2021
Miresaka amintsika Andriamanitra amin’izao.
Janoary 2021


Fototry ny filazantsara

Miresaka amintsika Andriamanitra amin’izao.

Te hanampy antsika ny Ray any An-danitra. Mba mihaino Azy ve isika?

Sary
photo of reenactment of First Vision

Roanjato taona lasa izay dia niseho tamin’ny zatovo iray nantsoina hoe Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mampianatra antsika fahamarinana manan-danja io Fahitana Voalohany io. Mitarika indray ny Fiangonany eto ambonin’ny tany i Jesoa. Misy mpaminany ankehitriny tahaka ny tamin’ny fahiny. Ary fantatr’ Andriamanitra amin’ny anarantsika isika tsirairay avy ary mihaino ny vavaka ataontsika Izy. Voatahy isika rehefa miezaka mandre ny feony isan’andro.

Inona no atao hoe fanambarana?

Rehefa miresaka amin’ny zanany Andriamanitra, dia izany no antsoina hoe “fanambarana.” Misy karazany maro ny fanambarana.

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia rehefa miresaka amintsika manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Afaka mampionona sy mitarika antsika Izy.

Afaka mandray fanambarana ihany koa isika mikasika ny fomba hanampiana ireo izay niantsoana antsika mba hotarihintsika. Ohatra, ny ray aman-dreny dia afaka mandray fanambarana momba ny fianakavian’ izy ireo, ary ny eveka iray dia afaka mandray fanambarana momba ny paroasiny.

Ny mpaminany irery ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo, saingy afaka mivavaka isika tsirairay mba hahafantarana raha toa ka marina izay ampianarin’ireo mpitarika antsika.

Sary
person praying

Sarina ankizivavy iray eo amin’ny dabiliom-piangonana nalain’i Miguel A. Honores Troncosc; sarina vehivavy iray mivavaka nalain’i Catherine Frost; sarina lehilahy iray any anaty ala nalain’i David Winters; Jehovah Keeps a Promise (Mitandrina fampanantenana Jehovah), nataon’i Sam Lawlor

Ahoana no fomba ahafahako manao ireo zavatra takina hahazoana fanambarana?

Afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, manana ny hery rehetra, mahay ny zava-drehetra amin’ny fotoana rehetra isika amin’ny alalan’ny vavaka. Tiany isika hisaotra Azy noho ireo fitahiana, hiresaka Aminy momba ny fiainantsika, ary hangataka Aminy izay ilaintsika. Avy eo dia tokony hohenointsika tsara ireo eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina, izay toy ny iraka avy amin’ny Ray any An-danitra.

Tahaka ny ahoana ny feon’ny fanambarana?

Tsy misy fomba tokana hamaritana ny fanambarana. Miresaka amintsika tsirairay amin’ny fomba izay ho takatsika Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:24). Miaina nofy sy fahitana ny olona indraindray. Saingy matetika kokoa Andriamanitra no miresaka amintsika amin’ny alalan’ny fahatsapana mangina avy amin’ny Fanahy Masina, toy ny hafanana, fiadanana, na fifaliana.

Ao amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity volana ity dia mamaky momba an’i Oliver Cowdery isika, izay nampianarina fa ny fanambarana dia sady tonga ao an-tsaina no tonga ao am-po (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2).

Inona avy ireo karazana ohatra amin’ny fanambarana ao amin’ny soratra masina?

Tantara maro ao amin’ny soratra masina no mamariparitra an’ Andriamanitra miresaka amin’ny vahoakany:

  • Nolazain’ Andriamanitra tamin’i Noa ny fomba hiarovana ny fianakaviany (jereo ny Genesisy 6:17–18).

  • Nankahery ny mpianatra iray nantsoina hoe Stefana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:55).

  • Nanampy an’i Nefia hitandrina ireo didy ny fanambarana (jereo ny 1 Nefia 4:6).

  • Raha toa ka avy amin’ireo rakitsoratra fahiny ny soratra masina hafa, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana kosa dia fitambaran’ireo fanambarana maoderina. Manana fahafahana manokana isika amin’ity taona ity handalinana boky iray feno teny mivantana nataon’ny Tompo.