2021
Ireo vehivavy sy ny herin’ny fanekempihavanana
Janoary 2021


Ireo vehivavy sy ny herin’ny fanekempihavanana

Afaka mifaly amin’ireo tombontsoa sy hery azo amin’ny alalan’ny fisoronana isika.

Sary
illustration of woman

Sary nataon’i Amber Eldredge

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa misokatra ny lanitra ho an’ireo vehivavy izay efa notafiana ny herin’ Andriamanitra mitobaka avy amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny hisokafan’izany ho an’ireo lehilahy mpihazona fisoronana.

“Mivavaka aho mba ho takatry ny fonareo tsirairay [izany] fahamarinana [izany] satria mino aho fa hanova ny fiainanareo izany,” hoy izy. “Te hamela tsodrano aminareo aho, mba ho takatrareo ilay herin’ny fisoronana izay nampitafiana anareo, ary mba ho ampitomboinareo io hery io amin’ny fampiharanareo ny finoanareo ny Tompo sy ny heriny.”

Nanasa ny vehivavy ato amin’ny Fiangonana ny Filoha Nelson mba “handalina ombam-bavaka” momba ny herin’ny fisoronana ary “hitady ny zavatra izay hoampianarin’ny Fanahy Masina” antsika. Tiako ny nanasan’ny mpaminanintsika velona antsika tsirairay avy mba hianatra sy handray fanambarana ary “hahatakatra sy hampiasa [tsara kokoa] ny hery izay nomena [antsika].”1

Imbetsaka aho nandritra ny fiainako no niaina ireo fitahiana nampanantenaina azo avy amin’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany. Tsy misy hafa amin’izany io fanasana io. Rehefa nieritreritra ny fanasan’ny Filoha Nelson aho dia nitodika tany amin’ny tempoly avy hatrany ny saiko —ilay toerana nanafiana ahy tamin’ny herin’ny fisoronana—ary ny maha-fanomezana izany hery izany nandritra ny androm-piainako. Taona maro vao fantatro ny fomba fisehoan’izany hery izany teo amin’ny fiainako.

Ny herin’ny fisoronana, sahala amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy avy amin’ny fahamarinan’ ny tenantsika manokana. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika tamin’ny Tompo isika, dia manana fahafahana hahazo fanambarana momba ny fiainantsika, momba ny fianakaviantsika, ny asantsika, ny fianarantsika—ny zavatra rehetra itadiavantsika fitarihana. Tsy misy zavatra manan-danja ho antsika ka tsy manan-danja amin’ny Tompo. Ary rehefa manasa ny Fanahy hiaraka amintsika isika dia afaka hahatakatra bebe kokoa ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Arakaraka ny nianarako momba ny herin’ny fisoronana tamin’ny alalan’ny fandalinana sy ny zavatra niainako manokana, no ahatakarako ny maha-manan-danja izany amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Ny herin’ny fisoronana dia manampy antsika handray fanambarana ho an’ireo olantsika isan’andro.

Ao amin’ny antsoko, satria manompo miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronana nomen’ny olona iray izay manana fanalahidy aho, dia imbetsaka no nananako eritreritra na nitenenana tamiko izay zavatra ilain’ny zatovovavy iray na rahavavy iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na ankizy iray ao amin’ny Kilonga horenesina. Fantatro fa tonga ireo teny ireo noho ny fahefan’ny fisoronana nomena ahy rehefa natokana ho amin’izany antso izany aho.

Ao amin’ny fanambadiana, toy ny amin’ny fifandraisana rehetra, ny olona dia mandalo dingana sy fotoam-pianarana sy fitomboana. Nianarako fa rehefa tsaroako hoe iza ny vadiko, iza aho, ary inona no tokony hataonay miaraka amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anay, dia nanova ny foko izany. Ny famehezana anay tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana dia nanome hery sy nanosika anay roa hiray hina kokoa. Rehefa nilaza ny Mpamonjy hoe: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27) dia tsy midika hoe ao amin’ny rafitry ny Fiangonana fotsiny izany. Eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviantsika koa no ilazany izany.

Ary amin’ny maha-reny ahy, dia tadidiko fa niahiahy momba ny zanaka efa lehibe iray izay manao zavatra fantatro fa tsy hahafaly an’io zanaka io aho. Nanaiky ny hiresaka momba ilay olana izahay ka nametraka fotoana hiresahana. Talohan’ny fotoana voatondro hifampiantsoanay an-telefaonina dia nomaniko ny teny hataoko. Fantatro tsara izay holazaiko. Nivavaka aho mba hanana ny Fanahy miaraka amiko. Ny zavatra naloaky ny vavako hatramin’ny niandohan’ny resakay sy nandritra ilay antso dia samihafa tanteraka tamin’izay nokasaiko holazaina. Kanefa izay mihitsy no zavatra nilain’ilay zanako. Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia nampalefaka ny fo sy nanao izay nahitana vahaolana tsara kokoa. Izany no fanehoana ny fiasan’ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainantsika.

Sary
illustration of a couple holding up the walls of their home in a storm

Matetika loatra ny vehivavy no mampitaha ny tenany amin’ny hafa. Saingy tsy misy na iray aza amintsika mahatsiaro ho tsara rehefa mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa. Ny vehivavy tsirairay dia manana fitambarana fahaiza-manao sy talenta miavaka ary izany rehetra izany dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra daholo. Satria tsy mitovy izaho sy ianao—na ny vehivavy rehetra dia tsy misy mitovy—dia tsy mahatonga antsika ho latsa-danja kokoa na manan-danja kokoa izany. Ilaintsika ny mitady ny fanomezam-pahasoavana ananantsika ary mikolokolo azy ireny, mitadidy hoe iza no nanome ireny ho antsika, ary avy eo dia mampiasa izany ho amin’ny tanjony. Rehefa mizara ny fanomezam-pahasoavana ananantsika mba hitahiana ny hafa isika dia miaina ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainantsika isika.

Nanana tombontsoa nihaona tamina vehivavy mahatalanjona maro aho izay maneho finoana sy hery amin’ny alalan’ny ny zavatra ataon’izy ireo. Ny vehivavy dia manome ny talentany sy ny fahaizany amin’ny fomba mahavariana sy isan-karazany. Izy ireo dia mitondra fiovana lehibe amin’ny fiainan’ny manodidina azy—ao amin’ny fianakaviany, ny toeram-piasany, ny fiangonana, ny sekoly, na amin’ny toerana hafa handaniany ny fotoanany.

Iray amin’ireo zavatra nianarako momba ny fisoronana ny hoe tsara indrindra ny ataontsika rehefa mifampiankina isika rehefa miasa. Izany no fomba nandrafetan’ny Tompo izany. Izany no lamin’ Andriamanitra. Tsy mila mifaninana isika satria ilaina ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ary fahaiza-manao samihafa ireo—avy amin’ny lahy sy vavy. Ny Tompo dia mitarika antsika moramora eo amin’io lalana io mba hahafahantsika rehetra mahatakatra tsara kokoa ny fomba hiarahana miasa sy ny fomba hanomezan-danja ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay. Izany tokoa no fomba tsara indrindra hanatanterahana ny asany.

Tsy mila miandry olona ny vehivavy hilaza aminy izay tokony hatao amin’ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta ary ny hery ananany. Manana fahafahana handray fanambarana ho an’ny tenantsika isika. Tsy tokony hiandry hetsehina isika; mila manana herimpo isika hanaovana asa araka ny fanambarana izay raisintsika. Ny fikatsahana fitaomam-panahy sy ny fanaovana asa mifanaraka amin’izany fitarihana ara-panahy izany no porofo fa misintona ny herin’ny fisoronana izay nampanantenaina fa ho amintsika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’Andriamanitra isika.

Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson hoe: “Inona no mety ho afaka mampientanentana kokoa noho ny miasa miaraka amin’ny Fanahy mba hahatakarana ny herin’ny fisoronana - ny herin’Andriamanira?” Nampanantena izy fa: “Rehefa mitombo ny fahatakaranao ary mampihatra finoana ny Tompo sy finoana ny herin’ny fisoronany ianao, dia hitombo ny fahafahanao manovo amin’io harena ara-panahy izay natolotry ny Tompo io.”2 Ary fantatro fa azo antoka ireo fampanantenana avy amin’ny mpaminany velona ireo.

FANAMARIHANA

  1. Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy”, Liahona, nôv. 2019, 77

  2. Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy”, 79.