2010
Aza Mandao Azy Mihitsy
Nôvambra 2010


Aza Mandao Azy Mihitsy

Mampanantena anao aho, fa raha misafidy ny tsy ho tafintohina ianao na ho menatra, dia hahatsapa ny Fitiavany sy ny fankasitrahany. Hahafantatra fa ho tonga tahak’Azy ianao.

Sary
Elder Neil L. Andersen

Ry rahalahiko sy ranabaviko manerantany, maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako lalina noho ny finoana sy herimpo hitako eo amin’ny fiainanareo aho. Miaina ao anatin’ny fotoana miavaka tokoa isika—kanefa fotoana manahirana koa.

Mampitandrina Antsika amin’ireo Loza Manambana ny Tompo

Tsy navelan’ny Tompo ho irery isika amin’ny faniriantsika hiverina any Aminy. Mampandria sofina amin’ny Teniny miaro fampitandremana ho antsika amin’ireo loza manambana antsika: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha.”1 “Koa mitandrema fandrao voafitaka ianareo.”2 “Tokony ho mailo sy hitandrina ianareo.”3 “Tandremo fandrao ho … lavo hiala amin’izay iorenanareo.”4

Tsy misy olona afa-miala amin’ny fisarihan’izao tontolo izao. Ny torohevitry ny Tompo no mitarika antsika ho mailo hatrany.

Tsaroanareo ny zavatra niainan’i Jesoa tao Kapernaomy mikasika ny fandavan’ireo mpianatra nanara-dia ny Mpamonjy izay tsy nanaiky fa Zanak’Andriamanitra Izy. Milaza ny soratra masina hoe: “Hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany … no tsy niara-nandeha taminy intsony.”5

Nitodika tamin’ny Roambinifolo i Jesoa no sady nanontany hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”6

Hianareo koa va mba Te-Hiala?

Tato an-tsaiko dia namaly izany fanontaniana izany imbetsaka aho, manao hoe: “Sanatria! Tsy izaho izany! Tsy handao Azy mihitsy aho! Ho eto foana aho!” Fantatro fa toy izany koa no navalinareo.

Kanefa ny fanontaniana manao hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?” dia mampieritreritra antsika amin’ny fahalemena ananantsika. Tsapantsika fa tsy fitsangatsanganana ara-panahy akory ny fiainana. Ny tenin’ny Apôstôly tamin’ny toe-javatra iray hafa dia nanao hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?”7

Miditra ny ranon’ny batisa amim-pifaliana sy amim-pientanentanana isika. Manao famantarana amintsika ny Mpamonjy hoe: “mankanesa aty Amiko”8 ary dia manaiky izany isika, ka nandray ny anarany ho eo amintsika. Tsy misy amintsika izay maniry ity dia ity ho fanandrakandramana fohy ara-panahy, na ho dia haharitra kanefa ho faranana ihany. Ny lalan’ny mpanara-dia dia tsy natao ho fitaka ara-panahy ao am-po. “Dia hoy i Jesoa taminy: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.”9 “Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.”10

Rehefa manaraka ny Mpamonjy isika dia fantatsika fa hiatrika fanamby isika. Raha atrehina am-pinoana ireny traikefa manefy ireny dia hanorim-paka ny fiovampontsika. Raha raisina araka ny fomban’ny tany kosa dia afaka hampanjavona ny lalantsika sy hampalemy ny fanapahan-kevitsika ireo traikefa mitovy ireo. Ireo olon-tiantsika sy ankasitrahantsika sasany dia niala tamin’ny lalana ety sy tery, ary “tsy niara-nandeha Taminy intsony.”

Ahoana no Fomba Hijanonantsika ho Marina?

Ahoana no fomba hijanonantsika ho marina amin’ny Mpamonjy, amin’ny Filazantsarany, ary ireo ôrdônansin’ny Fisoronany? Ahoana no fomba hampitomboantsika ny finoana sy hampatanjaka antsika ka tsy handao Azy?

Hoy i Jesoa hoe: “Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.”11 Mila izany fon-jaza vontom-pinoana izany isika.

Amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany dia “tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina azy [isika], dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”12 Izany no fiovampo mahery vaika.13

Tsapantsika avy hatrany ny antony ilaina ny fiovampo. Teny roa no solom-pamantarana amin’ny loza manambana: dia ny teny tafintohina sy menatra.

Manaova safidy ny tsy ho Tohina

Ho an’ireo izay miahiahy amin’ny maha-masina ny Mpamonjy dia nanontany Jesoa hoe: “Mahatafintohina anareo va izany?”14 I Jesoa dia nampitandrina tao amin’ny fanoharan’ny mpamafy voa hoe: “nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; [kanefa] raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.”15

Ny fanafintohinana dia miseho amin’ny fomba maro ary mahita hirika tsy tapaka hidirana. Ireo olona izay itokisantsika dia nandiso fanantenana antsika. Miatrika fahasahiranana tsy nampoizina isika. Tsy mandeha amin’ny an-tsipiriany araky ny noeritreretintsika ny fiainantsika. Manao hadisoana isika, mahatsiaro tsy mendrika ary miahiahy sao tsy ho voavela heloka. Manontany tena amin’ny fotopampianarana tsy mazava iray isika. Naheno zavatra izay nolazaina teo amin’ny lapihazon’ny Fiangonana 150 taona lasa isika izay tsy mifanentana loatra amin’ny eritreritsika. Tsy norarahiana ny zanatsika. Tsy norarahiana sy tsy nankasitrahana koa isika. Mety ho zava-mitranga an-jatony izany, izay toa tena mitranga amintsika daholo mandritra ny fotoana iray.16

Ao anatin’izany fotoam-pahalementsika izany dia mikatsaka ny hanala ny fampanantenana ara-panahy nataontsika ny fahavalo. Raha toa ka tsy mitandrina isika dia hihemotra amin’ny hatsiaka, toe-tena manafina ny fizahozahoantsika teo aloha, ny fanahintsika toa mbola zaza ary hanadino ilay hafanana, fahazavana nanasitran’ny Mpamonjy.

Rehefa notsaratsaina tsy tamim-pahamarinana i Parley P. Pratt, tamin’ny 1835, ka nitarika henatra sy fahafaham-baraka ho azy sy ny fianakaviany, dia nanoro hevitra azy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ry [Parley], … dingano any izany zavatra izany … [ary] hiaraka aminao Andriamanitra Tsitoha.”17

Tamin’ny 1830, dia natao batisa i Frederick G. Williams, izay mpitsabo malaza iray. Avy hatrany izy dia nanolotra ny talentany sy ny fananany ho an’ny Fiangonana. Tonga mpitondra tato am-piangonana izy. Nanolotra tamin-tsitrapo ny fananany ho an’ny Tempolin’i Kirtland izy. Tamin’ny 1837, rehefa niatrika fahasahiranana vokatr’izany fotoana izany i Frederick G. Williams dia nanao fahadisoana goavana. Nanambara tao amin’ny fanambarana ny Tompo fa “ho alana [aminy] ny toerana nisy [azy] teo aloha [tamin’ny naha-mpitarika azy tato am-piangonana] vokatry ny fandikan-dala[ny].”18

Ny lesona nahafinaritra nianarantsika avy tamin’i Frederick G. Williams dia “na inona na inona fahalemeny manokana, dia nanana tanjaka ara-toetra izy hanavao ny fahitsiany eo anoloan’ny Tompo, ny Mpaminany ary … ny Fiangonana, raha toa ka mora kokoa ny nijanona tao anatin’ny fankahalana mangidy.”19 Tamin’ny lohataonan’ny 1840, dia niseho nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana izy, nangataka famelan-keloka tamim-panetrentena noho ireo toetra nasehony teo aloha, ary naneho ny fahazotoany hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny hoavy. Naroson’i Hyrum Smith mba hodinihana ny zava-nanjo azy ary dia nomena famelan-keloka izy. Maty tamin’ny naha-mpikambana mahatokin’ny Fiangonana azy izy.

Vao tsy ela aho no nihaona tamin’ny filohan’ny Tempolin’i Recife Brésil, izay mitondra ny anarana hoe Fredrick G. Williams. Notantarainy ny fomba nitahian’ny fanapahan-kevin’ny dadan’ny dadan’ny dadabeny ny fianakaviany sy ireo taranaka an-jatony nanaraka.

Manaova Safidy ny tsy ho Menatra

Ny fanafintohinana dia manana namana iray izay manimba atao hoe fahamenarana.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mianatra mahakasika ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina isika. Miresaka momba ireo fanahy andrianina izay “nibosesika hatrany … , namakivaky ilay zavon’ ny haizina, nihazona tamin’ ny anja-by,” mandrapahatongany [teo] ary “[nihinanany] tamin’ ny voan’ ny hazo” ilay fahitana.20

Ilay hazo dia nofaritan’i Nefia ho toy ny “fitiavan’ Andriamanitra,”21 izay mitondra voa “[mameno] fifaliana mitafotafo tokoa ny fanah[y].”22

Taorian’ny nanandramany ilay voa dia nahita “trano iray mijoalajoala sy malalaka [i Lehia] … feno olona ilay trano, … na lahy na vavy; ary miraratra fatratra tokoa ny fomba fitafiany. Ary … dia nanondro … tamin’ ny rantsan-tanana mamingavinga [izy ireo] an’ireo izay nihinana tamin’ny voan’ilay hazo.”23 Nanazava ny anjely fa ny fanesoana, ny fanondroana ary ny rantsan-tanana feno famingavingana dia maneho ny avonavona sy ny fahendren’izao tontolo izao.24

Nolazain’i Nefia mazava fa “tsy noraharahainay izy ireo.”25

Ny mampalahelo dia nisy hafa izay nivadika tamin’ny herimpo nananany. Hoy ny soratra masina hoe: “Ary rehefa avy nanandrana tamin’ ny voan’ ny hazo izy dia nanjary menatra noho ireo izay namingavinga azy; ary dia nianjera tany amin’ ny lalana voarara izy ka very.”26

Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia miavaka amin’izao tontolo izao isika. Mety hisy fotoana hahamenatra antsika manoloana ny fanesoana ary hanilikilika ireo zavatra masina amintsika isika.27 Nanoro hevitra ny Filoha Monson hoe: “Raha toa ka tsy miorim-paka tsara ny fijoroana ho vavolombelona dia ho sarotra aminao ny haharitra amin’ireo fanarabirabiana avy amin’ny fanambin’ny finoana.”28 I Nefia dia nilaza mba “tsy [hiraharaha] azy ireo.”29 Ary i Paoly dia nananatra hoe: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, … Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.”30 Tsy handao Azy na oviana na oviana isika.

Nandritra ny fiarahako tamin’ny Filoha Uchtdorf tany amin’ny faritr’i Eoropa Atsinanana tamin’ny taona lasa dia talanjona aho amin’ny finoana sy herimpo ananan’ireo Olomasina. Nisy mpitarika ao amin’ny fisoronana iray tao Ukraine nilaza taminay fa voantso tao amin’ny fiadidian’ny sampana izy tamin’ny lohataonan’ny 1993, vao enim-bolana taorian’ny batisany. Izany dia mitaky ny fisehoany imason’olona amin’ny finoany ary hanampiany hanoratra ara-dalàna ny Fiangonana ao amin’ny tanànan’i Dnipropetrovsk. Fotoana nanahirana tamin’izany tany Ukraine, ary ny fanehoana am-pahibemaso ny finoana an’i Kristy sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia midika fa hitondra fahasahiranana, ary mety hitarika amin’ny fahaverezan’ny asany amin’ny maha-mpanamory fiaramanidina azy.

Nilaza taminay ilay mpitarika ny fisoronana hoe: “Nivavaka aho ary nivavaka. Nanana fijoroana ho vavolombelona aho ary efa nanao fanekempihavanana. Fantatro ny tian’ny Tompo ho ataoko.”31 Tamin-kerimpo no nandehanan’izy sy vadiny tamim-pinoana tany, tsy nisy henatra ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Izay Omena Be no Takiana be

Mety manontany tena ny sasany hoe: “Moa ve tokony hiavaka amin’ny hafa aho?” “Moa ve tsy afaka ny ho mpianatr’i Kristy aho kanefa tsy mieritreritra firy ny amin’ny fitondrantenako?” “Moa ve tsy afaka ny hitia an’i Kristy aho raha tsy mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?” “Moa ve tsy afaka ny hitia Azy aho kanefa hanao izay tiako atao ny Alahady?” Valiny tsotra no nomen’i Jesoa: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”32

Mety manontany tena ny sasany hoe: “Moa ve tsy misy mpino maro hafa izay tia an’i Kristy?” Ekena fa tena misy! Kanefa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, izay manana fijoroana ho vavolombelona amin’ny Fisiany, tsy avy amin’ny Baiboly ihany, fa avy amin’ny Bokin’i Môrmôna koa; mahafantatra ny Fisoronany izay naverina tamin’ny laoniny teto an-tany; nanao fanekem-pihavanana masina mba hanaraka Azy sy nandray ny fanomezan’ ny Fanahy Masina; notafiana hery tany amin’ny Tempoliny masina ary isan’ireo manomana ny fiverenany amim-boninahitra eto an-tany indray dia tsy afaka ny hampitovy ny tenantsika amin’ireo izay tsy mbola nandray ireo fahamarinana ireo isika. “Fa amin’ izay omena be no takiana be.”33

Nilaza ny Tompo hoe: “Mahazo mifidy ho an’ ny tenanao ianao.”34

Mampanantena anao aho, fa raha misafidy ny tsy ho tafintohina ianao na ho menatra, dia hahatsapa ny Fitiavany sy ny fankasitrahany. Hahafantatra ianao fa ho tonga tahak’Azy.35

Hahatakatra ny zava-drehetra ve isika? Mazava ho azy fa tsia. Ho ajanontsika amin’ny toerana iray ny olana sasany ary hoezahintsika takarina amin’ny fotoana manaraka.

Moa ve ho araky ny tokony ho izy daholo ny zava-drehetra? Tsia. Hanaiky an-tsitrapo ireo zavatra tsy ho voahitsintsika isika ary hamela ny heloky ny hafa izay nandratra antsika.

Moa ve hisy fotoana hahatsapa ho misaraka amin’ireo manodidina antsika isika? Tena hisy izany.

Ho gaga ve isika hahita ny fahatezeran’ ireo olom-bitsy amin’ny Fiangonan’ny Tompo, sy amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanimba ny finoana mbola marefon’ireo malemy?36 Eny. Kanefa izany dia tsy hanakana ny fitomboana na ny hoavin’ny Fiangonana, na hampihemotra ny fandrosoana ara-panahin’ny tsirairay avy amintsika amin’ny maha-mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy antsika.

Aza Mandao Azy Mihitsy

Tiako ny tonon’ity fihirana iray hankafiziko indrindra ity:

“Tolory an’i Jesoa ny fiainanao,

Fa tsy handao anao mandrakizay Izy.

Na manangoly aza i Satana,

Na oviana na oviana, na oviana na oviana,

Na oviana na oviana, tsy ho foiny ianao!”37

Tsy ho tonga eto amin’ity fiainana ity ny fahatanterahana, kanefa mampihatra ny finoana ao amin’ny Tompo Jesoa Kristy isika ary mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika. Nampanantena ny Filoha Monson fa: “Hiaro anao ny fijoroana ho vavolombelona, rehefa voakolokolo tsy tapaka.”38 Handetika ny ara-panahintsika lalina isika, mivoky isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny soratra masina. Matoky ny tenin’ireo mpaminany velona isika izay natolotra hanoro làlana antsika. Mivavaka hatrany hatrany ary mihaino ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina izay hitarika antsika hatrany sy hitondra fiadanana ao amin’ny fanahintsika isika. Na inona na inona sakantsakana mitranga dia mitsangàna, aza mandao Azy na oviana na oviana.

Nanontany ny Apôstôliny ny Mpamonjy: “Hianareo koa va mba te-hiala?”39

Hoy ny navalin’i Petera hoe:

“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

… Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”40

Manana izany fijoroana ho vavolombelona izany koa aho. Izany no zaraiko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.