2016
Sehatra ho Antsika
April 2016


Sehatra ho Antsika

Notahiana noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena

Sabrina T., São Paulo, Brésil

Sary
young woman with cell phone

Fony aho mbola kely, izaho sy ny fianakaviako dia nandalo fitsapana maro ara-bola izay naharitra mandra-pahafenoko 10 taona. Tsy afaka nahita asa ny raiko, ka noho izany dia nivarotra teny amoron-dalana izy ary zara raha nahazo vola. Nijanona tao an-trano ny reniko mba hikarakara ahy sy ny zandriko lahy.

Saingy na dia nandalo fotoan-tsarotra maro aza izahay dia nanana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fandoavana fahafolonkarena sy ny fanomezana fanatitra hafa. Nandoa fahafolonkarena isam-bolana tamim-pahatokiana izahay dia nanana mandrakariva izay nilainay. Azonay antoka fa notahiana lalandava izahay noho ny hatsaram-panahy tsy manam-petran’ny Tompo sy noho Izy mihazona ny fampanantenany rehefa mankatò ny didiny isika.

Nifarana ihany ny fotoana nitsapana anay teo amin’ny ara-bola nony farany. Ireo fitahiana izay nomen’ny Tompo anay tao anatin’ireo taona vitsy faramparany dia tena nampitolagaga.

Fantatro fa ireo izay mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarena sy mandoa ny fanatitr’izy ireo amim-pitiavana amin’ny fananana tanjona hitahy ny fiainan’ny hafa, dia hanana ny ampy ary mety mbola hisy zavatra tsara kokoa hitranga aza, tahaka izay niseho teo amiko sy ny fianakaviako. Hitombo ireo fitahiana. Fantatro izany. Niainako izany.

Marin-toetra amin’ny zava-drehetra

Alivsi H., Jalisco, Mexique

Any am-piandohan’ny tapa-taona tsirairay avy any an-tsekoly dia mahazo fitaovana maimaimpoana izahay izay ahitana kahie fandraisana an-tsoratra, boky fandaminam-potoana, ary santionana fitaovana samihafa. Tamin’ny taom-pianarana iray izay aho dia nilahatra mba haka ireo fitaovana ho ahy ka nahita fa tena ilaiko tokoa ny fitaovana izay azoko.

Rehefa nifarana ilay tontolo andro dia hitako fa nanome fitaovana roa mitovy izy ireo. Mora dia mora ny niverina nilahatra indray mba hahazoana andiam-pitaovana fanindroany, ka dia nanapa-kevitra ny hanao izany aho. Sady maimaimpoana koa moa ireo zavatra ireo, ary izaho dia nila io fitaovana io.

Nijanona vetivety tao amin’ny trano fivoahana aho, dia nahita finday adinon’ny ankizivavy sasantsasany tao. Iray amin’ireo hiaka farany vao nivoaka izany, ary ny telefaoniko dia vao very herinandro lasa izay. Saingy tsy nieritreritra ny hitazona izany ho ahy akory aho. “Mangalatra izany” hoy aho.

Taorian’izay, rehefa teny an-dalana haka ny fitaovana maimaimpoana fanindroany ho ahy aho dia tsapako fa tsy marin-toetra tahaka ny fitazonana ilay finday ho an’ny tenako ihany koa izany satria tsy maintsy handainga aho dia hilaza hoe tsy mbola nahazo aho teo.

Feno fankasitrahana aho noho io zavatra kely niainako izay nampianatra ahy lesona lehibe io. Naveriko tao amin’ilay trano fivoahana ilay finday ary kahie fandraisana an-tsoratra iray sy boky fandaminam-potoana iray, ary santionana fitaovana iray ihany no nentiko nody, kanefa nanana fahatsapana tsara aho noho izaho niezaka ny ho marin-toetra tamin’ny zavatra rehetra, na dia kely aza izany.