2016
Ny faminaniana sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana
April 2016


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ny faminaniana sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana

Sary
youth and children first presidency message sidebars
Sary
family watching general conference

Naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy ary eto an-tany amin’izao fotoana izao. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia notarihin’ireo mpaminany sy apôstôly velona foana hatramin’izay, izay mandray fitarihana tsy tapaka avy any an-danitra.

Marina koa io lamina masina io fahiny. Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7).

Niteny indray tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Nambarany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith tao anatin’ny fahafenoany ny filazantsara. Naveriny ilay fisoronany masina miaraka amin’ireo fanalahidy ary ny zo sy ny hery rehetra sy ireo anjara asan’ny hery masin’ny fisoronana.

Amin’izao androntsika izao dia omena lalana ireo mpaminany sy apôstôly velona mba hiteny sy hampianatra ary hitarika miaraka amin’ny fahefana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo. Nilaza tamin’ny Mpaminany ny Tompo hoe: “Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko ary tsy manalady ny tenako Aho ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko dia iray ihany izany” (F&F 1:38).

Nomena fahafahana hihaino ny tenin’ny Tompo ho antsika avy amin’ireo mpanompony isika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana indroa isan-taona. Tombontsoa tsy voavidim-bola izany. Saingy ny lanjan’ny fananana izany tombontsoa izany dia miankina amin’ny hoe, moa ve isika mandray ireo teny ireo eo ambany fitarihan’ilay Fanahy izay nanomezana izany an’ireo mpanompo ihany koa (jereo ny F&F 50:19–22). Tsy maintsy mandray fitarihana avy any an-danitra toy ny ataon’izy ireo isika. Ary mitaky avy amintsika io ezaka ara-panahy io ihany koa izany.

“Ataovy izay asa tokony hataonao”

Taona maro lasa izay dia nangatahin’ny iray tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho mba hamaky lahateny hatao amin’ny fihaonambe izay nomaniny ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Tamin’ izany aho dia mbola mpikambana vao haingana tao amin’ny kôlejy. Voninahitra ho ahy ny fananany fahatokiana fa afaka manampy azy aho hitady izay teny tian’ny Tompo holazainy. Nilaza tamiko tamim-pitsikiana izy hoe: “Andran-tsoratra faha-22 an’ilay lahateny ity izao.”

Tsaroako ilay torohevitra nomen’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) be fitiavana sy tsara fanahy ahy tamin’ny fomba hentitra hoe: “Hal a! Raha te handray fanambarana ianao dia ataovy izay asa tokony hataonao.”

Novakiako sy nosaintsainiko ary nentiko am-bavaka izany andran-tsoratra faha-22 izany. Nandalina araka izay azoko natao aho teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Vitako talohan’ny nizaran’io mpikambana tao amin’ny kôlejy io ny lahateniny ny asa tokony hataoko. Tsy fantatro aloha raha nanampy aho saingy fantatro fa niova aho rehefa naheno ilay lahateny nozaraina. Nandray hafatra mihoatra lavitra an’ireo teny novakiako sy nolazainy aho. Nisy dikany lehibe kokoa noho ireo izay novakiko tao anatin’ilay andran-tsoratra ireo teny. Ary toy ny natao ho ahy ilay hafatra sy nifanojo tamin’ny zavatra nilaiko.

Mifady hanina sy mivavaka ireo mpanompon’Andriamanitra mba handray izay hafatra tiany hozarain’izy ireo amin’ireo olona mila fanambarana sy fitaomam-panahy. Ny zavatra nianarako avy tamin’io zavatra niainana io, sy ireo maro hafa mitovy amin’izany, dia hoe mba hahazoana ireo tombontsoa lehibe atolotra avy amin’ny fihainoana ireo mpaminany sy apôstôly velona dia tsy maintsy manao izay anjara ezaka tokony hataontsika isika mba hahazoana fanambarana.

Tia ny olona tsirairay izay mety maheno ny hafany ny Tompo ary mahafantatra ny ao am-pon’ny tsirairay sy ny toe-javatra iainany. Fantany izay fanitsiana sy famporisihana ary fahamarinana ao amin’ny filazantsara tena afaka manampy ny olona tsirairay mba hanao safidy handrosoany eo amin’ilay lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay.

Isika izay mihaino sy mijery ireo hafatra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia indraindray mieritreritra aorian’izany hoe, “Inona no zavatra tena tsaroako?” Ny fanantenan’ny Tompo ho antsika tsirairay avy dia ny hahatonga ny valintenintsika ho hoe: “Tsy hohadinoiko velively ireo fotoana nahatsapako ny feon’ny Fanahy tao an-tsaiko sy tao am-poko izay nilaza tamiko ny zavatra tokony hataoko mba hahafaly ny Raiko any an-danitra sy ny Mpamonjy.”

Afaka mandray izany fanambarana ho an’ny tena manokana izany isika rehefa mihaino ireo mpaminany sy apôstôly ary rehefa miasa ombam-pinoana mba handray izany, toy ny nilazan’ny Filoha Lee ny fahafahantsika mandray izany. Fantatro fa marina izany tamin’ny alalan’ny zavatra niainako sy tamin’ny alalan’ny fijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona.