2016
Fiadanana ao am-poko
April 2016


Fiadanana ao am-poko

Sary
peace in my heart

Fony aho valo taona dia nahita ny Filoha David O. McKay (1873–1970). Tonga mba hanokana trano Fiangonana vaovao tao Palmyra, New York, Etazonia izy. Nandeha namonjy ilay fanokanana ny fianakaviako. Nisy olona maro hafa tonga ihany koa. Samy nientanentana avokoa izahay nahita ny mpaminany!

Tena mbola kely aho ka noho izany dia sarotra ho ahy ny nahita ny zavatra niseho fa takon’ny olona. Saingy mbola nahatsapa ny fitiavan’ny Filoha McKay ihany aho. Nahita ny volofotsiny sy ny tarehiny feno hatsaram-panahy nandritra ny iray minitra monja aho. Nieritreritra aho hoe “Toy izao izany no endrik’izany mpaminanin’Andriamanitra izany.” Efa namaky momba ireo mpaminany tao amin’ny soratra masina aho, fa io no fotoana voalohany nahitako mpaminany na Manampahefana Ambony mivantana. Nahafantatra aho fa hay ny mpaminany dia olona tahaka ny rehetra. Ary tia antsika izy ireo! Ho tsaroako mandrakariva ny fitiavana sy ny fiadanana tsapako tamin’izay andro izay.

Fony aho 11 taona dia niaina zavatra iray hafa izay nanampy ahy hahatsapa fiadanana tao am-poko. Efa ho avy ny fihaonamben’ny tsatòka tamin’izay, ary nihira tao amin’ny amboarampeon’ny tsatòka aho. Nientanentana ery aho! Nanao lobaka fotsy tsara tarehy aho ka dia nahatsapa ho tena niavaka. Nalaina tao amin’ny Jaona 14:27 ny tonon’ny hira nohirainay, izay milaza hoe: “Ny fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao, no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”

Ireo teny ireo dia tena nahakasika ny foko, ka tadidiko izy ireo mandraka ankehitriny. Rehefa nihira ireo tonony ireo aho dia fantatro fa marina izy ireo. Nahatsapa ny Fanahy Masina aho nilaza tamiko fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia manampy antsika hahatsapa fiadanana. Nanomboka tamin’izay, rehefa manana olana aho, dia tonga ato an-tsaiko io soratra masina io ary manome ahy fiadanana. Nitahy ny fiainako manontolo ny fahamarinana nianarako fony aho mbola kely.