2016
Misaotra anao noho ny asa fanompoana nataonao
April 2016


Manompo ao amin’ny Fiangonana

Misaotra anao noho ny asa fanompoana nataonao

Ianao dia ohatra tonga lafatra maneho ireo vehivavy izay nifanompo tamin’ny alalan’ny fitiavana sy ny famangiana isan-tokantrano nentanim-panahy efa hatramin’ny andron’i Nauvoo.

Sary
visiting teachers

Tsy fantatro ny anaranao, na hoe firy taona ianao, na ny zavatra hafa mikasika anao. Ny hany fantatro dia mpamangy isan-tokantranon’i Joann ianao, ary mankasitraka amin’ny foko rehetra ny asa fanompoana feno fiahiana nataonao aho.

Fantatro fa ny famangiana rahavavy malaindaina tahaka an’i Joann (novaina ny anarana), izay vinantovaviko, dia tsy mora, indrindra moa fa rehefa tsy dia mandray tsara izay izy, ary tena azoko antoka izany. Tsy azoko antoka aza hoe naniry ny hankanesanao tany izy tamin’ny voalohany. Saingy notantarain’i Joann tamiko fa ianao dia tena namana tokoa ho azy, nitsidika azy mba hamantatra hoe manao ahoana izy ary nanaiky azy tamin’ny naha-izy azy.

Nandritra ireo 19 taona nanambadian’i Joann ny zanako lahy dia izay no fotoana voalohany nilazany fa nanana mpamangy isan-tokantrano izy. Vao haingana izy no nilaza tamiko hoe nitsidika azy tsy tapaka ianao ary tena nihaino azy sy tsara fanahy lalandava. Nilaza izy fa nanampy azy imbetsaka ianao tamin’izy narary ary nanolo-tena mihitsy aza ny hitondra ny zafikelivaviko ho ao amin’ny Zatovovavy.

Nandritra ireo 10 taona lasa dia nipetraka tany amin’ny an-jato kilaometatra niala ny toerana misy anay izy sy ny zanakay lahy ary ny fianakavian’izy ireo. Nivavaka aho ny mba hitiavan’ny olona hafa sy hikarakarany azy ireo tahaka izay ataoko, ary nitalaho tamin-dranomaso tamin’ny Ray any An-danitra aho ny mba hanampian’ny hafa azy ireo tahaka izay ho nataoko raha nipetraka tany akaikin’izy ireo aho. Araka izay nolazain’i Joann dia ianao ilay valin’ny vavaka nataoko.

Na dia tsy mankatò ny Tenin’ny Fahendrena aza i Joann sy ny zanako lahy ary tsy mandeha mivavaka dia mbola olona tsara hatrany izy ireo ary tiany ny zanany. Na izany aza anefa dia tsy nanimba ny fijerinao an’i Joann ny fifohany sigara. Tsy nitsara azy tamin’ny fankanesany na tsia any am-piangonana ianao. Nanjary nahalala azy ianao ary nahafantatra fa reny be fitiavana izy izay naniry ny handehanan’ny zanany vavy tany am-piangonana sy hahazo fijoroana ho vavolombelona. Ary rehefa nandalo fandidiana i Joann dia nitondra sakafo ianao fa tsy nanontany tena hoe sao dia izy ihany no nitondra ny sasany tamin’ireo olany ara-pahasalamana teo amin’ny tenany.

Feno fankasitrahana aho fa ohatra ho an’ny zafikelivaviko ianao. Afaka mankafy anao izy ho toy ny olona iray izay miraharaha ny olona rehetra sy manao ezaka lehibe mba haneho fiahiana amim-pitiavana. Nilaza tamiko izy fa indray andro tamin’ny fotoana tsy nanananao fiara dia nandeha an-tongotra iray kilaometatra sy sasany mahery ianao hankanesana tany an-tranony niaraka tamin’ireo zanakao mbola kely mba hanatitra cookies.

“Nieritreritra anao sy ny mamanao aho dia te hanao zavatra tsara ho anareo—izay fotsiny no antony,” hoy ianao taminy.

Raha mba afaka nilaza taminao mantsy aho hoe tena ankasitrahako ny fahafoizanao tena amin’ny antsonao amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano anao. Ianao dia ohatra tonga lafatra maneho ireo vehivavy izay nifanompo tamin’ny alalan’ny fitiavana sy ny famangiana isan-tokantrano nentanim-panahy efa hatramin’ny andron’i Nauvoo. Naneho izany asa fanompoana sy fitiavana izany ianao tamin’ny alalan’ny fitsidihanao tamim-pitiavana ilay vinantovaviko malaindaina.

Misaotra.