2010
Aoka ho Tonga Fianarana ho an’ny Mino Ianao
Nôvambra 2010


Aoka ho Tonga Fianarana ho an’ny Mino Ianao

Na ny mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno na ny mpikambana dia tokony ho fianarana ho an’ireo mino an’i Jesoa Kristy.

Sary
Elder Russell M. Nelson

Ry rahalahiko malala, vory amin’ny toerana maro manerana an’izao tontolo izao isika anio hariva. Misy ireo mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno miaraka amintsika eto. Tiako ny hanasa azy ireo mba hitsangana. Na ianao “elder” na fiadidian’ny misiôna dia iangaviako hitsangana. Feno fankasitrahana anareo izahay! Misaotra anareo izahay! Tianay ianareo! Afaka mipetraka ianareo izao.

Ilaina averimberina ampahatsiahivina matetitetika ny antony hananantsika mpitory ny filazantsara. Satria izany no didy avy amin’ny Tompo, izay manao hoe:

“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:

“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”1

Izany didy izany dia iray amin’ireo maro izay naverina nohamafisina indray satria naverina tamin’ny laoniny amin’ny fahafenoany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manompo toy ny natao tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao ireo mpitory ny filazantsara ankehitriny. Namaritra ny asan’ireo Apôstôly fahiny sy ireo mpanara-dia hafa ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly taorian’ny asa nanompoan’ny Tompo. Ao no hamakiantsika ny fiovampo mahery vaika sy batisan’i Saoly avy ny Tarsosy,2 izay “nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo”3 teo aloha ary nanenjika ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana vao nitsiry. Avy tamin’izany fiantombohana izany, i Saoly dia lasa Paoly niova fo, iray amin’ireo mpitory ny filazantsaran’ny Tompo lehibe tokoa. Ny toko 15 farany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly dia manao tatitra ny asa fitoriana nataon’i Paoly sy ny namany.

Tao anatin’ny taratasy nosoratany tamin’ny namany atokisany indrindra dia nanoratra tamin’ny Timoty i Paoly hoe: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao, amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”4 Izany torohevitra izany dia manankery ho antsika koa ankehitriny toy ny tamin’izany fotoana izany. Manan-kery ho an’ireo mpitory ny filazantsarantsika izany ary mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra ihany koa. Na ny mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno na ny mpikambana dia tokony ho fianarana ho an’ireo mino an’i Jesoa Kristy.

Mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno

Misy mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, eo ho eo amin’ny 52.000 izay manompo amin’ny misiôna miisa 340 manerana an’izao tontolo izao ankehitriny. Mpino sy mpanompo mahafatra-pon’ny Tompo izy ireo. Ny tanjony dia ny “hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ny Fanomezan’ ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany.”5

Toa an’i Timoty, ny ankamaroan’ireo mpitory ny filazantsara ireo dia zatovolahy avokoa. Vehivavy ny sasany ary olon-dehibe mpivady ny sasany. Tiantsika izy rehetra! Manompo ireo mpitory ny filazantsara mba hitondra fivoarana eo amin’ny fiainan’ireo zanak’Andriamanitra. Izy rahateo no Rain’izy ireo. Tiany ny hitahiana azy ireo amin’ny fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezany dia ny fiainana mandrakizay.6 Koa dia mampianatra izany zavatra izany ireo mpitory ny filazantsara na aiza na aiza toerana hanompoan’izy ireo. Manampy ny olona hampitombo ny finoana ny Tompo izy ireo, hibebaka, ho atao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina, handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ary haharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany. Ny asa sy ny voninahitr’Andriamanitra dia—“ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona,”7—izay asa masina sy voninahitr’ireo mpitory ny filazantsara tsirairay ihany koa.

Mila mpitory ny filazantsara maro kokoa isika—mpitory ny filazantsara mendrika maro kokoa. Nandritra ny fanompoany teto an-tany ny Tompo dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.”8

Nandritra ny fivoriambe tamin’ny maraina dia nanentana ireo zatovolahin’ny Fiangonana tsirairay mba hiomana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny Filoha malalantsika Thomas S. Monson. Manantena aho fa ho ren’ny tokantrano tsirairain’ny Fiangonana izany hafatra izany.

Ampiarahako amin’ny fijoroako ho vavolombelona ny torohevitra mifono fahendren’ny Filoha Monson. Nahita ireo fitahiana azon’ny mpitory filazantsara tsirairay aho ao amin’ny fianakaviako. Hatreto dia tafiakatra hatrany amin’ny 49 ny isan’ireo zanakay, zafikelinay, zafiafinay sy ireo vadiny nantsoina hanompo hitory ny filazantsara, ary tsy hitsahatra ny hitombo izany isa izany. Amin’ny ohatra tsirairay dia hitako ny fivoarana eo amin’ny fahendreny, ny fahamatorany eo amin’ny fandanjalanjany ary ny fitomboan’ny finoan’ireo mpitory ny filazantsara tsirairay. Mirotsaka amin’ny asan’Andriamanitra mba “hanompo Azy amin’ ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjaka rehetra [izy ireo] toy ny nataon’ireo taranaka teo alohany.”9 Nanampy namolavola ny tanjony masina ny asa fitoriana ny filazantsara.

Mpikambana mpitory ny filazantsara

Manan-kery ho an’ireo mpikambana ihany koa ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao.” Maro ireo tsy nanao asa fitoriana, ary mety tsy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno mihitsy. Kanefa ny rehetra dia afaka ny ho mpikambana mpitory ny filazantsara. Izany fomba fiteny izany dia mampatsiahy ahy tatitra tamin’ny zava-nitranga somary mampihomehy iray. Eo amin’ny tany malalaka filalaovana iray ao amin’ny foibe fanofanana ho misiônera dia nisy filazana iray napetaka. Mivaky hoe: “Ho an’ny misiônera ihany!” izany. Ireo olona izay te-hilalao eo amin’izany toerana izany dia mba nametaka filazana vaovao izay nataony. Mivaky toa izao izany: “Ny mpikambana tsirairay dia misiônera!”

Ny mpikambana tsirairay dia afaka ny ho fianarana ho an’ny mino. Ry rahalahy, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika, dia afaka miaina mifanaraka amin’ny fampianarany isika tsirairay avy. Afaka manana “fo sy tanana madio” ianareo. Afaka manana “ny endrik’ Andriamanitra voasokitra teo amin’ ny tarehi[nareo]” ianareo.10 Ho hitan’ireo hafa ny asa soa ataonareo.11 Afaka hamiratra avy amin’ny masonareo ny fahazavan’ny Tompo.12 Ary miaraka amin’izany fahazavana izany dia tsara ho anareo ny miomana amin’ny fanontaniana. Ny Apôstôly Paoly dia nanoro hevitra hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.”13

Aoka ny valinteninareo ho feno hatsaram-panahy sy hitondra fifaliana. Ary aoka ny valinteninareo hanan-danja ho an’izany olona izany. Tsarovy fa zanak’Andriamanitra koa izany olona izany, ary Andriamanitra mihitsy no te-hanome izany olona izany ny fahafahana handray ny fiainana mandrakizay sy hiverina eo Anatrehany indray andro any. Mety ho ianao no hanokatra ny varavarana ho an’ny famonjeny sy ny fahatakarany ny fotopampianaran’i Kristy.14

Aorian’ny valinteny voalohany omenao dia aoka ianao ho vonona hanao ny dingana manaraka. Afaka manasa ny namanao hanatrika ny fiangonana hiaraka aminao ianao. Maro amin’ireo namantsika no tsy mahalala fa afaka miditra ny trano fiangonantsika anie izy ireo. Ny fanasana naroson’ny Mpamonjy ireo izay naniry ny hianatra ny Aminy dia hoe “Avia ary manatona.”15 Hanampy handrava ireo finoanoam-poana diso sy hanampy ireo mpitsidika ho tamàna eo anivontsika ny fanasana azy hiara-hivavaka amintsika amin’ny fivoriam-bavaka Alahady na handray anjara amin’ny asa sôsialy na fiaraha-mientan’ny Fiangonana.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manatòna ireo olona tsy fantatrao ary raiso amin-kafaliana izy ireo. Manehoa hatsaran-toetra maneho finamanana amin’ny olona iray farafahakeliny, izay mbola tsy fantatrao teo aloha isaky ny Alahady. Miezaha hampivelatra ny faribolan’ny finamananao isan’andro eo amin’ny fiainanao.

Afaka manasa ny namana iray hamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. Hazavao azy fa tsy boky misy tantara noforonina na mirakitra tantara izany. Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izany. Ny tanjony dia ny “mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.”16 Misy hery ao amin’ity boky ity izay afaka ny hikitika ny fo sy hanondrotra ny fiainan’ireo mpikatsaka ny fahamarinana amin’ny finiavana. Asao ireo namanao mba hamaky ilay boky miaraka amin’ny vavaka.

Toy izao no nolazain’i Joseph Smith mikasika izany boky sarobidy izany: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny toy izay ao anatin’ny boky hafa.”17 Mampianatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna, ary fitaovana izay entin’Andriamanitra hanatanteraka ny fampanantenany fahiny ny amin’ny hanangonany an’i Isiraely izay niely patrana amin’izao andro farany izao.18

Taona maro lasa izay dia nisy mpiara-miasa roa tamiko—izay mpitsabo mpanampy, ary ny vadiny dia dokotera—nanontany ahy ny antony hiainako fomba fiainana tahaka ny niainako. Novaliako izy ireo hoe: “Satria fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.” Navelako nindramin’izy ireo ny bokiko ary nanasa azy ireo hamaky izany aho. Herinandro taty aoriana dia naveriny ilay boky ary tamim-panajana no nitenenany hoe “misaotra betsaka.”

Hoy aho namaly hoe: “Inona no tianareo lazaina amin’ny hoe misaotra betsaka? Tena valiny tsy mifanaraka amin’ny filazan’ny olona iray izay namaky ity boky ity izany. Tsy namaky izany ianao e? Ento any indray dia vakio izany ary avy eo avereno amiko ny bokiko.”

Nibaboka izy ireo fa namadibadika ireo pejy vitsivitsy fotsiny ka dia nanaiky ilay fanasana nataoko azy ireo. Rehefa niverina izy ireo dia nilaza tamin-dranomaso nanao hoe: “Namaky ny Bokin’i Môrmôna izahay. Fantatray fa marina izany! Te-hahafantatra bebe kokoa izahay.” Nianatra bebe kokoa izy ireo ary tombony ho ahy ny nanao batisa azy ireo.

Fomba iray izay hahafahanao mizara ny filazantsara ihany koa ny fanasana ireo namana hihaona amin’ny mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ao an-tokantranonao. Nantsoina sy nomanina hampianatra ny filazantsara izy ireo. Afaka hanomboka ilay dia hitondra azy any amin’ny famonjena sy ny fisandratana ny namanao, amin’ny fanaovana izany ao an-tokantranonao sy amin’ny fanomezanao toky azy tsy tapaka. Hoy ny Tompo hoe: “Ary antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidiko; fa ny olomboafidiko dia mihaino ny feoko ary tsy manamafy ny fony.”19

Miteny amintsika ny soratra masina hoe: “mbola misy maro eto an-tany … tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”20 Moa ve tsy fahafahana hanao izany izao? Afaka ho tonga ilay mpanara-dia nahitan’izy ireo ny fahamarinana ianareo!

Amin’izao andro mampalaza ny Internet izao, dia misy fomba vaovao sy mampientanentana afaka hanaovana fitoriana ny filazantsara. Afaka manasa ny namanao sy ireo mpifanolobodirindrina aminao hitsidika ny tranonkala vaovao dia ny mormon.org ianao. Raha toa ka manana blaogy ianao na mpandray anjara amin’ny seraseram-pifandraisana amin’ny tranonkala dia afaka mampiditra ny rohy mormon.org amin’ny pejinao. Avy eo dia afaka mamorona pejy milazalaza ny momba ny tenanao manokana ao ianao. Ny filazana ny momba ny tena manokana dia fanehoana ny finoana, ny zavatra niainana ary ny fijoroana ho vavolombelona. Satria vao fomba fiasa vaovao izany dia mbola amin’ny teny Anglisy ny ankamaroan’ireo pejy milazalaza ny momba ny tena manokana ao. Ho avy ny fandikana ireo pejy milazalaza ny momba ny tena manokana amin’ny fiteny hafa.

Tena afaka hitarika amin’ny tsara izany pejy milazalaza ny momba ny tena manokana izany. Roa volana lasa izay dia nisy zatovolahy antsoina hoe Zach—mpianatra taona voalohany ao amin’ny Toeram-pianarana ambony iray—nahita dokam-barotra niresaka ny mormon.org tao amin’ny fahitalavitra tao Baton Rouge, Louisiane. Nitsidika ilay tranonkala izy ary voasarik’ireo pejy milazalaza ny momba ny tena manokan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nisy rohy nampahafantatra azy ny toerana hahafahany manatrika ny fiangonana teo amin’ilay tranonkalantsika. Ny Alahady manaraka dia niakanjo fotsy sy nanao karavato izy ary tonga nanatrika ny fiangonana. Nifankahalala tamin’ireo mpikambana teo amin’ny paroasy izy ary faly nanatrika ny ora telon’ny fivoriana. Nasain’ny mpikambana hisakafo any an-tranon’izy ireo ary nanarak’izany ny fandraisany ny lesona voalohan’ireo mpitory ny filazantsara. Tsy ampy roa herinandro akory dia natao batisa ary noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana izy.21 Tonga soa ianao ry Zach! (Mihaino izy izao.)

Ny mpanara-dia tsirairay an’i Jesoa Kristy izay maneho ohatra tsara dia afaka ny ho tonga mpikambana mahomby amin’ny fitoriana ny filazantsara. Afaka miara-miasa tsara ny mpikambana sy ny mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno hitondra ny fitahian’ny filazantsara ho an’ireo namana sy mpifanolobodirindrina. Maro amin’izy ireo no anisan’ny avy amin’i Isiraely, ary hangonina araky ny fampanantenana ankehitriny. Izany dia isan’ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.22 Tiany raha ho fianarana ho an’ireo mino tokoa isika tsirairay.

Fantatro fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Ity no Fiangonany. Marina ny Bokin’i Môrmôna. Mpandika teny sy mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity i Joseph Smith. Mpaminanin’Andriamanitra ankehitriny ny Filoha Thomas S. Monson. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.