2010
Ny Fisoronan’i Aharôna
Nôvambra 2010


Ny Fisoronan’i Aharôna

Ny fisoronana izay hazoninareo dia fanomezana miavaka, satria ny mpanome izany dia izy Tompo mihitsy. Ampiasao sy andriano izany, ary aoka ianareo hanana fiainana mendrika an’izany.

Sary
Elder L. Tom Perry

Raha nandray fitenenana aho nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana 25 taona lasa, dia nampiasa sary enti-manampy ny lahateniko izay najoro teo anilako. Sarin’ ny zafikeliko voalohany izany. Vao avy nandray ny fisoronana Aharôna izy ary notendrena ho diakona. Nararaotiko izany fotoana izany mba hanolorako lahateny ho azy mikasika ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny Fisoronana Aharôna.

Hoy aho tamin’ilay zafikeliko:

“Tsy dia mahafaly ahy loatra ireo toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao izay lovainao sy ireo zatovolahy hafa eo am-panombohanareo ny andraikitrareo amin’ny fandrosoana mankany amin’ny dingana mba ho tonga lehilahy. Mino aho, fa izahay zokinareo, izay nanana fahafahana nampiova izao tontolo izao, dia namitaka anareo tokoa satria navelanay ho lasa toy izao ny toetran’ izao tontolo izao. Noho izany dia maro ireo tsy maintsy mifanerasera aminareo, izay tsy notaizana hahatakatra na hanaja ny soatoavina nentim-paharazana. Noho izany dia lasa sarotra sy mahery vaika kokoa ny faneren’ny manodidina.

“Nampidirintsika ao an-tokantrano ny radiô, ny “tourne-disque” sy ny televiziona. Na dia samy afaka manolotra fialamboly mahasoa izy ireo, ny ankamaroan’ireo zavatra izay novokarina mba hohenointsika sy hojerentsika mba hahazoana fahafinaretana dia tsy manana ny kalitao afaka hanome fitarihana sy famporisihana tsara ho an’ ireo zatovolahy. Raha ny marina dia ny ankamaroan’ny zavatra vokarina dia manimba ny saina. Ny fanindrina bokotra iray fotsiny ao amin’ny tokantranonao dia afaka manana hery hanimba ilay fahalalanao ny tsara sy ny ratsy ao anatinao” (“I Confer the Priesthood of Aaron,” Ensign, Nôv. 1985, 46).

Arakaraky ny fiovan’ny zavatra, no mampitoetra azy ireny ho tsy miova—afa-tsy ny teknôlôjia. Te-hanontany ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna aho raha mba fantatr’izy ireo akory hoe inona izany “tourne-disque” izany. Ho anareo izay tsy mahafantatra izany, dia zavatra iray izay natoninay tao amin’ny efitranom-pianakaviana izany ary nalefa mba ahafahanay mihaino hira. Alaivo sary an-tsaina hoe, tsy maintsy mandeha manatona izany izahay, fa tsy hoe lanjaina eny aminay izany na aiza na aiza alehanay.

Nampianatra an’i Terry zafikeliko koa aho, lesona efatra izay mifototra amin’ny tantaran’i Daniela ao amin’ny Testamenta Taloha. Nilaza taminy aho mba (1) hitandro ny vatany ho salama sy madio; (2) hampivelatra ny sainy sy ho tonga olo-kendry; (3) hatanjaka sy handresy ny fakam-panahy ao anatin’ny tontolo iray feno an’izany; ary (4) hatoky ny Tompo, indrindra rehefa mila ny fiarovany ianao.

Nofaranako tamin’ireto ny torohevitro tamin’i Terry: “Ireny tantara ao amin’ny soratra masina ireny dia tsy ho lefin’ny taona mihintsy. Hampientana foana izany rehefa vakianao na amin’ny maha diakona anao na amin’ny maha mpampianatra, na amin’ny maha mpisorona, na amin’ny maha mpitory ny filazantsara, na amin’ny maha mpampianatra isan-tokantrano, na amin’ny maha filohan’ny kôlejin’ny loholona, na rehefa mety zavatra iantsoan’ny Tompo mba hataonao. Hampianatra anao izy ireo mba hanana finoana, herimpo, fitiavana ny namanao, sy fahatokian-tena ary fahatokiana an’Andriamanitra” (Ensign, Nôv. 1985, 46).

Faly aho ankehitriny manao tatitra fa i Terry dia nanaraka ireo torohevitra nomeko azy 25 taona lasa izay. Nandray ny Fisoronana Melkizedeka izy taty aoriana, dia nandeha tamim-pahatokiana nitory ny filazantsara, ary amin’izao fotoana izao dia Filohan’ny Kôlejin’ny Loholona, ary mazava ho azy fa rain’ny tovovavy iray tena mahafinaritra izy.

Betsaka ny fiovana nisy hatramin’izay 25 taona lasa izay. Ny zava-nitranga iray izay nitranga dia maro tamin’ireo zafikeliko no efa lehibe ary samy efa manana ny zanany. Tamin’ity fahavaratra ity dia nanana fahafahana aho nijoro teo amin’ny faribolan’ny mpihazona fisoronana ary nametra-tanana teo ambony lohan’ny zafiafiko tamin’ny nanomezan’ny rainy Fisoronana Aharôna azy. Na dia tsy mitsangana eto akaiko aza ny zafiafiko androany, dia tiako atolotra azy sy anareo zatovolahy mahafinaritra rehetra izay mihazona ny Fisoronana Aharôna ny lahateniko.

Tena fitahiana miavaka ny fandraisana ny Fisoronana Aharôna. Ny tantara dia mirakitra ilay andro malaza izay namerenana tamin’ny laoniny indray ny fisoronana teto an-tany ka nanome ny lehilahy ny zo hiasa amin’ny maha-solontenan’Andriamanitra azy rehefa manatanteraka ireo ôrdônansy masin’ny fisoronana izy ireo. Tamin’ny 5 Aprily 1829 no tonga tao an-tokantranon’i Joseph tao Harmony Pennsylvania i Oliver Cowdery. Nanadihady ny Mpaminany Joseph Smith i Oliver momba ilay asa fandikana an’ilay rakitsoratra taloha, izay ny Bokin’i Môrmôna. Resy lahatra tamin’ny fahamasinan’ilay asa izy ka dia nanaiky ny ho mpitantsoratra mandritra ny famitana ilay fandikan-teny. Nandeha haingana dia haingana ny asa fandikan-teny raha vantany vao nanolo-tena ho mpitantsoratra i Oliver.

Tamin’ny 15 Mey 1829, dia efa tonga tany amin’ny 3 Nefia sahady i Joseph sy i Oliver. Nampangitakitaka azy ireo ny tantaran’ny fitsidihan’ny Mpamonjy izay nitsangana tamin’ny maty tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana sy ny Fampianarany momba ny batisa. Raha namaky 3 Nefia izy ireo dia nanomboka nametram-panontaniana momba ny batisa. Inona no fomba tena marina hanatanterahana ny batisa, ary iza no manana fahefana hanatanteraka izany ôrdônansy masin’ny famonjena izany? Nitady ny valin’izany fanontaniana mikasika ny fotopampianarana fototra izany izy ireo. Nanapa-kevitra ny hitady tamin’ny alalan’ny vavaka izy ireo, ary dia nandeha tany amin’ny toerana iray tsy lavitra izy ireo teo amoron’ny Reniranon’i Susquehanna. Nivavaka sy namboraka ny tao am-pony izy ireo, ary dia nisokatra ho azy ireo ny lanitra. Nisy anjely iray nitonona ho Jaona Mpanao Batisa niseho tamin’izy ireo, ary nilaza tamin’i Joseph sy i Oliver izy fa miasa eo ambanin’ny fahefan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona izay mihazona ny fisoronana avo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72).

“Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ ny anaran’ ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’ i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ ny fanompoan’ ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ ny fibebahana ary ny an’ ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana; ary na oviana na oviana dia tsy hoesorina eto an-tany intsony izany, ambara-panatitry ny zanakalahin’ i Levy fanatitra amim-pahamarinana ho an’ ny Tompo indray” (F&F 13:1).

Taty aoriana, dia nitantara ny zava-niseho tamin’ny alalan’ireto teny ireto i Oliver: “kanefa … eritrereto, eritrereto lalina mandritra ny fotoana fohy, izany fifaliana nameno ny fonay, ny fahatairana nahatonga anay hitsaoka, … rehefa nandray ny Fisoronana Masina teo ambanin’ny tanany izahay” (teny ery ambany ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:71).

Taorian’ny niandrasan’ny zanak’olombelona nandritra ny taonjato maro ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’Andriamanitra, dia naverina indray teto an-tany ny hery sy ny voninahitry ny Fisoronana Aharôna masina. Ao amin’ny fizarana 107 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia mianatra isika hoe nahoana no antsoina hoe Fisoronana Aharôna ity Fisoronana ambany ity:

“Ny fisoronana faharoa dia atao hoe ny Fisoronan’ i Aharôna, satria natolotra an’ i Aharôna sy ny taranany izany, hatrany amin’ ny taranany rehetra mifandimby.

“Ny antony iantsoana azy ho fisoronana ambany dia noho izy fanampin’ ilay ambony na ny Fisoronana Melkizedeka, sy manana fahefana amin’ ny fitantanana ny ôrdônansy ivelany. …

“Ny hery sy ny fahefan’ ny fisoronana ambany, na ny Fisoronana Aharôna, dia ny mihazona ny fanalahidin’ ny fanompoan’ ny anjely sy ny mitantana ireo ôrdônansy ivelany, ny soratry ny filazantsara, ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka, araka ny fanekempihavanana sy ny didy” (F&F 107:13–14; 20).

Tsy ny hery sy ny fahefana mba ho solotenan’ny Tompo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ao amin’ny fisoronana ihany no raisin’ireto zatovolahin’ny Fisoronana Aharôna ireto, fa ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely koa.

Ry zatovolahin’ ny Fisoronana Aharôna, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa voafatotra ny Tompo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana lehibe hitahy ny fiainanareo araka ny fahatokianareo. Raha toa ka mihaino ny feon’ny fampitandremana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo ary manaraka ny fitarihany, dia ho voatahy amin’ny fanompoan’ny anjely ianareo Hitondra fahendrena, fahalalana, hery, ary voninahitra eo amin’ny fiainanareo izany fitahiana izany. Izany dia fitahiana azo antoka nampanantenain’ny Tompo anareo.

Volana vitsivitsy lasa izay dia nanana fahafahana nanatrika ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona tany amin’ny paroasy iray aho. Ilay olona iray izay nitsangana mba hijoro ho vavolombelona dia mpanoro-hevitra tao amin’ny Fisoronana Aharôna. Ny fijoroana ho vavolombelony dia nanome ahy fomba fijery vaovao mikasika ny dikan’izany hoe mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely izany ho an’ny mpihazona Fisoronana Aharôna iray.

Ity mpanoro-hevitra ity dia nilazalaza ny zavatra sasany niainany niaraka tamin’ny Fisoronana Aharôna tao amin’ilay paroasy tamin’io maraina io. Raha handeha hiangona izy dia nahatsikaritra diakona roa nitondra valopy ho an’ny fanatitra fifadian-kanina izay handeha ho any an-tranon’ny mpikambana. Gaga izy nahita ny fomba fitafin’izy ireo izay akanjo fitondra alahady tsara indrindra sy ny fomba nanatanterahan’izy ireo ny andraikiny tamim-pahamendrehana. Avy eo izy dia niaraka tamin’ny mpisorona roa hanatanteraka ny fizarana ny fanasan’ny Tompo tany amin’ny trano natokana ho an’ireo lehilahy sembana ara-batana sy ara-tsaina. Izay no fotoana voalohany nahafahan’ireto zatovolahy roa ireto hitsidika izany trano izany, ary hitan’ny mpanoro-hevitra azy ireo tsara ny fomba feno fanajana sy fikarakarana nanatanterahan’izy ireo ny andraikitry ny fisoronana nanendrena azy ireo.

Avy eo dia nizara zavatra fohifohy niainany ity mpanoro-hevitra ity izay tena nanohina ny fony tokoa, satria ny iray tamin’ireo mpisorona dia nampatsiahy azy ny tena dikan’ny hoe mpanompo marin’i Jesoa Kristy—anjely manompo ara-bakiteny. Ilay tovolahikely mpisorona izay nanolotra ny rano tamin’ny mpiangona dia tonga teo amin’ny lehilahy iray izay toa voan’ny “trisomie”. Ny toe-batan’ilay lehilahy dia tsy nahafahany nandray ilay kaopy avy teo amin’ny fitoeran’izany sy hisotro amin’izany. Napetrany tao amin’ny hatok’ilay lehilahy ny tanany havia mba hahafahany mahazo toerana tsara hahafahany misotro, ary nandray kaopy iray tamin’ny tanany havanana avy teo amin’ny fitoerany izy ary nampiakatra tsimoramora izany teo amin’ny molotr’ilay lehilahy. Nisy fanehoam-pankasitrahana teny amin’ny endrik’ilay lehilahy—fanehoan-javatra avy amin’ny olona iray izay notompoin’ny olona iray hafa. Avy eo ity mpisorona kely mahafinaritra ity dia nanohy ny andraikiny nizara ilay rano nohamasinina tamin’ireo mpiangona hafa.

Naneho ny zavatra tsapany tamin’izany fotoana tena tsara izany ity mpanoro-hevitra ity tao anatin’ny fijoroany ho vavolombelona. Nilaza izy fa nandatsa-dranomasom-pifaliana mangingina izy, ary nahafantatra izy fa tsara karakara ny Fiangonana manana an’ireto zatovolahy mpihazona ny Fisoronana Aharôna ireto izay mikarakara sy mankatò.

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson indray mandeha: “Omeo zatovolahy iray izay madio ara-pitondrantena sy manatrika ny fivorian’ny Fiangonana amim-pahatokiana aho. Omeo zatovolahy iray izay manandriana ny fisoronany aho sy efa nandray ny mari-pankasitrahana Adidy amin’Andriamanitra ary izay Voromahery ao amin’ny Skoto. Omeo zatovolahy iray izay efa nahazo ny diplaoman’ny seminera aho sy manana fijoroana ho vavolombelona mivaivay momba ny Bokin’i Môrmôna. Omeo zatovolahy toy izany aho, dia homeko zatovolahy izay afaka manatanteraka fahagagana ho an’ny Tompo any amin’ny sahan’ny misiôna ary mandritra ny androm-piainany manontolo ianareo” (Ensign, Mey 1986, 43).

Ry ray aman-drenin’ireto zatovolahy sy zatovovavy mahafinaritra ireto, omenay anareo ny andraikitra masina hampianatra ny zanakareo ny fotopampianaran’ny fisoronana masina. Ny zanakareo dia tsy maintsy mianatra dieny mbola kely momba ny fitahiana azo avy amin’ny fananana ny fisoronana mandrakizain’ny Tompo sy ny zavatra izay tsy maintsy ataon’izy ireo manokana mba hahazoan’izy ireo izany fitahiana izany.

Ry eveka, ianareo dia manana ny fanalahidin’ny fisoronana izay hiahiana ireo zatovolahin’ny Fisoronana Aharôna ireo, sy hiarahana hipetraka amin’izy ireo hanoroana hevitra azy ary hampianarana azy ireo ny andraikiny ao amin’ny fisoronana. Aoka ho azonareo antoka fa ny zatovolahy tsirairay izay mendrika ny handray ny Fisoronana Aharôna dia mahatakatra ny andraikitra sy ny fitahiana izay tonga eo aminy amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy. Ampio izy ireo hianatra hanandriana ny fisoronana ankehitriny amin’ny fanomezana azy ireo andraikitra manan-danja sy amin’ny fanampiana azy ireo hanampy sy hanompo ny hafa.

Ry zatovolahy, manome fanamby anareo mba hanorina ny fiainanareo eo amin’ny fototry ny fahamarinana sy ny fahitsiana aho. Io ihany no fototra izay hahatohitra ny faneriterin’ity fiainana ity ary haharitra hatrany amin’ny mandrakizay. Ny fisoronana izay hazoninareo dia fanomezana miavaka, satria ny mpanome izany dia izy Tompo mihitsy. Ampiasao sy andriano izany, ary aoka ianareo hanana fiainana mendrika an’izany. Tiako ho fantatrareo fa manana fijoroana ho vavolombelona miavaka sy manokana momba ny herin’izany aho. Efa nitahy ny fiainako tamin’ny fomba maro izany.

Manome fanamby anareo ihany koa aho mba hanapa-kevitra androany fa hanaja izany fitahiana lehibe izany ianareo ary hiomana mialoha ny hiroso amin’ny anjara fanompoana tsirairay ao amin’ny Fisoronana Aharôna—diakona, mpampianatra, ary mpisorona. Miomàna ianareo amin’ny fitahiana lehibe handraisana ny Fisoronana Melkizedeka, izay ilainareo raisina amim-pahamendrehana alohan’ny handehananareo hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Ny Tompo dia mila ny fanomananareo tena mba hiasa ho Azy, indrindra amin’ilay andraikitra lehibe izay hanambaranareo ny filazantsarany amin’izao tontolo izao. Mampanantena anareo aho fa raha miomana handray izany Fisoronany masina izany ianareo, dia handrotsaka tanteraka ny fitahiana eo ambony lohanareo Izy. Izany fijoroana ho vavolombelona izany dia apetrako aminareo amin’ny anaran’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.