2021
Misy itovizana amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny lasa isika
Jolay 2021


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Misy itoviana amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny lasa isika

Sary
Joseph and Emma with baby

Joseph and Emma with Baby Alvin, by Liz Lemon Swindle, may not be copied

Amin’ny maha-mpahay tantara ahy amin’ny tetikasa Joseph Smith Papers dia tiako ny manao lahateny amina fivoriana fampaherezam-panahy sy mifandray amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny tantaran’ny Fiangonana. Rehefa nanao izany aho dia tsikaritro fa sarotra amin’ny olona sasany ny mahita zavatra iraisana amin’ireo Olomasina tamin’ny lasa. Ny fanehoana ireo olona ireo matetika, dia mifantoka amin’ny lafiny maha-mahery fo azy ireo, ka mahatonga azy ireo ho toy ny tsy mba sahirana tamin’ny fisalasalana na aretina na fahakiviana mihitsy.

Saingy ireo mpikamban’ny Fiangonana niaina tany amin’ny taona 1800 ireo dia olombelona tsy tanteraka tahaka ahy sy ianao ankehitriny ihany. Niaina fifaliana sy fanaintainana ary fijaliana izy ireo, ary matetika andro tsotra tsy misy zavatra mitranga fotsiny. Nianatra zavatra betsaka avy tamin’ny zavatra niainan’izy ireo aho momba ny fomba hioharana am-pahombiazana ireo fitsapana misy eo amin’ny fiainantsika.

Manantena aho fa ny fandalinanareo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity dia manampy anareo hianatra ny fomba niatrehan’ireo Olomasina tamin’ny lasa ireo fanambin’ny fiainana. Manantena ihany koa aho fa ilay lahatsoratra momba ny fomba niatrehan’i Mary Ann Young, vadin’i Brigham Young ireo fitsapana dia hanorina ny finoanareo sy hanampy anareo hahita fa afaka mianatra zavatra amin’ireo fanamby nolalovany sy nolalovan’ny hafa isika (jereo ny pejy 32. Na dia tao anatin’ny ady sy alahelo aza i Mary Ann dia nanome fahafahana azy hijanona “ho tony ao anatin’ny tafiotra rehetra” araka ny nosoratany tamin’ny vadiny ny finoany.

Misy zavatra maro azontsika ianarana avy amin’ireo izay efa lasana taloha, tsy avy amin’ny zavatra mahagaga niainan’izy ireo ihany fa avy amin’ny fanoloran-tena manginan’izy ireo ihany koa.

Matthew C. Godfrey

Departemantan’ny tantaran’ny Fiangonana