2010
Inona no Efa Nataonao Tamin’ny Anarako?
Nôvambra 2010


Inona no Efa Nataonao Tamin’ny Anarako?

Ho anontanian’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika isika indray andro any ny tamin’ny nanaovantsika ny Anarany.

Sary
Elder Mervyn B. Arnold

Fony mbola tanora ny Filoha George Albert Smith, dia niseho taminy tamin’ny alalan’ny nofy ny raibeny George A. Smith izay efa maty ary nanontany azy hoe: “Tiako ho fantatra ny zavatra efa nataonao tamin’ny anarako.” Namaly ny Filoha Smith hoe: “Tsy mbola nanao na inona na inona tamin’ny anaranao aho ka mety nahamenatra anao.”1

Isan-kerinandro isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo dia manao fanekempihavanana sy mampanantena fa handray ny anaran’i Kristy eo amintsika, hahatsiaro azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny. Raha manao izany isika, dia ampanantenaina antsika ilay fitahiana faran’izay tsara indrindra—dia ny fiarahan’ny Fanahiny amintsika mandrakariva.2

Tahaka ny naha-tompon’andraikitra an’ny Filoha George Albert Smith ny tamin’ny nanaovany ny anaran’ny raibeny, dia ho anontanian’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika koa isika indray andro any ny tamin’ny nanaovantsika ny Anarany.

Ny maha-zava-dehibe ny fananana anarana tsara dia voalaza ao amin’ny Ohabolana, izay milaza hoe: “Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena”3 ary “Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina!”4

Rehefa nisaintsaina io soratra masina io aho sy ny maha-zava-dehibe ny fananana anarana tsara, dia nitamberina tato an-tsaiko ireo anarana tsara sy lova navelan’ny ray aman-dreniko tamin’ny rahalahiko efatra, ny anabaviko roa ary ny tenako. Tsy nanana ny haren’izao tontolo izao ny ray aman-dreniko, na koa volafotsy sy volamena. Izahay sivy mianadahy dia niaina tao amin’ny efitrano fandriana roa sy efitrano fidiovana iray ary lavarangana natao efitra kely izay natorian’ireo anabaviko. Rehefa nodimandry ireo ray aman-dreniko, dia nivory izahay mpiray tampo mba hizara ireo fananany. Fohy kely ny lisitr’ireo fananana. Ny reniko dia tsy namela afa-tsy akanjo tsara vitsivitsy, fanaka efa nampiasaina, ary zavatry ny tenany manokana. Ny raiko dia namela fitaovana fandrafetana vitsivitsy, basim-borona enti-mihaza efa tranainy, ary zava-madinika hafa. Ny hany mba zavatra nanana ny lanjany ara-bola dia ny trano sy ireo tahiry kely.

Niara-nitomany izahay, naneho fisaorana, tamin’ny fahafantarana fa namela zavatra sarobidy lavitra mihoatra noho ny volafotsy sy ny volamena izy ireo. Nanome anay ny fitiavany sy ny fotoanany izy ireo. Matetika izy ireo no nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara, izay azonay vakiana ankehitriny ao amin’ny diary sarobidin’izy ireo. Tsy dia tamin’ny teny loatra fa tamin’ny alalan’ny ohatra izay nasehon’izy ireo no nampianarany anay ny asa mafy sy ny mba ho mari-toetra ary ny handoa fahafolonkarena feno. Nanorina faniriana lalina tanatinay koa izy ireo ny handrantoanay fianarana, handehananay hitory ny filazantsara, ary ny tena zava-dehibe dia ny hahitanay ny namanay mandrakizay, ny hanambadianay any amin’ny tempoly, ary ny haharetanay hatramin’ny farany. Tena marina fa namela lovan’ny anarana tsara ho anay izy ireo izay tena ankasitrahanay mandrakizay tokoa.

Rehefa nahazo ny zanakalahiny roa ny mpaminany Helamàna sy ny vadiny, dia nantsoin’izy ireo hoe Lehia sy Nefia izany. Nolazain’i Helamàna tamin’ny zanany roalahy ny antony niantsoany azy ireo araka ny anaran’ny roa tamin’ireo razambeny, izay niaina 600 taona talohan’ny nahaterahan’izy ireo. Hoy izy:

“Indro, ry zanako … , efa nomeko anareo ny anaran’ ny ray aman-drenintsika [Lehia sy Nefia] … ary izany no efa nataoko dia rehefa mahatsiaro ny anaranareo ianareo … dia ny hahazoanareo mahatsiaro ny asany; ary rehefa mahatsiaro ny asany ianareo dia ny hahazoanareo mahafantatra fa voalaza ary koa voasoratra fa tsara ireny.

“Noho izany ry zanako, dia mba tiako ny hanaovanareo izay tsara, mba hahazoana milaza ary koa manoratra ny momba anareo, tahaka izay efa nolazaina sy nosoratana momba azy ireo.

“…  mba hahazoanareo manana izany fanomezana sarobidin’ ny fiainana mandrakizay izany.5

Ry rahalahy sy anabavy, afaka 600 taona, ahoana no hahatsiarovana ny anarantsika?

Raha niresaka momba ny fomba ahafahantsika mitondra ny anaran’i Kristy, ka hiaro amin’izany ny anarantsika ho tsara i Môrônia dia nampianatra izy hoe:

 “Ary koa, ta hamporisika anareo aho mba hanatonanareo an’ i Kristy, sy hihazonanareo ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra, ary tsy hikasihanareo ny fanomezana ratsy, na ny zavatra tsy madio. 

“Eny, manatòna an’ i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra.”6

Ao amin’ny bokikely azo avy amin’ny fitaomam-panahy, Ry Tanora Mahereza, dia misy milaza toy izao: “Ny fahafahana misafidy dia fitsipika mandrakizay izay nomen’Andriamanitra, izay ahitana ireo andraikitra ara-môraly amin’ny safidy izay atao. “Na dia malalaka aza [isika] hifidy ho [an’ny tenantsika], dia tsy malalaka [isika] misafidy ny vokatry ny nataon[tsika]. Rehefa manao safidy [isika], dia handray ny vokatr’izany safidy izany.”7

Taoriana kelin’ny nanambadiako an’i Devonna malalako, dia nizara tantara tamiko izy mikasika ny fomba nianarany tamin’ny fahatanorany ity fotopampianarana manan-danja ity dia ny hoe afaka misafidy malalaka isika, kanefa tsy afaka misafidy ny vokatry ny ataontsika. Miaraka amin’ny fanampian’i Shelly zanako vavy, dia tiako ny hizara ny zavatra niainan’ny Rahavavy Arnold:

“Fony aho 15 taona, dia matetika aho no nahatsapa fa be loatra ny fitsipika sy ny didy. Tsy azoko antoka fa ny zatovo tia fahafinaretana dia afaka hankafy ny fiainana ao anatin’ireo fandrarana maro. Fanampin’izany, nametra ny fotoana hiarahako amin’ireo namako ny fandaniako ora maro niasako teo amin’ny toeram-piompian’ny raiko.

“Tamin’ity fahavaratra indray mitoraka ity, dia anisan’ny andraikitro ny miandry ireo ombivavy miraoka ahitra eny an-tendrombohitra mba tsy hamaky ny fefy ho eny amin’ny sahan’ny varimbazaha. Ny fihinanan’ny ombivavy ny varimbazaha mitsiry dia mahatonga azy ireo hizihi-kibo, ary hitarika fahasemporana sy fahafatesana. Nisy ombivavy iray izay, izay niezaka hatrany nampiditra ny lohany teo amin’ny fefy. Indray maraina raha nitaingina ny soavaliko aho nanao ny fisafoana ireo biby fiompy nanaraka ny fefy, dia hitako fa efa vakin’ilay ombivavy ny fefy ary efa tonga eny amin’ny sahan’ny varimbazaha izy. Tao anatin’ny tahotra aho no nahatsikaritra fa efa elaela ihany izy no nihinana tamin’ny varimbazaha satria efa nanomboka nizihi-kibo izy ary sahala amin’ireny sengitry mibotsina ireny. Hoy aho tany an-tsaiko hoe: ‘Tena ombivavy adala ity! Io fefy io anie natao hiarovana anao e! Kanefa dia novakianao izany ary efa maro loatra ny varimbazaha laninao ka izao ny ainao no tandidomi-doza.’’

“Nandeha niverina haingana tany amin’ny toeram-piompiana aho naka ny raiko. Kanefa rehefa niverina izahay, dia efa hitako izy nitsirara maty teo amin’ny tany. Nalahelo mafy aho tamin’ny fahafatesan’izany ombivavy izany. Nomenay tendrombohitra feno ahi-maintso mahafinaritra izy mba horaohany ary fefy hiarovana azy amin’ny varimbazaha mampidi-doza, kanefa dia nopotehiny tamim-pahadalana izany ary nahatonga ny fahafatesany.

“Rehefa nieritreritra ny anjara-toeran’ny fefy aho, dia nahatsapa fa fiarovana izany, tahaka ny didy sy ny fitsipika izay fiarovana napetrak’ireo ray aman-dreny. Ny didy sy ny fitsipika dia natao mba hahasoa ahy. Tsapako fa ny fankatoavana ireo didy ireo dia nanavotra ahy tamin’ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy. Izany fahazavan-tsaina izany dia fotoana nanan-danja lehibe teo amin’ny fiainako.”

Nianatra i Rahavavy Arnold fa ny Raintsika any an-danitra izay tsara fanahy sy hendry ary tia antsika dia nanome ireo didy ho antsika—tsy handrarana antsika, arak’izay ezahin’ny fahavalo hampinoana antsika—fa hitahiana ny fiainantsika sy hiarovana ny anarana tsarantsika ary ho lova ho an’ny taranantsika amin’ny hoavy, tahaka ny nataon’izy ireo tamin’i Lehia sy i Nefia. Tahaka ilay ombivavy izay nandray ny vokatry ny safidiny, ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy mianatra fa ny bozaka dia tsy mba maintso mavana mihitsy any ambadiky ny fefy—ary tsy ho maintso mavana mihitsy izany, fa ny “faharatsiana dia tsy fahasambarana.”8 Isika tsirairay avy dia handray ny vokatry ny safidintsika aorian’ity fiainana ity. Mazava tsara ny didy, fiarovana izy ireo fa tsy fandrarana, ary ny fitahiana mahafinaritra noho ny fankatoavana dia tsy ary ho voatanisa!

Fantatry ny Raintsika any an-danitra fa hanao fahadisoana isika rehetra. Feno fankasitrahana aho noho ny amin’ny Sorompanavotana, izay mamela antsika tsirairay hibebaka, hanamboatra ireo tsy mety mba hahafahantsika ho iray miaraka amin’ny Mpamonjintsika, ary hahatsapa ny fiadanana mamy avy amin’ny famelan-keloka.

Ny Tompo sy Mpamonjy antsika dia manasa antsika isan’andro isan’andro mba hanadio ny anarantsika ary hiverina eo anatrehany. Ny famporisihany dia feno fitiavana sy halemem-panahy. Alaivo sary an-tsaina ny fanehoam-pitiavan’ny Mpamonjy eo am-pamakiako ny teniny manao hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”9

Androany dia tiako ny manolotra anareo tahaka ny fanamby izay natolotry ny “ray aman-dreniko tsongoin’ olom-bolo” tamiko, izay hotsaroana mandrakizay noho ny anarana tsaran’izy ireo izy ireo, ho an’ny tsirairay avy amintsika. Alohan’ny hanatanterahanareo izany, dia alaivo sary an-tsaina ny Mpamonjy mijoro eo akaikinao ary manontany anao: “Hieritreritra izany ve ianao, hiteny izany ve ianao, na hanao izany ve ianao, amin’ny fahafantarana fa eo Izy?” Satria dia tena eo marina Izy. Ny Filoha Monson malalantsika, izay hijoroako ho vavolombelona fa mpaminany, dia matetika milaza ity andinin-tsoratra masina ity rehefa miresaka momba ny Tompo sy Mpamonjy antsika: “Fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko.”10

Amin’ilay andro lehibe sy mahafinaritra izay hijoroantsika eo anoloan’ny Mpamonjy malalantsika hitatitra izay nataontsika ny amin’ny Anarany, dia enga anie isika ho afaka hanambara hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho.”11 “Efa nanome voninahitra ny anaranao aho.” Mijoro ho vavolombelona aho fa Jesoa no Kristy. Ary tena maty Izy mba ho velona isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.