2021
Hafatra feno fanantenana ho an’ireo voafonja
Janoary 2021


Hafatra feno fanantenana ho an’ireo voafonja

Ny fahazavan’ Andriamanitra dia mety ho ampahany amin’ny hoavinao.

Sary
man in prison cell with light shining through window

Sary nataon’i David Green

Taona maro lasa izay, teo am-pitsidihana fonja aho no nihaona tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Eric. Efa 17 taona izy no voafonja. Nandritra io fotoana io, dia ankavitsiana ny fotoana tsy niangonan’i Eric. Nivavaka matetika niaraka tamin’ny hafa izy ary nanampy olona maro hianatra momba ny soratra masina. Rehefa nihaona tamin’i Eric aho dia nanana olana ara-pahasalamana goavana izy. Afaka nifampitafa taminy aho tao amin’ny efitranon’ny hôpitalin’ny fonja.

Rehefa niresaka izahay dia nilaza tamiko i Eric fa tena feno fisaorana izy noho ireo mpikambana maro tao amin’ny Fiangonana izay nanohana azy nandritra ny taona maro. Nizara ny fijoroany ho vavolombelona sy ny finoany an’i Jesoa Kristy izy. Avy eo, tamin’ny feo nibitsibitsika no nilazany fa mbola maro ny andro nahatsapany fa adino sy irery izy. Niresaka nandritra ny fotoana elaela izahay, niara-nivavaka ary nifandao ka lasa mpinamana. Ora vitsy taty aoriana dia reko fa nodimandry i Eric.

Mafy ny fiainana nodiavin’i Eric. Saingy lasa nahafantatra sy nitia ny Ray any An-danitra, an’i Jesoa Kristy ary ny tenany izy. Ary izany no manan-danja. Tsy heveriko ho manan-danja any amin’ny mandrakizay ny toerana na ny fomba nahalalantsika an’i Jesoa. Ny ho manan-danja dia izay nataontsika tsirairay avy tamin’ny fiainantsika taorian’ny nahitantsika Azy.

Tsy ilaina hamaritana ny fiainanao ireo toe-javatra nisy sy safidy izay nitarika tamin’ny fampidirina anao am-ponja. Mety nanao hadisoana ianao, na lehibe izany na kely. Mety nanao heloka bevava indray mandeha na imbetsaka ianao. Izany dia ampahany amin’ny fiainanao taloha, saingy tsy manapa-kevitra ny amin’ny hoavinao ny lasanao. Manana fahefana hanao safidy izay hanasa fahasambarana ianao, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Ny tena maha-ianao anao

Ny Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nitsidika fonja imbetsaka. Izy no nilaza tamiko ity tantara ity.

“Tsaroako ny fotoana voalohany nitsidihako ny fonja teo akaikin’ny toerana nonenako. Rehefa niresaka tamina vondrona mpiray fonja aho dia nahatsapa ho toy ny tao anaty toerana masina, satria fantatro fa maniry mafy ny hiova izy ireo ary hanatona an’i Kristy. Niresaka momba ny maha-izy antsika amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika izahay.

“Tamin’izay aho dia nitantara tamin’izy ireo momba ny zafikeliko vavy roa taona izay nanatona ahy indray andro, sady nitsiky. Nanambara tamim-pahatsorana izy hoe: -Bebe, zanak’ Andriamanitra aho!- Avy eo dia nisy olona niteny tamim-pahanginana hoe: -Manontany tena aho hoe hanao ahoana ny fiainako anio raha nisy nilaza tamiko tamin’izaho mbola kely fa zanak’ Andriamanitra aho.-

“Ny vaovao mahafaly dia hoe zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra,” hoy ny Rahavavy Jones nanohy, “na fony zazakely isika no nahafantatra izany na taty aoriana teo amin’ny fiainana. Tsy misy an’izany hoe efa tara izany velively. Tsy adino ianao. Fantatr’ Andriamanitra ianao. Tia anao Izy. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jesoa Kristy Zanany. Nanao Sorompanavotana ho antsika tsirairay avy Izy. Noho io antony io dia fantatr’i Jesoa tsara ny fiainantsika ary afaka ny ho voavela tanteraka amin’ny fahotantsika isika. Nilaza Izy hoe: -Eny, mety manadino izy ireo kanefa Izaho tsy hanadino anao. … Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao; ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva- (1 Nefia 21:15–16).”

Ny finoana fa ianao sy izay rehetra fantatrao dia zanak’ Andriamanitra dia mety ho loharanon’ny tanjaka anaty. Rehefa manaiky io fahamarinana izany io ary mamela izany hitarika ny fiainanao dia hahita fiadanana lehibe kokoa ianao ka ho tonga ohatra amin’ny tsara ho an’ny hafa.

Manorina fitokisana indray

Sary
hand sending out a dove from window of prison cell

Mety ho sarotra ny mahafantatra hoe iza no itokiana mandritra ny androm-piainana, kanefa afaka matoky mandrakariva ny Rainao any An-danitra ianao. Mampianatra ny soratra masina fa fantatr’ Andriamanitra tanteraka ianao. Tiany ianao ary tsy mahay mandainga Izy.1 Raha sarotra aminao ny matoky ny hafa, anisan’izany Andriamanitra, dia mivavaha momba izany. Anontanio ny Rainao any An-danitra hoe: “Tia ahy ve Ianao? Afaka matoky Anao ve aho?” Dia henoy ny valin-teny. Mety ho tonga toy ny fahatsapana fiadanana na eritreritra tony izany. Mety hitaky fotoana izany. Kanefa hamaly ny vavakao Andriamanitra.

Ankoatra ny fahafantarana hoe iza no azonao itokisana dia zava-dehibe ny hoe lasa olona azo itokisana. Mety tsy hety ho anao ny hifandray amin’ireo izay nanao ratsy anao. Saingy mbola afaka mandinika ireo zava-niseho teo aloha teo amin’ny fomba fijerin’izy ireo ianao, sy mampitombo fangorahana ho azy ireo, ary mivavaka ho azy ireo. Afaka ny misafidy ny ho olona azo itokisana ianao amin’ireo fifandraisana vaovao hovolenao.

Mety hitaky fotoana ela izany dingana izany. Feno fankasitrahana aho noho ity famporisihana avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Manehoa fitiavana hatrany. Miezaha hatrany. Matokia hatrany. Minoa hatrany. Mivoara hatrany. Mamporisika anao ny lanitra anio sy rahampitso ary mandrakizay.”2

Sady mitaiza no voafonja

Mety halaim-panahy hieritreritra ianao hoe tsy afaka ny ho ray aman-dreny mandritra ny vanim-potoana mahavoafonja anao. Tohero izany eritreritra izany. Raha azo atao dia mitadiava fomba hanohanana ny ankohonanao sy ny zanakao.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, ireo mpitarika ny Fiangonana dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fifampianarana ny filazantsara ao amin’ny fianakaviantsika. Manontania tena hoe: “Ahoana no hanampiako ny fianakaviako handray ireo fitahian’ny filazantsara?” Misy hevitra efatra ireto:

  • Afaka mivavaka mandrakariva ho an’ny fianakavianao ianao. Ny vavaka dia karazana hery ara-panahy izay tsy voafetran’ny rindrin’ny fonja na ny elanelan-tany.

  • Raha avela hifandray amin’ny zanakao ianao, dia mitadiava fomba mety hanehoana ny fitiavanao. Ampahafantaro azy ireo ny amin’ireo lesona ara-panahy ianaranao.

  • Miezaha mifandray indray amin’ny namana azo itokisana. Manorena fifandraisana amin’ireo izay mety ho fitaomana tsara ho an’ny fianakavianao.

  • Miovà ho amin’ny tsaratsara kokoa. Ny ezaka rehetra ataonao mba hampivoarana ny tenanao sy handraisana andraikitra noho ireo safidinao dia hanampy anao ny ho tonga ray na reny tsara kokoa.

Mandroso

Ny mpaminanintsika ankehitriny, ny Filoha Russell M. Nelson, dia nilaza fa ny tanjon’izao fiainana izao dia ny miomana hihaona amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. “Ary manao izany isika rehefa mibebaka isan’andro sy mandray ny heriny manadio sy manasitrana ary mampatanjaka,” hoy ny nampianariny. “Avy eo isika dia afaka mahatsapa fiadanana sy fifaliana maharitra, na dia mandritra ny fotoana mampihotakotaka aza.”3

Ny fibebahana dia ampahany manan-danja amin’ny fanasitranana. Manomboka izany rehefa mivavaka amin-kitsimpo amin’ Andriamanitra ianao, ka milaza Aminy izay diso nataonao ary mangataka famelan-keloka Aminy. Hanomboka hahatsapa fiadanana ianao rehefa mianatra bebe kokoa momba ny filazantsara sy manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy. Ireo fahatsapana ireo sy ny fitondrantenanao miova, dia porofo fa manomboka mihasitrana ianao.

Natao hanampy anao handeha amin’ny lalana miverina amin’ Andriamanitra ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana. Afaka miverina any amin’ny Rainao any An-danitra ianao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Na dia mety hahatsapa tena ho voavelan’ Andriamanitra aza ianao alohan’ny hamelan’ny fianakaviana, ny fiaraha-monina na ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany anao, dia aza kivy. Mandrosoa hatrany. Matokia ireo fampanantenan’ Andriamanitra sy ny fotoanany.

Hanampy anao ho sitrana Andriamanitra

Tsarovy fa ny karazana fanasitranana rehetra, anisan’ izany ny fiankinan-doha, ny herisetra, na takaitra hafa, dia mitaky fotoana. Ny Baiboly dia milaza ny tantaran’i Jesoa nanasitrana lehilahy jamba iray izay niverina isan’ambaratongany ny fahitany. Voalohany dia nahita “olona [izy]: fa toa hazo ny fijeri[ny] azy, saingy mamindra.” Avy eo i Jesoa “nametraka tamin’ ny masony indray ny tanany,” ary tamin’izay no nahitan’ilay lehilahy mazava tsara ny zavatra rehetra tamin’ny farany (Marka 8:24–25). Toy izany koa, rehefa nanasitrana vehivavy iray nanana olana teo amin’ny rà i Jesoa dia efa avy nijaly tamin’ny tsy fahasalamana nandritra ny 12 taona izany vehivavy izany (jereo ny Marka 5:25–34). Mampahatsiahy antsika ireo tantara ireo fa ny fanasitranana ara-batana, ara-panahy, ary ara-tsaina dia matetika no mitranga rehefa afaka fotoana elaela. Raha tsapanao fa tsy dia haingana araka ny fanirianao ny fanasitranana anao dia andramo fantarina ireo fahombiazana kely. Mivavaha ary resaho amin’ Andriamanitra ny fihetseham-ponao, ampidiro amin’izany ny fisaorana Azy amin’ny izay mety ho fivoaranao.

Na efa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aza ianao, na mianatra bebe kokoa momba ny filazantsara, na miverina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana, dia fantaro fa miraharaha ny momba anao izahay. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny lasanao, na hatraiza na hatraiza ny lalana manoloana dia afaka ny feno ny fahazavan’Andriamanitra ny hoavinao. Manome tanjaka antsika ny lalan’ny filazantsara. Mampahery antsika izany. Mitarika ho amin’ny fahasambarana bebe kokoa amin’ity fiainana ity sy fifaliana any amin’ny mandrakizay izany.

Fantatry ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao ary tia anao tanteraka Izy ireo. Tsy hahafoy anao velively Izy Ireo. Tsy hanisy ratsy anao na oviana na oviana Izy Ireo. Tsy hanadino anao mihitsy Izy Ireo.