2021
Matoky ny Tompo
Jolay 2021


Ireo vehivavy tany am-piandohan’ny famerenana amin’ny laoniny

Matoky ny Tompo

Satria fantatr’i Mary Ann Young tamin’ny alalan’ny soratra masina ny Tompo, dia nihazona ny fahatsapany “ho tony ao anatin’ny tafiotra rehetra”1ny finoana lalina nananany.

Sary
Mary Ann Angell Young in her garden

Sary nataon’i Toni Oka

Nanam-bintana i Mary Ann Angell fa lehibe tao anatina tokantrano izay nanao ho laharam-pahamehana ny famakiana soratra masina. Tena tiany manokana ny fampianaran’ny Mpamonjy.2 Tao anatin’ny fahazazany izy dia nahafantatra fa afaka mahare ny feon’ny Tompo izy amin’ny alalan’ny soratra masina ary mahita fampiononana amin’ireo fampianarany.

Nahare ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izy izay notoriana tao Rhode Island, Etazonia tamin’ny 1831, ary rehefa avy namaky ny Bokin’i Môrmôna dia niova fo ho amin’ny filazantsara i Mary Ann.

Nifindra tany Kirtland, Ohio izy nanodidina ny taona 1833, izay nihaonany tamin’i Brigham Young, ary nanambady azy tamin’ny 1834. Nandritra ny 48 taona manaraka, tao anatin’ny fifindra-monina sy fitsapana maro, dia nanohy nandre ny Tompo i Mary Ann Angell Young tamin’ny alalan’ny soratra masina sy nametraka ny fitokiany tsy azo nohozongozonina Azy.

Ohatra, nandeha nanao asa fitoriana tany Grande Bretagne ny vadiny tamin’ny 1839, 10 andro taorian’ny nahaterahan’i Alice zanak’izy ireo vavy. Nandritra ny 20 volana nanaraka izany dia nisedra olana i Mary Ann sy ny zanak’izy ireo enina. Narary izy ireo ary mofo katsaka sy ronono ary legioma vitsivitsy teo an-jaridaina no foto-tsakafon’izy ireo.3 Afaka nahita asa kely ihany i Mary Ann mba hamelomana ny fianakaviany ary hikarakarana ny tenany sy ireo zanany marary. Mbola nanampy azy ireo ny Tompo tao anatin’ireo fitsapana ireo. “Zava-dehibe izany matoky ny Tompo izany,” hoy ny zavatra nosoratany tamin’ny vadiny.4

Raha niantehitra tamin’ny fahalalany ny soratra masina i Mary Ann dia toa nahatakatra amin’ny faharesen-dahatra lalina fa niaraka taminy foana ny Tompo, sy tia azy ary nahatakatra ny zavatra niainany, indrindra tao anatin’ireo fitsapana maro nolalovany. “Ny Tompo anie hitarika antsika amin’ny zava-drehetra ary hampionona antsika ao anatin’ireo ora matroka sy be fitsapana indrindra” hoy ny vavaka nataony.5

Fanamarihana

  1. Taratasin’i Mary Ann Angell Young ho an’i Brigham Young, 30 jona 1844, Brigham Young Office Files, 1832–1878, Church History Library, Salt Lake City (CHL).

  2. Jereo ny “Biography of Mrs. Mary Ann Young,” Woman’s Exponent, 1 sept. 1887, 53–54; Emmeline B. Wells, “In Memoriam,” Woman’s Exponent, 15 jolay 1882, 28–29.

  3. Jereo ny Matthew C. Godfrey, “‘You Had Better Let Mrs Young Have Any Thing She Wants’: What a Joseph Smith Pay Order Teaches about the Plight of Missionary Wives in the Early Church,” BYU Studies, bonky lah. 58, faha 2 (2019), 63–64.

  4. Taratasin’i Mary Ann Angell Young ho an’i Brigham Young, 15 apr. 1841, Brigham Young Office Files, 1832–1878, CHL.

  5. Taratasin’i Mary Ann Angell Young ho an’i Brigham Young, 21 mar. 1840, George W. Thatcher Blair Collection, 1837–1988, CHL.