2010
Eto Am-pihaonana Indray Isika Izao
Nôvambra 2010


Eto Am-pihaonana Indray Isika Izao

Ny asa fitoriana ny filazantsara dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay nomena be dia be.

Sary
President Thomas S. Monson

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, miarahaba anareo tonga soa amin’izao fihaonamben’ny Fiangonana izao izahay, izay re sy hita manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana samihafa. Maneho fankasitrahana ireo rehetra izay misahana ny fikirakirana manahirana mba hahatanteraka ity fotoana lehibe ity izahay.

Hatramin’ny volana Aprily nihaonantsika farany dia mandroso tsy misy sakantsakana ny asan’ny Fiangonana. Tombontsoa lehibe ho ahy ny nanokanako tempoly vaovao efatra. Nanao dia nankany Gila Valley, Arizona; ka hatrany Vancouver, Colombie Britanika; hatrany Cebu City any Philippines; ary Kiev, Ukraine niaraka tamin’ireo mpanolotsaiko sy Manampahefana Ambony hafa aho. Ny tempoly tany amin’ireo toerana tsirairay ireo dia mahafinaritra sy kanto tokoa. Fitahiana eo amin’ny fiainan’ireo mpikambantsika ny tsirairay avy amin’izy ireo ary hitarika ho amin’ny tsara ho an’ireo tsy ao amin’ny finoantsika.

Nanana fahafahana hanatrika fampisehoana ara-kolotsaina izahay ny hariva talohan’ny fanokanana ireo tempoly tsirairay ireo, izay nandraisan’ireo tanora anjara sy ny sasany amin’ireo izay efa tsy dia tanora loatra intsony. Izany fampisehoana izany dia natao tamin’ireny kianja malalaka ireny, ankoatra ny tany Kiev izay natao tao anaty lapa lehibe iray mahafinaritra. Nahavariana tokoa ireo dihy, hira, filalaovana zava-maneno sy ny seho. Maneho ny fankasitrahako sy ny fitiavako ho an’ireo izay nikarakara izany aho.

Fivokisana ara-panahy hatrany ny fanokanana ny tempoly tsirairay. Nahatsapa ny fanahin’ny Tompo izahay tamin’izy rehetra ireo.

Amin’ny volana ambony dia hamerina hanokana ny Tempolin’i Laie Hawaii izahay, iray amin’ireo tempolintsika efa tranainy indrindra, izay nasiam-panavaozana lehibe nandritra ny volana maromaro. Tsy andrinay ny hanatrehana izany fotoana masina izany.

Manohy manangana tempoly isika. Izao maraina izao dia faly aho manambara fa tempoly dimy fanampiny izay efa nahazoana tany dia ho aorina amin’ireto toerana manaraka ireto, amin’ny volana sy taona maro ho avy dia Lisbonne any Portugal, Indianapolis any Indiana, Urdaneta any Philippines, Hartford, Connecticut ary Tijuana any Mexique.

Ny ôrdônansy tanterahina ao amin’ny tempolintsika dia manan-danja tokoa ho an’ny famonjena antsika sy ho famonjena ny olon-tiantsika izay efa nodimandry. Enga anie isika hanohy am-pinoana handeha ho any amin’ny tempoly, izay efa haorina mihamanakaiky kokoa hatrany ireo mpikambantsika.

Ankehitriny, alohan’ny handrenesantsika ireo mpandahateny amin’ity maraina ity, dia tiako ny hilaza zavatra izay akaiky ny foko tokoa ary ilana ny fifantohantsika tsara. Ny asa fitoriana ny filazantsara no tiako resahina.

Voalohany, ho an’ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronan’i Aharôna sy ho an’ireo zatovolahy izay ho lasa loholona dia mamerina izay efa nampianarin’—ireo mpaminany hatry ny ela aho fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana ny filazantsara dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay nomena be dia be. Ry zatovolahy, manentana anareo aho mba hiomananareo amin’ny asa fitoriana. Meteza ho madio sy masina ary mendrika mba hisolo tena ny Tompo. Kolokoloy ny fahasalamanareo sy ny tanjakareo. Halalino ny soratra masina. Mandraisa anjara amin’ny seminera na Institiota amin’ny toerana izay hisian’izany. Fantapantaro ilay boky torolalana ho an’ireo mpitory ny filazantsara atao hoe: Torio ny Filazantsarako.

Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny hananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha-mpitory anareo koa ianareo ary mandray anareo an-tanan-droa ao amin’izany asa izany izahay.

Ary ankehitriny ry rahalahy sy anabavy efa lehibe, mila mpivady maro, maro dia maro kokoa isika. Ho an’ireo mpivady mahatoky manompo ankehitriny na avy nahavita ny fanompoany teo aloha, misaotra anareo izahay tamin’ny finoanareo sy ny fanoloran-tena nasehonareo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanompo an-tsitrapo ianareo ary nahavita tsara sy nahatontosa zavatra tsarabe.

Ho an’ireo izay mbola tsy tonga amin’ny taona hanompoana amin’ny maha-mpivady azy ireo dia manentana anareo aho hiomana dieny izao ho an’izany andro izany, izay hahafahanareo mivady manao izany. Raha misy fahafahana hanao izany, ary raha azo antoka ny fisotroan-dronono, ary hahazoana manao izany ny fahasalamana dia maka fotoana, ilaozy ny trano ary manolora fotoana hanompoana amin’ny fotoana feno. Misy fotoana vitsy eo amin’ny fiainanareo izay hahatsapanareo miaraka ny fanahy sy ny fahafahampo amin’ny fanolorana fotoana feno miaraka entina hanaovana ny asan’ny Tompo.

Ankehitriny ry rahalahiko sy anabaviko, enga anie hahatsapa ny fanahin’ny Tompo isika eo am-pandrenesana ireto Mpanompony mandritra izao roa andro manaraka izao. Izany no fitahiana angatahiko amim-bavaka ho an’ny tsirairay, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Amena.