2016
Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Ethan
April 2016


Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Ethan

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Toy ny hoe nanana fijoroana ho vavolombelona avokoa ny rehetra afa-tsy i Ethan ihany.

“Mihainoa, mihainoa. Hibitsika ny Fanahy Masina. Mihainoa, mihainoa ilay feo tony sy malefaka” (Chants pour les enfants, 56).

Sary
ethans testimony

Nipetraka nanatrika ny fotoana ifanakalozana i Ethan. Nijery an’i Sam izay namany akaiky indrindra nijoro ho vavolombelona izy. Nipetraka teny amin’ny lampihazo i Sarah namany, niandry ny anjarany hanao fijoroana ho vavolombelona. Niresaka mikasika ny asa fanompoana nataony i Sam. Nilaza izy fa manana fijoroana ho vavolombelona momba ny asa fanompoana. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fianakaviana i Sarah. Nijoro ho vavolombelona koa ny mpampianatr’i Ethan. Niresaka mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly izy. Nijoro ho vavolombelona daholo izy ireo fa marina ny Fiangonana. Toy ny hoe nanana fijoroana ho vavolombelona avokoa ny rehetra afa-tsy i Ethan ihany.

“Fijoroana ho vavolombelona mikasika ny inona no ananako?” Nanontany tena i Ethan.

Nieritreritra mikasika ny fotoana nanaovana batisa azy sy ireo namany tamin’ny taona vitsy lasa izy. Rahavavy Calder, izay mpampianatra azy ao amin’ny Kilonga, no nanao ny lahateny momba ny Fanahy Masina.

“Afaka manome anareo fahatsapana mafanafana ao anatin’ny fonareo ny Fanahy Masina. Afaka manampy anareo hahafantatra izay marina Izy,” hoy izy. “Dia toy izany no fomba hahazoanareo fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra inoanareo.”

Niezaka nanao izay tsara i Ethan mba hahatsapany ny Fanahy Masina. Namaky soratra masina sy nivavaka izy. Saingy tsy mbola nahatsapa izany fahatsapana mafanafana resahin’ny olona izany mihitsy izy. Midika ve izany fa tsy nanana fijoroana ho vavolombelona izy?

Niraikitra tao an-dohan’i Ethan io fanontaniana io ny ampitson’izay. Mbola nieritreritra momba izany izy rehefa nanao skateboard izy sy i Sam rehefa nirava avy any am-pianarana. Nanontany tena izy hoe ahoana no fomba hanontaniany izany amin’i Sam.

“Sam a!” hoy i Ethan nanontany nony farany, “natahotra ve ialahy tamin’ilay nijoro ho vavolombelona omaly?”

Niala teo ambony “planche” notaingenany i Sam dia nandeha teo amin’ny bozaka. “Tsy dia natahotra loatra,” hoy izy, sady nipetraka. “Nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho tamin’ny alina niarahan’ny fianakaviana ny sabotsy alina.”

Nankeo akaikiny i Ethan dia nametraka ny skateboard notaingenany teo amin’ny feny. “Fa ahoana anefa no nahafantaranao fa nanana fijoroana ho vavolombelona ianao?

“Nivavaka aho dia nanana fahatsapana tsara momba izany.”

Nanatokatoka tsimoramora ny lohany i Ethan sady nanodina kodiarana iray tamin’ny tanany. Mba te hanana fahatsapana toy izany koa mantsy izy.

Ny alin’io, rehefa maizina sy nangina ny tao an-trano, dia nandohalika teo akaikin’ny fandriany i Ethan mba hivavaka.

“Ray any An-danitra ô!” hoy izy, “mba ampio aho hanana fijoroana ho vavolombelona. Ampio aho hahalala fa marina ny Fiangonana. Fa mpaminany i Joseph Smith. Ary marina ny Bokin’i Môrmôna.”

Niato i Ethan rehefa nisasaka ny vavaka nataony. Nieritreritra nandritra ny minitra vitsy izy. Dia nanontany tena izy hoe: “Efa mahafantatra zavatra ve aho?”

Taorian’izay dia nisy fahatsapana tony sy feno fiadanana tonga teo aminy. Tsy fahatsapana mandoro mafy izany. Kanefa dia fantatr’i Ethan fa ny Fanahy Masina izany.

Nisy eritreritra tonga tao an-tsain’i Ethan hoe: “Fantatro fa mahafantatra aho.” Ary rehefa nieritreritra izany izy dia nahafantatra fa efa nahatsapa izany fahatsapana feno fiadanana izany izy teo aloha.

Isaky ny mamaky ny Bokin’i Môrmôna izy dia nahatsapa fa tsara sy marina izany. Tamin’izay izy dia nahafantatra fa izany fahatsapana izany dia ny Fanahy Masina izay nijoro ho vavolombelona taminy. Tamin’izy nankany am-piangonana dia nahatsapa fa tsara sy mahafinaritra rehefa tonga ao; ny Fanahy Masina ihany koa izany. Hay izy efa nahazo fijoroana ho vavolombelona!

Tsy nila nahafantatra ny zavatra rehetra tamin’izany fotoana izany izy. Kanefa fantany fa tena nisy ny Fanahy Masina ary afaka nanampy azy hampitombo hatrany ny fijoroana ho vavolombelona nananany.

Nanomboka nivavaka indray i Ethan. Fa tamin’izay fotoana izay dia nivavaka izy mba hiteny hoe misaotra.