2021
Manompo ireo manana olana eo amin’ny fahasalamana ara-batana
Jolay 2021


Fitsipika momba ny fanompoana

Manompo ireo manana olana eo amin’ny fahasalamana ara-batana

Afaka ny ho tanan’ny Tompo isika mba hankahery sy hanampy.

Sary
man delivering groceries

Ny aretina, na ny tsy fahazakan’ny tena zavatra, na ny fahasembanana, na ny taona dia misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny mpikambana iray mitsaoka na manompo. Raha toa ka manana filana mahakasika izany ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo dia maro ireo fomba hanampiana ny mpikambana izay manana olana ara-batana mba hianoka bebe kokoa ireo fitahian’ny filazantsara.

Rehefa voatily fa voan’ny homamiadana ny reny tanora iray dia nahatsapa tena ho irery izy ary heniky tahotra. Saingy rehefa niparitaka tao amin’ny paroasiny ny vaovao momba ny aretiny dia vetivety foana izy dia heniky ny fitiavana sy fiahian’ireo rahavaviny. Rehefa nanomboka ny fitsaboana sarotra izay natao taminy izy dia nitondra azy namonjy ireo fihaonana tamin’ny mpitsabo ireo rahavavy ary nipetraka teo akaikiny nandritra ireo fotoana lava nanaovana chimiothérapie. Niaraka nivavaka taminy sy nankahery azy izy ireo ary nitondra ireo vatomamy sy mofomamy kely izay azony nohanina, ary tsy nitsahatra nitondra sakafo ho an’ny fianakaviany isan-kerinandro isan-kerinandro. Ireo rahavavy hafa dia nahafoy ny fotoanany izay tery mba hanadiovana ny tranony. Nisy rahavavy iray nahafantatra fa ireo fitsaboana sasany natao taminy dia tsy hampahita tory azy, koa nandamina fotoana amin’ny alina be izy hamangiana azy mba hijery horonan-tsary mampihomehy. Tsy nitolefika teo am-pandriany ity reny tanora ity fa afaka niala ny tahotra nandritra ny fotoana naharitra ary nahatsapa ny hery manasitrana entin’ny fihomehezana sy ny finamanana. Tamin’ny alalan’ireo fanompoana sy tsodranon’ny fisoronana ary fifadian-kanina nataon’ny paroasy ireo dia voakarakara izy tao anatin’ny fotoana tena sarotra, ary nisy rohim-pitiavana matanjaka nihanitombo teo amin’ireo rehetra izay niara-nisalahy tamin’izany.

Tsy mora foana ny manompo ireo manana olana ara-pahasalamana. Saingy afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika amin’ny fanoloran-tanana am-pitiavana ireo rahalahintsika sy rahavavintsika rehefa mitranga ny olana ara-pahasalamana. Afaka ny ho tanany isika mampionona sy manampy ny olona manodidina antsika, tafiditra amin’izany ireo izay mbola tsy hitantsika maso ny olany.

Hevitra hodinihina

1. Hajao ny fiainany manokana. Ny olona sasany dia tsy mahazo aina amin’ny resaka olana ara-pahasalamana izay mety tsy mampaninona anao mihitsy. Anontanio foana aloha raha TSY MAMPANINONA ny mizara amin’ny hafa ny toe-java-misy iainan’izy ireo vao manao izany.

2. Amporisiho ny fitsaboana araka ny tokony ho izy. Fadio ny manoro hevitra fanafody na fitsaboana tsy mari-pototra na ivelan’ny fitsaboana araka ny tokony ho izy. Zarao ireo hevitra sy traikefa izay itaoman’ny Fanahy anao, saingy amporisiho ny hafa mba hanao fikarohana manokana sy haka torohevitra amin’ny mpitsabo matihanina nahazo fiofanana.

Sary
adult woman helps her mother put on clothing

Sary avy amin’ny Getty Images

3. Manompoa azy ireo sy mivavaha ho azy ireo. Rehefa miatrika olana ara-pahasalamana mandalo ny olona na trangan-javatra efa fantatra mialoha toy ny fiterahana na fandidiana, dia afaka maneho ny firaharahianao azy ireo ny fanompoanao, sy ny sakafonao, sy ny hatsaram-panahinao, ary ny vavaka ataonao. Raha misy ny hamehana dia tena sarobidy ny fahavononanao hanampy avy hatrany.

4. Ankaherezo izy ireo. Indrindra fa rehefa miatrika olana ara-pahasalamana goavana na maharitra ny olona dia mila mihoatra ny fanampianao na ny fanompoanao izy ireo, na dia manan-danja aza ireo. Mety mila fanampiana ihany koa izy ireo hianatra manao ireo zavatra manaraka ireto:

  1. Mamantatra ny zavatra ilainy. Inona no zavatra fantany hatreto momba ny zava-misy iainany? Inona no fahatsapany manoloana izany? Inona avy ireo zavatra mampanahy sy ilainy eo no ho eo sy amin’ny hoavy? Mihainoa amim-pangoraham-po sy tsy misy fitsaratsarana mba hanampiana azy ireo hiatrika amin-kitsim-po ny tena zava-misy.

  2. Tsarovy ny tanjak’izy ireo. Anontanio ireo karazana fanoherana hafa izay efa natrehiny ary inona no nianarany avy amin’ireo zavatra niainany ireo. Fantaro ireo toetra tsara sy manan-danja ary ireo fahaiza-manao tsikaritrao fa ananan’izy ireo. Anontanio hoe hasin’ny tena manokana inona no tena manan-danja indrindra amin’izy ireo mba hiainana ao anatin’io toe-javatra vaovao io? Ahoana no ahafahan’izy ireo miaina ireo hasina ireo?

  3. Mamorona drafitra. Inona no fanapahan-kevitra ilaina raisina vetivety, ary inona ny fampahalalana fanampiny ilain’izy ireo mba handraisana ireo fanapahan-kevitra ireo? Inona no fanampiana sy loharano maika ilain’izy ireo, ary inona no ilain’izy ireo amin’ny fotoana maharitra? Inona no safidy hitany? Inona avy no mahatsara sy maharatsy ny tsirairay amin’izany?

  4. Alamino ny ekipany. Iza no afaka manampy? Ny havana akaiky dia manana andraikitra voalohany hanampy saingy ny havana lavitra, ny namana, ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy, ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana, ny sampam-panampiana ho an’ny daholobe, sy ianao ary ny namanao, ary ny Fanahy Masina dia afaka ny ho isan’ny ekipan’izy ireo. Raha mety sy eken’izy ireo dia ampandraiso anjara ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona amin’ny fanampiana azy ireo hamantatra ny fomba tena entinao sy ny mpikambana hafa ary ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana manampy.

  5. Asao ny Fanahy. Mivavaha miaraka amin’izy ireo sy ho azy ireo, sady asao ny Tompo hanamafy sy hitarika ny fanapahan-kevitr’izy ireo sy hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany.