavana teo ambonin’ ny lohako indrindra, nihoatra ny famirapiratan’ ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.

“Raha vantany vao niseho izany, dia hitako fa nafahana tamin’ ny fahavaloko izay efa nihazona ahy aho. Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!8

Nambaran’ny Ray tamintsika fa Velona Izy, ary i Jesoa Kristy dia Zanaka Malalany, ary tiany loatra isika ka nandefa ny Zanakalahiny Izy mba hamonjy antsika izay tsy iza fa zanany. Ary satria manana fijoroana ho vavolombelona aho fa niantso ilay zazalahy tsy avara-pianarana ho Apôstôly sy Mpaminany Izy, noho izany dia mahatoky ny Apôstôliny sy ny Mpaminaniny ankehitriny aho sy ireo izay voantson’Andriamanitra.

Izany fahatokiana izany dia nitahy ny fiainako sy ny fiainan’ny fianakaviako. Taona maro lasa izay dia nandre ny Filoha Ezra Taft Benson niteny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana aho tahaka izao Alahady izao. Nanoro hevitra antsika izy hanao izay rehetra vitantsika hiala amin’ny trosa ary hanalavitra izany. Nilaza momba ny fanaovana antoka amin’ny trano izy. Nilaza izy fa mety tsy ho afaka amin’izany isika kanefa ny tsara indrindra dia ny mandoa ireo trosa ananan’antoka rehetra.9

Niresaka tamin’ny vadiko aho taorian’ny fivoriana ary nanontany hoe: “Mino ve ianao fa misy fomba hahafahantsika manao izany?” Tamin’ny voalohany dia tsy vitanay izany. Ary indray hariva aho nieritreritra ilay fanananay any amin’ny faritany iray hafa. Efa aman-taonany izahay no niezaka nivarotra izany kanefa tsy nahita fahombiazana.

Kanefa noho ny fahatokianay an’Andriamanitra ary noho ireo teny kely teny ampovoan’ny hafatry ny mpanompony, dia niantso ilay lehilahy mpanera ny fanananay tany San Francisco izahay ny Alatsinainy maraina. Efa niantso azy aho herinandro vitsivitsy lasa ary dia hoy izy hoe: “Tsy mbola nisy olona taitra tamin’ny fanananareo aloha hatreto nandritra izay taona maro izay.”

Kanefa ny Alatsinainy taorian’ny fihaonambe, dia nandre ny valiny izay nampahatanjaka ny fahatokiako an’Andriamanitra sy ny mpanompony aho.

Hoy izy: “Gaga be aho amin’ny antso ataonao. Nisy lehilahy tonga androany ary nanontany raha afaka ny hividy ny fanananareo.” Dia nanontany azy aho, “Ohatrinona no hasahiany an’izany?” Nisy dolara vitsivitsy ambonin’ny antoka nangatahanay izany.

Misy olona mety hiteny fa fifandrifian-javatra fotsiny ihany izany. Kanefa dia voaloa ny antokay. Ary dia nitohy nihaino hatrany ny teny amin’ny hafatry ny mpaminany ny fianakaviako izay miteny anay ny zavatra tokony ataonay mba hahitana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana tian’Andriamanitra ho anay.

Ny fahatokiana an’Andriamanitra dia afaka mitahy ny fiarahamonina sy ny fianakaviana. Tao amin’ny tanàna kely tao New Jersey no nahalehibe ahy. Ny sampan’ny Fiangonana nisy anay dia vitsy tsy nihoatra ny roapolo ny mpiangona.

Anisan’izy ireo ny vehivavy iray—efa antitra sy niova fo be fanetren-tena tao amin’ny Fiangonana. Mpifindra monina izay mbola nanana fiteny Nôrveziana izy. Izy irery ihany no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany ary hany mpikamban’ny Fiangonana eo amin’ny tanàna misy azy.

Tamin’ny alalan’ny raiko, izay filohan’ny sampana dia niantso azy ny Tompo ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Tsy nanana boky torolalana izay niteny azy ny tokony ataony izy. Tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana nifanolobodirindrina taminy. Ny hany fantany dia hoe nikarakara ireo izay nila fanampiana ny Tompo sy ilay teny filamatra fohin’ny Fikambanana Ifanampiana: “Ny Fiantrana tsy ho Levona Mandrakizay.”

Tao anatin’ny Fahasahiranana Ara-toe-karena nisy teto amin’ny firenena izany. An’arivony ireo tsy an’asa sy tsy nanan-kialofana. Ary noho ny fahatsapany fa voatendrin’ny Tompo izy, dia nangataka akanjo tonta tamin’ny mpifanolobodirindrina taminy izy. Nosasany ireo akanjo ireo, dia nopasohany, ary dia nataony tao anaty baoritra ary napetrany teo an-tokonam-baravarana eo amin’ny lavarangana. Rehefa misy ireo olona tsy manam-bola ka mila fitafiana ary nangataka fanampiana amin’ny mpifanolobodirindrina aminy, dia mamaly ireo hoe: “Mandehana ery amin’iry trano eo am-pidinan-dalana iry. Misy ramatoa Môrmôna izay mipetraka ao izay afaka hanome izay tadiavinareo.”

Tsy nampandroso ny tanàna iray manontolo ny Tompo, fa nanova ny ampahan’izany ho tsaratsara kokoa. Niantso ramatoa kely—irery—iray izy izay natoky Azy mba hahafantatra ny tiany ho ataony ary dia nanatanteraka izany. Noho ny fahatokiany ny Tompo dia afaka nanampy an-jatony tamin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra mila fanampiana tao amin’izany tanàna izany izy.

Izany fahatokiana an’Andriamanitra izany dia afaka hitahy ny firenena koa. Nahafantatra aho fa afaka mahatoky an’Andriamanitra isika amin’ny fanatanterahana ny fampanantenain’i Almà manao hoe: “Fa indro, ny Tompo dia manome ny firenena rehetra olona avy amin’ ny firenena sy ny fiteniny avy ihany mba hampianatra ny teniny, eny, amim-pahendrena, dia izay rehetra hitany fa rariny ny tokony hananan’ izy ireo izany”10

Andriamanitra dia tsy manjaka eo amin’ny firenena fa manampy azy ireo. Afaka mametraka olona eo amin’ny toerana izay hahafahan’izy ireo ho henoan-teny, izay mikatsaka ny tsara indrindra ho an’ny olona no sady mahatoky ny Tompo Izy.11

Efa hitako izany nandritra ny diako nitety an’izao tontolo izao. Tamin’ny tanàna misy mponina mihoatra ny 10 tapitrisa iray izay, dia nandaha-teny tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay an’arivony nivory teo aho nandritra ny fihaonambe. Notanterahina tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena lehibe iray izany.

Talohan’ny nanombohan’ny fivoriana, dia tsikaritro nisy rangahy mbola tanora iray izay nipetraka teo amin’ny seza voalohany. Voahodidin’ireo hafa mitovy aminy izy, izay tsaratsara fiakanjo kokoa mihoatra ny ankamaroan’ireo hafa. Nanontany ny Manampahefana Ambony teo akaikiko aho hoe iza ireo lehilahy ireo. Nibitsibitsika tamiko izy fa ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ireo.

Raha nandeha teny amin’ny fiarako aho dia gaga nahita ity ben’ny tanàna izay niandry mba hiarahaba ahy, voahodidin’ireto mpiara-miasa aminy. Nandroso izy ary nanolotra ny tanany sady nilaza tamiko hoe: “Misaotra betsaka tamin’ny fahatongavana teto amin’ny tanànanay sy ny firenenay. Feno fankasitrahana izahay amin’ny ataonao mba hampiorenana ireo olonao. Avy amin’ny olona sy fianakaviana toy izany dia afaka mamorona filaminana ara-piaraha-monina sy firoboroboana tianay ho an’ny vahoakanay izahay.”

Hitako tamin’izay fotoana izay fa izy dia anisan’ireo olona iray izay marina ao am-po napetrak’Andriamanitra eo amin’ny fahefana eo anivon’ireo zanany. Vitsy an’isa isika raha oharina amin’ny mponina eo amin’izany tanàna lehibe izany. Nahafantatra kely ny fotopampianarantsika sy olom-bitsy tao amin’ny fiangonana ilay ben’ny tanàna. Kanefa dia nalefan’Andriamanitra tany aminy ny hafatra fa ny Olomasin’ny Andro Farany izay eo ambany fanekempihavanana ny hatoky ny Tompo sy ireo mpanompony manana fahefana, dia ho fahazavan’ny vahoakany.

Fantatro ireo mpanompon’ny Tompo izay niteny sy hiteny aminareo nandritra ity fihaonambe ity. Nantsoin’Andriamanitra izy ireny hanome ny hafatra ho an’ny zanany. “Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa, na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”12

Maneho ny fahatokianareo Azy ianareo rehefa mihaino amin’ny finiavana ny hianatra, hibebaka, ary hanatanteraka izay rehetra angatahiny. Raha toa ka ampy ny fahatokianareo hihaino ny hafany amin’ny fivoriana rehetra, amin’ny hira, vavaka mandritra ity fihaonambe ity, dia hahita izany ianareo. Ary raha mandeha sy manatanteraka izay asainy ataonareo ianareo, dia hitombo ny hery entinareo mahatoky Azy ary ho avy ny fotoana izay ho rakotry ny fankasitrahana ianareo amin’ny fahafantarana fa nahatoky anareo koa Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa miteny Andriamanitra ankehitriny amin’ny alalan’ny mpanompo nofinidiny ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. I Thomas S. Monson no mpaminanin’Andriamanitra. Velona sy tia antsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Zananilahy, Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.