2021
Mitahy ireo razambeko
Jolay 2021


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mitahy ireo razambeko

Rehefa nahazo ny tsodranon’ny patriarika ho ahy aho dia heniky ny fitiavana ho an’ireo razambeko ny foko.

Sary
Abigahel Kinic holdidng up chart with family history information

Sary nalain’i Richard M. Romney

Teraka tany Cameroun aho, ny tanin’ireo razambeko. Avy eo aho dia nifindra monina tany France, izay nipetrahako sy nianarako ary niasako ho mpitsabo mpanampy tao amina hôpitaly samihafa tao Paris. Ankehitriny aho dia mipetraka aty Montréal, izay mbola iasako amin’ny maha-mpitsabo mpanampy ahy.

An-taonany maro no nitadiavako ny tena Fiangonana marin an’i Jesoa Kristy. Rehefa nihaona tamin’ireo misiônera aho tao Paris dia nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy Masina fa hitako ihany nony farany ny zavatra notadiaviko, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tena heniky ny fifaliana aho ka toy ireny efa tany an-danitra ireny ny fieritreretako ny tenako! Vonona ny hiaina araka ny filazantsara araka izay vitako aho.

Nampianarina aho mba hikaroka ireo razambeko sy hanao ireo ôrdônansy isoloana tena azy ireo any amin’ny tempoly. Rehefa nahazo ny tsodranon’ny patriarika aho dia nolazaina fa ho lasa mpanavotra eo an-tendrombohitr’i Ziona aho ary hitondra ny famonjena ho an’ny fianakaviako. Heniky ny fitiavana azy ireo ny foko. Tsy azoko avela izy ireo. Nanomboka tamin’izay aho dia tsy nitandro hasasarana nanao ny tantaram-pianakaviana sy ny tetiarana.

Efa fantatro foana hatrizay fa teraka tao anaty fianakaviana mpanjaka tany Cameroun aho, ny fianakaviana Bamoun. Milaza ny lovan-tsofina sy ny angano fa avy any Asiria ireo olona ireo ary niharo tamin’olona hafa nandritra ny fifindran’izy ireo monina. Nihazona ny tetiarany izy ireo ary nanoratra ny tantarany hatramin’ny 1300 talohan’i JK. Ao amin’ny tranom-bokin’ny lapan’ny mpanjaka ireo antontan-taratasy ireo. Ao anatin’ireo tantara maro dia misy milaza ny tantaran’ny dadaben’ny reniko, i Fon-gouhouo, izay nanjaka nanomboka tamin’ny 1818 hatramin’ny 1863.

Nanana fahafahana niverina tany amin’ny tany niaviako aho ary amin’ny maha-taranaky ny fianakaviana Bamoun ahy dia nahazo alalana hijery ireo antontan-taratasy ireo aho. Nitsidika ny mpanjaka ihany koa aho, sy nihaona tamin’ireo mpiandraikitra hafa tao amin’ny governemanta, ary niresaka tamin’ireo manampahefana momba ny Fiangonana sy ny fanomezany lanja ny tantaram-pianakaviana. Feno fankasitrahana aho fa afaka nanao ny anjarako mba hitahiana ny tany niaviako sy ireo razambeko, noho ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny