2021
Manampy ireo ankizy hiomana ho amin’ny batisa
Janoary 2021


Manampy ireo ankizy hiomana ho amin’ny batisa

Afaka manao zavatra ombam-bavaka, amin’ny nahim-po, ary maharitra isika rehefa manampy ny ankizy hanao io dingana io eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Sary
image showing a family, baptism, and confirmation

Sary nataon’i Bryan Beach

Ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana dia dingana lehibe iray mampientanentana ho an’ny ankizy ao amin’ny Fiangonana. Na dia maro aza no miandrandra ireo ôrdônansy ireo, dia mahazatra koa ny mahita ankizy mahatsiaro ho miahiahy na matahotra.

Amin’ny maha-mpanoratra ahy ho an’ny Namana, ilay gazetibokin’ny Fiangonana ho an’ny ankizy, dia naheno tantara maro aho momba ny ankizy matahotra ny tsy ho vonona hanao an’io fanekempihavanana io. Ny sasany matahotra fa tsy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ampy. Ny sasany matahotra ny rano. Ary ny sasany dia mahatsapa ny fanerena tsy hay lazaina mba ho tonga lafatra.

Ireto misy fomba vitsivitsy hanampiana ny zanakareo hahatsapa ho vonona sy matoky tena hanao ny dingan’izy ireo manaraka eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Inio ampianarina

Mora ny mieritreritra ny batisa ho fombafomba mandalo na zavatra iray mitranga rehefa feno valo taona ny zanakao. Saingy raha ny marina, ny batisa dia safidy masina, izay midika fa mila mahatakatra ny antony maha-zava-dehibe izany izy ireo. Rehefa inianao atao ny mampianatra azy ireo dia afaka manampy amin’ny fanaovana ny batisa ho misy heviny kokoa (ary tsy dia mampatahotra loatra) izany. Ampianaro amin’ny fomba hampianaranao olona mianatra momba ny Fiangonana mialoha ny hanaovana batisa azy izy ireo.

Zava-dehibe ho antsika ny mampianatra ny ankizy ny fanekempihavanana hataony amin’ny batisa. Ary ny vaovao tsara dia, tsy zavatra tsy maintsy (na tokony) ezahina atao faran’izay haingana na ao anatin’ny herinandro iray izany. Ny fandalinana tsy tapaka ny filazantsara ao an-tokantranonareo no fomba tsara indrindra hanampiana ny zanakareo hiomana ho amin’ny batisa. Na izany aza, dia misy zavatra vitsivitsy izay tena tokony hifantohana rehefa manakaiky ny batisan’ny zanakareo:

  • Ifanakalozy hevitra amin’ny teny tsotra fa midika hoe mampanantena fa hanaraka an’i Jesoa Kristy izany hoe atao batisa izany.

  • Mamakia momba ny batisa ao amin’ny soratra masina, toy ny Môzià 18:8–10. Hazavao ny andinin-tsoratra masina mba hahatakaran’ny zanakareo azy sy hahafahany mampianatra indray ireo hevitra ireo aminareo. Ohatra, ny zazavavy iray vita batisa vao haingana tany Hawaii, Etazonia, dia namaritra ny hoe “mifampitondra enta-mavesatra” ho “manampy ny tsirairay isaky ny mila fanampiana izy ireo.”

  • Makà antoka ny hiresahana amin’izy ireo momba ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary mizarà zavatra niainanao rehefa notahiana ny fiainanao noho ny Fanahy Masina.

Ny sasany amin’ireo ankizy dia mety miahiahy mikasika ny batisa satria mieritreritra izy ireo fa tsy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ampy. Ampio ny zanakareo hahatsiaro ny fahatsapana tsara tsapan’izy ireo rehefa nanao zavatra tsara, nihira tao amin’ny Kilonga, na niresaka momba ny filazantsara. Amporisiho izy ireo hieritreritra fomba izay hahafantaran’izy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra. Hazavao fa ireo rehetra ireo no fiandohan’ny fijoroana ho vavolombelona ary hitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo rehefa mandeha ny fotoana ka mitohy manao safidy tsara izy ireo.

Ampisehoy izay zavatra hitranga

Raha matahotra ny hatao batisa ny zanakareo, na toa tsy matahotra mihitsy aza, dia mety hanampy ny miresaka momba ny zavatra hitranga. Tsara hanombohana izany ny fanomanana azy ireo amin’ny dinidinika hataon’izy ireo amin’ny evekany na ny filohan’ny sampana. Ny fanampiana ny zanakareo hamaly ny fanontaniana toy ny hoe: “Nahoana no zava-dehibe ny batisa?” sy ny hoe “Inona no dikan’ny hoe mitondra eo aminao ny anaran’i Kristy?” dia afaka manampy azy ireo ho vonona amin’io dinidinika io. Ampio ny zanakareo hahatsiaro fa eo ny eveka hanampy azy ireo ho vonona, fa tsy hanadina na hametraka fanontaniana saro-baliana azy ireo. Ary tsarovy fa afaka manaraka ny zanakareo ao amin’ny dinidinika ianareo, raha irianareo izany.

Ny zavatra iray hafa hanomanana ny zanakareo dia ny zavatra hitranga amin’ny andro hanaovana ny batisa. Asehoy azy ireo ny fomba fitsanganana rehefa ao anatin’ny dobo izy ireo. Azonareo atao mihitsy aza ny manasa ilay mpihazona ny fisoronana izay hanao batisa ny zanakareo mba hanao ny fihetsika amin’ny batisa rehefa mivoaka avy ao anaty rano, dia ho fantatry ny zanakareo hoe toy ny ahoana izany aroboka sy atsangana indray izany. Hazavao ny zavatra hitranga mandritra ny fandraisana ho mpikambana.

Raha matahotra ny hidina anaty rano ny zanakareo, dia diniho ombam-bavaka ny fomba ahafahanareo manampy azy handresy izany tahotra izany rehefa manakaiky ny batisan’izy ireo. Azonareo sy ny zanakareo atao ny mijery olon-kafa atao batisa mba hahitana fa vetivety izy ireo no ao anaty rano. Mety hoe azonareo sy ny zanakareo atao ny manao fanazarana amin’ny fanerena ny oronareo sy ny fampidinana ny tarehinareo ao anaty rano mandritra ny segondra vitsy. Mety misy olona mampianatra ny ankizy hilomano ao amin’ny faritra misy anareo ka mety hanana torohevitra. Na inona na inona ataonareo dia ataovy izay hanaovana izany amin’ny fitiavana sy faharetana.

Arakaraka ny maha-vonona kokoa ny ankizy hahatsapa ny antsipiriany momba ny batisa, no hahafahan’izy ireo mitony sy mifantoka amin’ilay fanekempihavanana ara-panahy izay ataon’izy ireo.

Mifantoha amin’ny fandrosoana, fa tsy amin’ny fahalavorariana

Indraindray, angamba satria miresaka betsaka momba ny toetra manadion’ny batisa isika dia diso hevitra ny ankizy ka mieritreritra fa tokony ho lavorary izy ireo aorian’ilay ôrdônansy. Iray amin’ireo tantara fahita indrindra rentsika ao amin’ny Namana ny fisahotahana iainan’ny ankizy iray rehefa manao fahadisoana voalohany izy ireo taorian’ny fanaovana batisa azy ireo. Ny fifamaliana amin’ny mpiray tampo na fanadinoana raharaha iray dia mahatonga azy ireo hahatsapa ho nandrava mandrakizay ireo fahatsapana tsara!

Amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpitarika antsika, dia zava-dehibe ny manampy ny zanatsika hahatakatra ny fitsipiky ny fibebahana. Moa ve ny zanatsika mahatakatra fa ny fanekena ny fahadisoantsika sy ny fianarantsika avy amin’ireny dia tafiditra amin’ny fomba ianarantsika sy itomboantsika eto an-tany? Moa ve fantatr’izy ireo fa afaka mivavaka mangataka famelan-keloka amin’ny fotoana rehetra izy ireo? Ary rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro izy ireo dia manavao ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa? Mijoroa ho vavolombelona fa ny fahafahana hibebaka dia fitahiana sy fanomezam-pahasoavana iray. Ny batisa dia tsy ny hoe ho tonga lafatra izao ankehitriny izao fa fidirana kosa amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy fanaovana dingana isan’andro ho lasa toa an’i Jesoa Kristy kokoa.

Sary
various people in front of a temple

Fiandohana mahafinaritra

Eo amin’ny toeran’ny fiheverana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho toerana iafarana dia afaka manampy ny zanatsika hahita izany ho fanombohana mahafinaritra isika—fiandohan’ny fiainana vaovao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy izay nanao fanekempihavanana. Na mahatsapa falifaly na mitebiteby na izy roa ny zanakareo dia azonareo atao izay tsy handehanan’izy ireo irery eo amin’izany lalana izany. Rehefa mivavaka, manisy tanjona, ary maharitra isika dia afaka manampy ny zanatsika hahatsapa fifaliana rehefa manao izany dingana hiverenana any amin’ny fonenan’izy ireo any an-danitra izany ny zanatsika.