2021
Hampitodika antsika rehetra amin’i Jesoa Kristy
Janoary 2021


Hampitodika antsika rehetra amin’i Jesoa Kristy

Dia iray ny fiainana. Afaka manampy ny Liahona.

Sary
line drawing of Liahona

Sarin’ny Liahona nataon’i Beth Whittaker

Tamin’ny fotoan’andron’ny Bokin’i Môrmôna dia nanomana ny Liahona ny Tompo hanampiana an’i Lehia sy ny fianakaviany handroso eo amin’ny dian’izy ireo. Izany dia “kompà … izay nanoro azy ny lalana mahitsy mankany amin’ny tany nampanantenaina” (Almà 37:44).

Tahaka an’i Lehia dia manao dia ihany koa isika. Miaka-midina ny fiainana. Ao ny mamy ary ao ny mangidy. Ny fiadanana sy ny fijaliana. Fa amin’ny zava-drehetra dia misy tanjona masina noho ny fananantsika fahafahana hitovy amin’ Andriamanitra. Tsy tian’ny Raintsika any An-danitra hoe hiverina any Aminy fotsiny isika; Tiany isika ho lasa tahaka Azy kokoa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakalahiny. Indraindray anefa isika dia mila fanampiana.

Eo ambany fitarihan’ireo mpaminany velona, ny gazetiboky Liahona amin’izao androntsika izao dia natao mba hanampiana antsika hahafantatra ny lalana ary ny fomba handehanana eo amin’izany. Ny fianarana sy fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manova antsika. Ary rehefa avy niampita ireo tany foana sy ranomasimbentsika manokana isika dia hahita fa ny fanarahana Azy na tao amin’ny hainandro na ny rivo-mahery dia namela Azy hanefy antsika amin’izay efa fantany hatramin’izay fa azontsika hahatongavana.

Tohizo ny famakiana mba hianarana misimisy kokoa momba ny Liahona vaovao.

Sary
photo collage of eight people

Sarina vehivavy manoratra avy amin’ny Getty Images; sary: laharana faharoa avy ao ambony (ankavia) sy laharana fahatelo avy ao ambony (ankavanana) avy amin’ny Getty Images

Gazetiboky ho an’ny fo sy ny tokantrano tsirairay

Na avy any Slôvenia na Espagne, Madagasikara na Massachusetts ianao, dia natao ho anao ity gazetiboky ity. Na miteny ny fiteny Koreana na Kiribati ianao; na trano biriky na bararata ny fonenanao; na efa 80 taona lasa omaly na vao omaly no nahavitana ny batisanao. Manam-bady, tokan-tena, antitra, tanora—ireto pejy ireto dia miresaka aminao ary ahitana taratra anao. Ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ny traikefanao, ny fianakavian’ny finoana misy anao. Izany no fitahiana lehibe amin’ny fananana gazetiboky maneran-tany iray ho an’ireo olon-dehibe. Mampiray antsika izany ary mampahatsiahy antsika fa mpikambana ao amin’ny fianakaviambe maneran-tany sy fiangonana maneran-tany iray isika.

Koa dia andao hiaraka aminay ary ’ndeha isika rehetra hiara-hanakaiky an’i Jesoa Kristy kokoa. Laharana iray isaky ny mandeha, pejy iray isaky ny mandeha. Miaraka amin’ireo mpaminany sy apôstôly mitarika antsika, ary miaraka amin’ny Mpamonjy be fitiavana manampy antsika. Isika rehetra. Miaraka.

Inona no azo handrandraina avy amin’ny Liahona vaovao.

Hafatra avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly

Sary
First Presidency

Ny gazetiboky Liahona dia hahitana hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka izany dia hivoaka matetika tsy tapaka kokoa. Ireo hafatra ireo, izay hivoaka printy sy ao amin’ny internet dia hampitodika antsika rehetra amin’ny Mpamonjy.

Fitsinjovana bebe kokoa ireo mpikambana

Taloha ny mpikambana sasany dia nandray ny gazetiboky ho an’ny laharana vitsivitsy ao amin’ny taona ihany, miankina amin’ny fitenin’izy ireo. Amin’izao ireo gazetiboky telo maneran-tany an’ny Fiangonana dia hivoaka isam-bolana na isaky ny roa volana amin’ireo fiteny ampiasain’ny 97 isan-jaton’ny mpikambana eo ho eo.

Votoatiny amin’ny endrika nomerika bebe kokoa

Sary
phone screen with Gospel Library

Entina hanampiana anao hahazo ireo votoatiny mitondra aingam-panahy izay irianao dia hanolotra izany bebe kokoa amin’ny fomba maro anirianao izany izahay. Hahita zavatra nohatsaraina bebe kokoa amin’ny endrika nomerika ianao ao amin’ny liahona.ChurchofJesusChrist.org, ao anatin’ireo applications Vivre l’Évangile sy Bibliothèque de l’Évangile, amin’ny alalan’ny mailaka, na amin’ny alalan’ny endri-javatra hafa mbola ho avy.

Fianarana ny filazantsara izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano

Isam-bolana izahay dia hizara zavatra niainana, zavatra azo atao, ary fampianarana hanampiana ireo Olomasin’ny Andro Farany hianatra ny filazantsara ao an-tokantrano ary hampianatra izany amin’ny zanany sy ireo olon-tiany.

Tantara tena nisy avy amin’ny mpikambana tena misy

Sary
girl writing in notebook

Sarina vehivavy manoratra avy amin’ny Getty Images; sary: laharana faharoa avy ao ambony (ankavia) sy laharana fahatelo avy ao ambony (ankavanana) avy amin’ny Getty Images

Eo am-pamakianao ireo zavatra niainana mampahery finoana avy amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao dia hoampatanjahana ihany koa ny finoanao manokana. Ary hahatsiaro ianao fa mpikambana ao amina zavatra mivelatra bebe kokoa noho ny paroasy na sampana misy anao. Zarao ao amin’ny liahona.ChurchofJesusChrist.org ny zavatra niainanao na alefaso mailaka ao amin’ny liahona@ChurchofJesusChrist.org.

Tantara sy hafatra akaiky ny toerana misy anao

Ny Liahona dia mamoaka mihoatra ny laharana 60 karazany arakaraka ny faritra misy izay ahitana pejy notovanina manokana ho an’ny faritra ara-jeôgrafika sy fiteny samihafa. Ireny pejy ho an’ny eo an-toerana ireny dia hampifandray anao amin’ireo Olomasina, mpitarika, ary ireo lahatsoratra avy ao amin’ny faritra misy anao.