2016
Na dia saro-kenatra aza ianao
April 2016


Na dia saro-kenatra aza ianao

Matokia ny Tompo dia hitahy anao Izy amin’ireo ezaka ataonao mba hizara ny filazantsara.

Sary
shy missionary

Fony aho filohan’ny misiôna vaovao tao Brésil dia nanao dinidinika niaraka tamin’ny elder vitsivitsy. Nangataka elder iray aho hilazalaza ny momba azy tamiko.

“Saro-kenatra be aho,” hoy izy. Natahotra izy sao dia hanembantsembana ny fahafahany manompo ny fahamenarany.

Nanontany aho hoe: “Mieritreritra ve ianao fa afaka manampy anao ho lasa misiônera tsara ny Tompo na dia izany aza?”

“Mino aho fa afaka manao ny zavatra rehetra ny Tompo.”

“Avelao ary Izy hanampy anao. Afaka manao izany ve ianao?”

“Afaka aho,” hoy izy.

Miaiky aho aloha fa rehefa lasa izy dia nieritreritra aho hoe “Enga anie ka hahomby izany.”

Herinandro maro no lasa dia efa ho avy hanao dinidinika indray ireo misiônera ireo. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nilaza ny naman’ilay elder saro-kenatra hoe: “Filoha a! Tsy fantatro izay nolazainao azy fa tena nanova zavatra tokoa izany. Lasa tena mahay miresaka amin’ny olona izy.” Ka noho izany dia naniry ny hiresaka taminy indray aho.

Rehefa niditra tao amin’ny biraoko izy dia niondrika.

“Manana vaovao tsara maromaro aho,” hoy izy. “Mbola saro-kenatra aho saingy nangataka ny Tompo aho hanampy ahy. Dia nosokafako ny vavako ka nanomboka niteny aho. Dia inona no nitranga hoy ianao? Manao izany foana aho izao. Tsy tadidiko akory aza ny zavatra lazaiko. Ny tena mahatalanjona dia tian’ny olona izany. Mahatsapa ny Fanahy izy ireo. Mahatakatra izay lazaiko sy mitovy hevitra amiko izy ireo.”

Talanjona aho raha nahita ny fiovana nisy teo amin’io misiônera io rehefa nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompo izy. Lasa fitaovana lehibe tamin’ny fitondrana fifaliana teo amin’ny olona maro izy.

Mandresy ny tahotra

Rehefa mizara ny filazantsara isika dia mahatsapa ho matahotahotra indraindray. Saingy araka izay nasehon’ity misiônera saro-kenatra ity dia hitarika antsika ny Tompo raha mahatoky Azy isika. Ny Fanahy Masina dia hanampy antsika hahalala izay tokony holazaina (jereo ny 2 Nefia 32:2–3), ary rehefa mahatsapa ny Fanahy ny olona dia matetika izy ireo no mandray tsara izany. Olona maro no lasa eritreritra mikasika ny zavatra inoantsika ka dia maniry ny hahalala bebe kokoa momba izany.

Fifaliana lehibe

Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa hitarika antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hizara ny filazantsara ny Ray any An-danitra, ka hahatsapa fifaliana lehibe isika ao anatin’izany dingana izany. Raha ny marina, izany fifaliana izany dia tsy hiaraka amintsika amin’izao fotoana izao fotsiny fa any amin’ny tontolo ho avy ihany koa. (Jereo ny F&F 18:16.) Antony tsara iray hanaovanao zavatra tsy dia tena hahazoanao aina izany, na dia saro-kenatra aza ianao.