2016
Fahafahana hanarina ny tsy mety
April 2016


Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Fahafahana hanarina ny tsy mety

Kaylee Baldwin, Arizona, Etazonia

Sary
violin

Nihazona ny lokangako aho tamin’ny fotoana voalohany nahitako azy.

Nitaritarika ny tongony nanakaiky ahy izy raha iny aho hiditra ny toeram-pisakafoana antoandro iny ary nikasokasoka tamin’ny feko ny fitoeran’ny lokangako.

“Lokanga ity e!” Hoy izy rehefa nanakaiky ahy.

“Eny,” hoy aho.

Tsy mbola tena niresaka tamina olona manana fahasembanana aho ka tsy nahafantatra izay zavatra tokony holazaina. Nanaraka ahy teny amin’ny latabatro izy ary nipetraka teo akaikiko, dia nanondro ny fitoeran’ny lokangako.

“Lokanga ity e!” hoy indray izy.

Nosokafako ilay fitoeran’ny lokangako dia lasa nientanentana be izy. Notendreny mafy loatra ireo tadin-donkangako. Niontana ny foko rehefa nalaiko sary an-tsaina hoe simba ny tadin-dokangako anankiray ka dia nohidiko moramora ny fitoeran’ny lokangako. Nofihininy aho talohan’ny nandehanany.

Hitako matetika izy taorian’izay.

Isaky ny mahita ahy izy dia fihininy amin’ny sandriny ny soroko ary orohany eo amin’ny tampon’ny lohako aho.

Nanditra ny fotoana nianarako tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia nanao izay handosirana azy foana aho isaky ny hitako manatona izy. Rehefa hitany aho ka totorany fihina sy oroka mandomando dia iafiko mandritra ny segaondra vitsy izany miaraka amin’ny tsiky tsy sazoka dia lasa mandeha haingana tsy mahavoaka teny aho.

“An, an, an!” hoy aho nimonomonona rehefa hitako nandritra ny fampisehoana nataon’ny rodoben-javamenon’ny sekoly ambaratonga faharoa izy. Taorian’ilay fampisehoana dia nandeha moramora teny amin’ny toerana nijoroako niaraka tamin’ny namako tany ivelan’ny efitrano lehibe fanaovana fampisehoana sy fivoriambe izy.

Nijoro tao aoriako ireo namako rehefa nanatona ahy niaraka tamin’ny tsikitsiky sy ny sandriny mivelatra mba hamihina izy.

“William a!”

Nitodika aho ary nahita vehivavy iray nihazakaza nanatona anay.

“Miala tsiny,” hoy izy sady nohazoniny ny sandrin’i William. Tian’i William ilay lokanga. Niangavy ahy izy mba hitondra azy hanatrika ity fampisehoana ity androany alina. Andao amin’izay handeha sombinaiko a!”

Hatramin’io fotoana io dia tsy tsapako hoe na ny anarany aza tsy fantatro akory. Roa taona talohan’izay no nihaonako tamin’i William saingy nandany fotoana be loatra nitsoahana azy aho ka tsy mba niezaka velively ny tena hahafantatra azy. Rehefa nijery an’i William sy ny reniny lasa nandeha aho dia heniky ny fahamenarana.

Taona maro taty aoriana, taorian’ny nanambadiako dia niteraka zazalahy kely mahafatifaty izay tratran’ny trisomie aho ary nataonay hoe Spencer ny anarany. Matetika aho no mieritreritra an’i William rehefa mijery an’ilay zanako lahy ary manontany tena raha toa i Spencer ka hiaina zavatra tahaka azy. Moa ve hitsoaka azy ny olona satria manorokoroka loatra izy na mamihina mafy loatra? Tsy hahazo aina ve ny namany noho ireo zavatra mametra azy ara-tsaina sy ara-batana?

Tamin’i Spencer feno efa-bolana dia nentiko tany amin’ny hôpitaly teo amin’ny toerana nisy anay izy hamonjy ny fotoana natao tany. Rehefa namoaka azy tao anaty fiara aho dia nahita olona anankiroa nivoaka ny hôpitaly. Tena tsy nino aho fa hay i William sy ny reniny izany.

“William!” Hoy aho niantsoantso rehefa nifanatona izahay sady nidobodoboka ny foko.

“Manahoana!” Nandeha miadana namakivaky ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia izy niaraka tamin’ny tsikitsiky be nandravaka ny endriny. Natolony ny tanany mba handray ny tanako ka nofeheziny tamim-pientanentanana izany.

“Manao ahoana ianao?” Hoy aho nanontany azy.

“Lokanga,” hoy izy, ary hita teny amin’ny masony ny fientanentanana.

Lokanga. Tadidiny koa aho. “Eny,” hoy aho namaly tao anatin’ny fihomehezana miharo tomany, “Nitendry lokanga aho.”

Rehefa niresaka izahay dia nanandratra vavaka ny foko noho ny famindrampo lehibe avy amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana izay nahafantatra fa naniry mafy ny hihaona tamin’i William indray aho. Feno fankasitrahana aho fa nahita ahy Andriamanitra—renim-pianakaviana iray sahirana sy trotrak’ireo olana ara-pahasalamana mahazo ny zanako lahy ary miahiahy ny amin’ny hoaviny—ary nampiaina zavatra iray ahy izay nampahatsiahy ahy fa mahatsiaro antsika Izy.