2021
Tian’ny Raintsika any An-danitra isika ho faly
Jolay 2021


Ireo fototry ny filazantsara

Tian’ny Raintsika any An-danitra isika ho faly

Rehefa mahatsiaro ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana isika dia afaka mahita fifaliana na dia sarotra aza ny fiainana.

Sary
family looking at tree

Ireo sary rehetra, afa-tsy ny farany ankavanana dia nataon’i Kirk Richards

Talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany dia niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra isika rehetra amin’ny maha-zanany ara-panahy antsika. Nanolotra drafitra Izy mba hanampiana ireo zanany hianatra sy hivoatra. Amin’ny alalan’ny drafiny dia afaka ny ho lasa tahaka Azy bebe kokoa isika ary ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay. Tanteraka io drafitra io satria tonga tety an-tany i Jesoa Kristy Zanak’ Andriamanitra mba hijaly noho ny fahotantsika, sorona izay antsoina hoe Sorompanavotana.

Ny drafitry ny Ray ny An-danitra dia antsoina hoe drafitry ny

Araka ny asehon’ireo sy ny soratra masina hafa dia tian’ny Ray any An-danitra ho tonga tahaka Azy isika, sy hiverina any Aminy, ary tena ho sambatra (jereo ny Mosesy 1:39).

Tonga teto an-tany isika mba hianatra sy hivoatra

Sary
globe

Nandefa antsika teto an-tany Andriamanitra, toerana izay ahafahantsika mahazo vatana ara-nofo (jereo ny Genesisy 1:26–27). Nila vatana isika mba hanampiana antsika hiaina ny fiainana eto an-tany.

Fantatr’ Andriamanitra fa tsy hahatsapa fifaliana foana isika amin’ny fotoana rehetra. Miaina fahadisoam-panantenana sy fanaintainana ary fahafatesana mihitsy aza isika. Saingy ao anatin’ireo fanamby amin’ny fiainana dia manampy antsika mba hianatra sy hivoatra ny Ray any An-danitra.

Nanome antsika ny fahafahana misafidy ihany koa Andriamanitra, ilay fahafahana hifidy ny tsara na ny ratsy. Navelany hisafidy amin’ny tenantsika manokana ny amin’izay eritreretintsika sy ataontsika isika. Nomeny ny soratra masina sy ireo mpaminany velona isika mba hanampiana antsika hianatra hifidy ny tsara (jereo ny Abrahama 3:25).

Miezaha ho toa an’i Jesoa Kristy

Tsy nandefa antsika tety an-tany tsy nisy ohatra harahina Andriamanitra (jereo ny Jaona 13:15). Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba haneho antsika ny lalana. Mba hianarana ny fomba hanarahana azy dia afaka mamaky ny soratra masina isika hianarana hoe iza Izy ary inona no nataony nandritra ny fiainany teto an-tany. Afaka manao izay tsara vitantsika ihany koa isika mba ho tahaka an’i Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa.

Rehefa manao fahadisoana isika dia mangataka famelana ary miantehitra amin’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy antsika hiova. Afaka ny ho faly isika rehefa miezaka isan’andro ny ho lasa tahaka Azy kokoa.

Tsy fiafarana ny fahafatesana

Sary
Mary Magdalene and Jesus

Rehefa maty isika dia mankany amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika. Mbola manohy mianatra isika any eo am-piomanantsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty.

Mandritra ny fitsanganana amin’ny maty, dia hitambatra indray ny vatantsika sy ny fanahintsika. Ho tonga lafatra ny vatantsika, ary tsy hiaritra fahafatesana sy aretina intsony isika. (Jereo ny Almà 11:44–45.) Tahaka ny nahafaty an’i Jesoa Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty indray dia ho velona indray isika rehetra.

Rehefa mitsara antsika Andriamanitra dia hojereny ny zavatra ataontsika sy ny faniriantsika. Raha toa ka niezaka nitandrina ny didy sy ireo fampanantenana nataontsika tamin’ny Ray any An-danitra isika, dia afaka ny hiaina hiaraka Aminy indray.

Ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra sy ireo fianakaviantsika any an-danitra

Ao amin’ny fanjakana selestialy dia hiaina miaraka amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isika. Afaka hiaraka hiaina mandrakizay amin’ny fianakaviantsika ihany koa isika any raha toa ka nofehezina tamin’izy ireo. Hahita fiadanana sy fahasambarana ary fitsaharana isika (jereo ny Môzià 2:41).

Misy fotoana mety ho sarotra ny fiainantsika eto an-tany, saingy rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahita fifaliana amin’ity fiainana ity ary fahasambarana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy.

Inona no lazain’ny soratra masina momba ny drafitry ny fahasambarana?

Sary
woman reading scriptures

Zava-dehibe ny fomba iainantsika ny fiainantsika. Hitsara antsika sy hanome valisoa antsika arakaraka ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika Andriamanitra. (Jereo ny Almà 41:3).

I Satana no fahavalon’ny fahasambarantsika. Maka fanahy antsika izy mba hampiasa amin’ny fomba tsy mety ny fiainantsika sy hanota. Tiany ho lasa ory tahaka azy isika. (Jereo ny 2 Nefia 2:27).

Rehefa manana finoana ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika isika dia afaka manana fiadanana na inona na inona fitsapana atrehantsika. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra isika. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.)