2021
Sambany nandre ireo ambaratongam-boninahitra telo
Jolay 2021


Avia, hanaraka Ahy

Sambany nandre ireo ambaratongam-boninahitra telo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

5–11 jolay

Sary
artwork depicting the celestial kingdom

Sary nataon’i Annie Henrie Nader

Ny fizarana 76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava lafiny manan-danja amin’ny drafitry ny famonjena izay very teto an-tany nandritra ny Apôstazia. Ho an’ny olona maro dia zavatra niainana tsy hay hadinoina ny nahafatantra voalohany ireo fahamarinana tafaverina amin’ny laoniny ireo. Izany no nitranga tamin’i Connie, olona niova fo avy any Richmond, Virginie, Etazonia.

Hoy izy nitantara: “Nahita ny fitiavan’ Andriamanitra foana aho rehefa mamaky ny Baiboly, saingy tsy nahita fiangonana izay nampianatra izany tamin’ny fomba nahatakarako azy aho. Rehefa nandray ny fampianaran’ireo misiônera momba ny drafitry ny famonjena aho dia nahatsapa tena ho voamarina ary nahatsapa fiadanana izay mbola tsy tsapako hatrizay. Hoy aho an’eritreritra: -Izany no ilay Ray any An-danitra fantatro.- Nanokatra tokoa ny saiko ny fahafantarana ireo ambaratongam-boninahiatra ka tsy voafehiko intsony ny fientanentanam-poko te hianatra misimisy kokoa.”

I Delphine, olona iray niova fo avy any Paris, France, dia miaina toe-javatra sarotra eo amin’ny fianakaviany, koa rehefa nampianatra azy ireo ny misiônera fa afaka ny hiaina mandrakizay ny fianakaviana ao amin’ny fanjakana selestialy dia tsy azony antoka raha naniry izany izy. Raha nanohy nampianatra azy momba ireo fanjakam-boninahitra telo anefa ireo misiônera dia nahazo hery izy. Nianatra izy fa hiaraka amin’ireo olon-tiany izay nisafidy ny hanaraka ny filazantsara izy. Rehefa nahatakatra tsara kokoa ny drafitry ny famonjena izy dia nilaza hoe: “Hitako rariny kokoa izany, ary nanome toky ahy izany.”

Sary
article on three degress of glory