2021
Manompo ireo voafonja
Janoary 2021


Manompo ireo voafonja

Ny hasarobidin’ny olona dia tsy mihena noho ny heloka bevava.

Sary
collage image showing four different pictures of life in prison

Sary avy amin’ny Getty Images

Amin’izao fotoana izao, dia olona maherin’ny 10 tapitrisa no voatazona any am-ponja na ireo figadrana maneran-tany.1 I Jesoa Kristy, izay tia ny olona rehetra sy mahalala ny zava-manahirana rehetra, dia mangataka antsika mba hanompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra—ao anatin’ izany ireo voafonja. “Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, … oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?

“Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”Matio 25:36–40

Ahoana no ahafahantsika manao ny zavatra nangatahin’ny Mpamonjy ka manompo am-pitandremana ireo voafonja? Ity lahatsoratra ity dia manome fitsipika fototra ho fanombohana. Miresaha ombam-bavaka amin’ireo mpitarika eo an-toerana momba izay zavatra mety sy hendry ho an’ny faritra misy anao.

Mpiray tampo zanak’ Andriamanitra

Na dia tsy mitovy aza ny rafitra momba ny fitsarana, ny fanamby amin’ny fampidirana am-ponja dia mitovy manerana ny firenena sy ny kolontsaina maro. I Doug Richens dia mitantana ny asa fanampiana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana voatana am-ponja. Izy ihany koa dia mifanaraka amin’ireo vondrona finoana sy vondrom-piarahamonina hafa hanampiana ireo izay iantraikan’ny famonjana, na manao ahoana na manao ahoana ny tantaran’izy ireo, na inona na inona firehana ara-pinoan’izy ireo.

“Ny fomba fandraisana mahazatra ireo izay voafonja dia hoe tsy azo itokisana izy ireo, mahery setra ary mampidi-doza”, hoy ny Rahalahy Richens. “Na izany aza, hitako fa tsy toa izany ny ankamaroan’izy ireo. Ny ankamaroany dia manenina amin’ny zavatra nataony. Miezaka ny tsy ho voafehin’ireo safidy ratsy nataony taloha izy ireo ary miezaka ny hiaina fiainana tsara. ”

Any amin’ny firenena sasany, dia ny antsasaky ny olom-pirenena rehetra no manana fianakaviana akaiky voafonja.2 Ireny mpiray tam-po sy ray aman-dreny ary zanaka voafonja ireny, ankoatra ny hoe voafaritry ny fifandraisana eto an-tany, dia samy zanak’ Andriamanitra avokoa.

Ny fitsarana eto an-tany sy ny fitsarana mandrakizay

Na dia mitaky antsika hanao fitsarana aza ny fiainana, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy irery ihany no afaka mitsara olona amin’ny fomba lafatra araka ny toe-javatra niainany sy ny asany ary ny faniriany (jereo ny 1 Samoela 16:7). Io fitsarana lavorary io dia azo antoka fa handinika ireo toe-piainana nahaterahan’ilay olona izay mety ho nahatonga ny fampidirana am-ponja hitranga, toy ny fiainam-pianakaviana tsy milamina, fahantrana nifandimby teo amin’ny taranaka, ary ny kolontsain’ny fampiasana zava-mahadomelina, sns. Ny antony maro hafa dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahafahan’ny olona hanao safidy tsara, ao anatin’ izany ny fahasalamany sy ny toe-piainany.3 Raha toa ka zava-dehibe ho an’ny fiaraha-monina ny fampiharana ny lalàna izay miaro ny fiarahamonina dia afaka manao izany amin’ny fangorahana sy fomba fijery mandrakizay isika, satria mahatsapa fa be dia be ny zavatra tsy takatsika.

“Saintsaino ny mety ho tsapanao raha tsaraina ianao mandritra ny sisa amin’ny androm-piainanao mifototra amin’ny zavatra ratsy indrindra nataonao,” hoy i Tanja Schaffer, mpikamban’ny Fiangonana izay niasa tao amin’ny birao misahana ny lalàna talohan’ny nanorenany vondrona iray mpiaro ny gadra. “Anjaran’ Andriamanitra ny mamela ny olona izay havelany, fa mandidy antsika hamela ny olona rehetra Izy” (jereo ny Matio 18:21–22).

Ny fitsipiky ny fitsarana tonga lafatra ataon’ Andriamanitra dia afaka ihany koa ny ho loharanon’ny fampiononana ho an’ireo niharan’ny heloka bevava. Indraindray ny olona izay mandratra ny hafa no tsy miatrika sazy velively eto an-tany. Mety hijaly ela ireo niharam-boina raha efa tapitra kosa ny fotoam-pamonjana ireo nahavita heloka. Betsaka ny olona voafonja no sady efa niharam-boina no nahavita heloka tamin’ny fotoana samy hafa, izay mampahatsiahy antsika fa ny fiainana dia tranokalam-pifandraisana sy fanapahan-kevitra sarotra izay misy fiantraikany amin’ny hafa. Afaka mahazo fampiononana isika amin’ny fatokiana fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahatakatra izany rehetra izany. Ho lavorary ny fitsarana ataon’Izy Ireo. Ny fanasitranana atolotr’Izy Ireo— ho an’ny tsy manan-tsiny sy ny mibebaka—dia ho feno (jereo ny Apokalypsy 21:4).

Ny ohatra feno fitiavana asehon’ireo mpitarika

Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara momba ny fivoriana iray ka niakanjo fotsy ny olona rehetra nanodidina azy. Nisy ny hira sy ny vavaka, ary sesehena ny fitiavan’ Andriamanitra.4 Mifanohitra amin’ny mety ho sary ao an-tsain’ny ankamaroantsika, tsy fivoriana ao amin’ny tempoly izany. Izany dia fitsidihana fanompoana tao amin’ny fonja iray izay ka akanjo tohitena fotsy no fanamiana mahazatra.

“Miahy izay rehetra voakasiky ny heloka bevava sy fampidirana am-ponja ireo mpitarika ny Fiangonana,” hoy ny Rahalahy Richens, namariparitra ny fomba nanoloran’ny mpitarika iray ny gazetibokin’ny Fiangonana iray ho an’ny olona iray vangiany ao am-ponja isam-bolana. “Mitsidika matetika ireo voafonja izy ireo, manohana ny ankohonan’izy ireo ary mikarakara ireo niharam-boina.”

Ireo fanompoana any amin’ny fonja dia andraikitry ny filohan’ny tsatòka, miara-miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy hamahana ny filàn’ireo ao amin’ny faritra misy azy ireo. Inona no ataon’ireo mpitarika ny tsatòkanao mba hanompoana sy hizarana hafatra mankahery amin’ireo mpikambana voafonja? Any amin’ny toerana sasany, ny mpikamban’ny Fiangonana dia mety hantsoina hitsidika sy hampianatra ny olona voafonja. Ny Rahalahy Richens dia nilaza fa matetika ireo mpikambana antsoina hanolotra fanohanana ireo no mikorontan-tsaina amin’ny voalohany, saingy hitan’izy ireo fa manan-danja ilay antso ka tsy te hisaorana mihitsy izy ireo.

“Fivavahana madio izany,” hoy izy (jereo ny Jakoba 1:27).

Na dia tsy tokony hahatsapa ho voatery hitsidika ireo olona voafonja izay tsy fantatsika aza isika, dia misy fomba hafa ahafahantsika manompo amin’ny fomba azo antoka. Ireto misy vitsivitsy:

  • Ampidiro ao amin’ny vavaka ataonao ny olona voafonja, indrindra ireo izay fantatrao ny anarany. Mahery ny vavaka!

  • Anontanio ireo fonja na figadrana eo an-toerana raha mila fanomezana izy ireo. Ireo asa-tanana toy ny zavatra vita amin’ny ba, ny famakian-teny, ireo tetikasa ara-java-kanto ary ny fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana dia avela atao amin’ny toerana maro.

  • Raha mahalala olona voafonja ianao dia manorata taratasy mankahery azy ireo. Manaova safidy tsy mampidi-doza sy feno fahendrena rehefa mifampiresaka. Manaraha ny Fanahy ary tazony ny fetra azo antoka.

  • Karakarao ireo olona ao amin’ny fianakavian’ireo izay voafonja, indrindra fa ny ankizy—ataovy amin’ny fitiavana, sy fanajana ary fandraisana izany. Aza adino fa amin’ny ankapobeny dia niharam-boina tsy fidiny koa ireo olona ao amin’ny fianakaviany. Ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahafantatra hoe ahoana no fomba tsara indrindra hanompoana ny olona rehetra ao amin’ilay fianakaviana.

Sary
woman sitting on bed and praying

Tsy voafetra ny Fanahy Masina

Mety ho fotoan-tsarotra tokoa eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny famonjana. Saingy tsy manakana ny Fanahy Masina na ny rindrina, na bara, na rojo. Ny vavaka, ny fandalinana soratra masina ary ny fanetrentena dia afaka manasa haingana ny fanatrehany mampionona ao anaty efitranon’ny fonja toy ny aty ivelan’ izany. Noho izany antony izany, ny fonja dia mety ho lasa toeran’ny fahagagana.

I Portia Louder, mpikamban’ny Fiangonana izay manoratra lahatsoratra ao amin’ny internet raha tao am-ponja, dia namariparitra ny fotoany tany am-ponja ho dia sarotra feno finoana sy ny fahafantarana ny tena. “Efa niatrika ady sarotra lehibe aho teo amin’ny fiainako, nefa tsapako fa sitrana tamin’ny alalan’ny fitiavana tsy hay faritana ny tenako,” hoy izy nanoratra. “Na inona na inona fanamby atrehanao izao, na aiza na aiza misy anao eo amin’ny dianao, dia aza milavo lefona!”

I Garff Cannon, izay filohan’ny sampana tao amin’ny fonja iray, dia nitantara ny fomba nanosihan’ny Fanahy azy hiresaka amin-katsaram-panahy tamina lehilahy voafonja iray mafy fo izay nanana fiainana sarotra. “Izay vao nolazainao tamiko teo no teny feno hatsaram-panahy indrindra nolazaina tamiko teo amin’ny fiainako,” hoy izany lehilahy izany. “Tsy tadidiko hoe nisy fotoana niresahana tamiko tamin’ny hatsaram-panahy sy firaharahiana toy izany. Misaotra.” Namarana ny fitsidihana izy ireo tamin’ny vavaka voalohany ren’ity lehilahy ity tao anatin’ny taona maro.

“Eny, tena ao amin’ny trano figadrana ny Fanahy Masina,” hoy ny Rahalahy Cannon. “Misy zanak’ Andriamanitra ao, ary tiany hiverina Aminy izy ireo.”

Andriamanitra dia manao fampanantenana mahery vaika ho an’izay rehetra misafidy ny hanaraka Azy, na any amin’ny Sekoly Alahady na any am-ponja no fotoana voalohany ianarantsika ny momba Azy. Araka ny lazain’ny Ezekiela 36:26 hoe: “homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo.”

Sarotra tokoa ny miverina any amin’ny fiarahamonina

Ny hasarobidin’ny olona dia tsy mihena noho ny heloka bevava (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Moa ve isika mamela ny olona hitombo sy ho voavela heloka?

“Lehibe tokoa ny fahasoavana sy ny famindram-pon’ Andriamanitra,” hoy ny Rahalahy Richens. “Mety hahatsapa tena ho voavelan’ny Tompo indraindray ireo olona voafonja alohan’ny hamelan’ny governemanta, ny fiaraha-monina azy ireo, na ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany mihitsy aza.”

Sarotra ny fiverenana any amin’ny fiarahamonina aorian’ny fanagadrana. Matetika ireo olona nigadra no sahirana amin’ny fahazoana asa na trano. Azontsika atao ny manampy azy ireo hahita fiarovana any amin’ny toerana mahasoa ary hikatsaka fialamboly tsara. Angamba ny zavatra lehibe indrindra azontsika atao dia ny ho namana tsara sy mampahery. Rehefa niresaka momba ny fanavaozana fonja i Joseph Smith fony izy nirotsaka ho filoham-pirenena, dia nampianatra izy fa “ny fahasiahana sy ny fanatokana-monina dia tsy hahavita na inona na inona firy amin’ny fanavaozana ny fironan-dratsy ao amin’ny olombelona toy ny vitan’ny fanazavana sy ny finamanana.”5

Manova zavatra ny fangorahana

Namporisika ireo Olomasina i Joda mba “hanana fangorahana” (Joda 1:22). Ny teniny dia manamafy ny fiangavian’ny Mpamonjy mba hahatsiaro ireo izay any am-ponja. Ahoana ny fomba hamaliantsika ireo fanasana ireo? Andao hanao ezaka hamelomana ireo izay any am-ponja, sy ny ankohonan’izy ireny, miaraka amin’ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra. Afaka manova zavatra ny fangorahantsika.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “World Prison Population List: Eleventh Edition,” National Institute of Corrections, nicic.gov.

  2. Jereo ny “Half of Americans Have Family Members Who Have Been Incarcerated,” Dec. 11, 2018, Equal Justice Initiative, eji.org/news.

  3. Jereo ny “Traumatic Brain Injury in Criminal Justice,” University of Denver, du.edu/tbi.

  4. Fampaherezam-panahy mandritra ny krismasy an’ny departemantan’ny fisoronana sy ny fianakaviana, desambra 2019.

  5. “Joseph Smith as a Statesman,” Improvement Era, May 1920, 649.