2021
Mitombo ao amin’ny fitsipiky nyfandraisana fanambarana
Janoary 2021


Mitombo ao amin’ny fitsipiky ny fandraisana fanambarana

Mamporisika anareo aho hanao ireo dingana ilaina handrenesana tsara kokoa sy matetika kokoa ny Tompo mba ahafahanareo mandray ny fahazavana tiany omena anareo.

Sary
photograph of small green plant

Sary avy amin’ny Getty Images

Tamin’ny 30 septambra 2017, taorian’ny fivoriana tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, dia nandalo tao amin’ny hôpitaly aho mba hijery ny Loholona Robert D. Hales, mpikambana tao amin’ny kôlejy malalako. Nahiditra hôpitaly izy satria tratran’ny fijanonan’ny fo tampoka andro vitsivitsy talohan’io.

Nahafinaritra ny fitsidihana, ary toa nihatsara ny fahasalamany. Niaina tamin’ny tenany manokana izy, izay famantarana tsara.

Ny alin’io anefa dia niresaka tao am-poko sy tao an-tsaiko ny Fanahy fa tokony hiverina any amin’ny hôpitaly aho ny alahady. Niverina indray izay fahatsapana mahery vaika izay nandritra ny fivoriana alahady maraina tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tsapako fa tokony tsy hisakafo antoandro aho fa hihazakazaka ho eo anilan’ny fandrian’ny Loholona Hales raha vantany vao tapitra ny fivoriana maraina, ary dia nataoko tokoa izany.

Rehefa tonga aho dia hitako fa niharatsy tokoa ny fahasalaman’ny Loholona Hales. Mampalahelo fa nodimandry izy 10 minitra taorian’ny nahatongavako, kanefa feno fankasitrahana aho fa teo anilany niaraka tamin’i Mary vady malalany, sy ny zanak’izy ireo roa lahy rehefa nandao ity fiainana ity izy.

Tena feno fankasitrahana aho noho ireo bitsiky ny Fanahy Masina mamporisika ahy hanao ny zavatra izay mety ho tsy nataoko raha tsy nisy izany. Ary feno fankasitrahana tokoa aho noho ny fisian’ny fanambarana sy noho ny lanitra izay misokatra indray.

Amin’ny ity taona ity dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no ifantohan’ny fandalinantsika manokana sy ny fandalinantsika ao amin’ny kilasy. Ireny “fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy fanambarana nentanim-panahy” ireny dia afaka mitahy ny rehetra izay mandalina azy ireny sy manao asa araka ny torolalana avy amin’ Andriamanitra omen’izy ireny. Manasa ny “olon-drehetra na aiza na aiza hihaino ny feon’ ny Tompo Jesoa Kristy” 1 izy ireny satria “miantefa amin’ny olon-drehetra marina tokoa ny feon’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:2).

Loza, haizina, fitaka

Ireo rivo-mahery ara-batana sy ara-panahy dia ampahany amin’ny fiainana eto an-tany, araka ny nampahatsiahivin’ny valanaretina COVID-19 antsika. Momba ny fotoana mialoha ny Fiavany Fanindroany, dia nanambara mialoha androm-pahoriana lehibe ny Mpamonjy. Hoy Izy: “Hisy mosary sy areti-mandringana ary horohoron-tany amin’ny toerana samihafa” (Joseph Smith—Matio 1:29).

Tsy vitan’ny fahoriana toy izany ihany fa eo koa ny fitomboan’ny haizina sy ny fitaka manodidina antsika. Araka ny nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany hoe: “hitombo ny faharatsiana” alohan’ny fiverenany (Joseph Smith—Matio 1:30).

Nanambatra sy nandrindra tamim-pahombiazana ny tafiny i Satana ary vontom-pahatezerana hanohitra ny asan’ny Tompo sy ireo izay ao anatin’izany. Noho ny fitomboan’ny loza atrehantsika, dia tsy mbola lehibe kokoa noho ny amin’izao ny filantsika fitarihana avy amin’ Andriamanitra, ary tsy mbola maika kokoa noho ny amin’izao ireo ezaka ataontsika mba handrenesana ny feon’i Jesoa Kristy—ilay Mpanalalana, Mpamonjy ary Mpanavotra antsika.

Araka ny nolazaiko fotoana fohy taorian’ny niantsoana ahy ho Filohan’ny Fiangonana dia vonona ny Tompo hanambara ny eritreriny amintsika. Anisan’ny fitahiana lehibe indrindra nomeny antsika izany.2

Amin’izao androntsika izao dia nampanantena Izy hoe: “Raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61).

Fantatro fa hamaly ny fitalahoantsika Izy.

Ny fomba hihainoantsika Azy

Tena ilaina ankehitriny ny fahafantarana ny fomba firesahan’ny Fanahy. Mba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana, sy hahitana valiny, ary handraisana fiarovana sy fitarihana dia tsaroantsika ny maodely napetraky ny Mpaminany Joseph Smith ho antsika.

Voalohany, mandroboka ny tenantsika ao amin’ny soratra masina isika. Manokatra ny saintsika sy ny fontsika amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo fahamarinana ny fanaovana izany. Ny tenin’i Kristy dia “hilaza [amintsika] ny zava-drehetra tokony hataon[tsika] ” (2 Nefia 32:3), indrindra amin’izao vanim-potoana feno ahiahy sy korontana izao.

Dia mivavaka isika avy eo. Ny vavaka dia mitaky fandraisana andraikitra, koa manetry tena eo anatrehan’ Andriamanitra isika, mitady toerana milamina izay ahafahantsika mandeha tsy tapaka, ary mamboraka Aminy ny fontsika.

Milaza ny Tompo hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondòny dia hovohana ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63).

Ny fanakaikezana ny Tompo dia mitondra fampiononana sy fampaherezana, ary fanantenana sy fanasitranana. Noho izany, mivavaka amin’ny anarany isika momba ireo ahiahintsika sy ireo fahalementsika, ireo faniriantsika sy ireo olon-tiantsika, ireo antso ary ireo fanontaniantsika.

Dia mihaino isika avy eo.

Raha mijanona mandohalika isika mandritra ny fotoana kelikely rehefa vita ny vavaka ataontsika, dia ho tonga ao an-tsaintsika ireo eritreritra, sy fahatsapana ary fitarihana. Ny firaketana ireo fahatsapana ireo dia hanampy antsika hahatsiaro izay asa tian’ny Tompo hataontsika.

Rehefa mamerimberina izany dingana izany isika dia “hitombo ao amin’ny fitsipiky ny fandraisana fanambarana”3 araka ny tenin’ny Mpaminany Joseph Smith.

Sary
woman praying in bedroom

Mendrika ny handray fanambarana

Ny fanamafisana ny fahafahantsika mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina sy ny fampitomboana ny fahafahantsika mandray fanambarana dia mitaky fahamendrehana. Ny fahamendrehana dia tsy mitaky fahalavorariana, saingy mitaky ny hiezahantsika ny hanana fahadiovana tsy tapaka izany.

Ny Tompo dia manantena ezaka isan’andro, fanatsarana isan’andro, ary fibebahana isan’andro. Ny fahamendrehana dia mitondra fahadiovana, ary ny fahadiovana dia mahatonga antsika ho mendrika hanana ny Fanahy Masina. Rehefa mandray ny “Fanahy Masina ho mpitari-dalana [antsika isika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57), dia mendrika ny handray fanambarana.

Raha misy zavatra manakana antsika tsy hanokatra ny varavarana mankany amin’ny lalana mankany an-danitra, dia mety mila mibebaka isika. Ny fibebahana dia mamela antsika hanokatra varavarana mba ahafahantsika mandre matetika sy mazava ny feon’ny Tompo.

“Mazava ilay fitsipika,” hoy ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Raha toa misy zavatra eritreretintsika, na hitantsika, na rentsika, na ataontsika ka mampisaraka antsika amin’ny Fanahy Masina, dia tokony hitsahatra ny hieritreritra na hijery na handre na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa ny zavatra iray natao hampiala voly ohatra ka mampihataka antsika amin’ny Fanahy Masina dia azo antoka fa tsy natao ho antsika izany karazana fialamboly izany. Satria tsy afaka mitoetra miaraka amin’ny zavatra kivalavala na mirefarefa amin’ny tany na tsy maotina ny Fanahy dia mazava ho azy fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany”4

Rehefa ampiarahantsika amin’ny fifadian-kanina sy ny fikatsahana amim-pahazotoana, sy ny fandalinana ny soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminany velona, ary ny asa atao any amin’nyny amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ny fahadiovana tsy tapaka sy ny fankatoavana, dia hisokatra ny lanitra. Ny Tompo kosa dia hanatanteraka ny fampanantenany hoe: “hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13).

Mety hila manam-paharetana isika, kanefa Andriamanitra dia hiteny amintsika amin’ny fombany sy amin’ny fotoanany manokana.

Fanahin’ny fahatakarana

Nanambara i Joba hoe: “Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’olombelona sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy” (Joba 32:8). Amin’ity taona vaovao ity dia mamporisika anareo aho hanao ireo dingana ilaina handrenesana tsara kokoa sy matetika kokoa ny Tompo mba ahafahanareo mandray ny fahazavana tiany omena anareo.

Talohan’ny nahafatesan’ny Loholona Hales tamin’io andro ôktôbra 2017 io dia nanomana lahateny fohy ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay tsy afaka nataony izy. Tao anatin’io lahateny io dia nanoratra izy hoe: “Manomana antsika hifanatrika amin’ny Tompo ny finoantsika.”5

Mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra isika rehefa manambara ny eritreriny, ny sitrapony ary ny feony ho antsika Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4). Enga anie isika hanaraka asa ny finoantsika, hiantso Azy, hanana fiainana mendrika ny fitaomam-panahy nampanantenainy, ary hanao asa araka ilay fitarihana izay raisintsika.

Fanamarihana

  1. Teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

  2. Jereo ny Filoha Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95.

  3. Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 132.

  4. David A. Bednar, “That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Liahona, May 2006, 30.

  5. Ao amin’ny Neil L. Andersen, “Ny feon’ny Tompo” Liahona, nôv. 2017, 125.