2022
Ilay fitsipika be voninahitry ny fizakan-tena
Jolay/Aogositra 2022


FEON’NY MPIKAMBANA

Ilay fitsipika be voninahitry ny fizakan-tena

Ny zavatra ataontsika anio mba hampiharana ny fitsipiky ny fizakan-tena dia hitahy antsika sy ny fianakaviantsikaanio sy rahampitso.

Nilaza an’izao manaraka izao ny Loholona Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny fanaovana asa no fampiharana ny finoana”.1 Ny manomboka manao izany no dingana manan-danja indrindra amin’ny fizakan-tena. Na dia ao anatin’ireo olana entin’ny Covid-19 aza dia afaka manao zavatra isika! Hoy ny Filoha Russell M. Nelson, tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily 2020 hoe “tia ezaka ny Tompo.”2 Ary ny fampanantenana dia hoe “ny Tompo dia hampitombo ny ezaka kely ataontsika nefa tsy miovaova.”3

Ireo dingana kely amin’ny fizakan-tena amin’izao fotoana izao dia mety hiteraka fitsambikinana lavitra any aoriana.

Rahavavy Puati T. Odile avy any Kinshasa, RDK, dia nahita ny fiasan’izany fitsipika izany teo amin’ny fiainany. Rehefa avy nahavita fianarana momba ny fizakan-tena izy dia nilaza hoe “Nanana hevitra hanitatra ny trano fisakafoana Kongoleako aho.” Nanapa-kevitra ny hanao fianarana mahandro sakafo izy. “Nitariko bebe kokoa ny fahalalana nananako momba ny haify, ka dia nianatra bebe kokoa momba ny sakafo iraisam-pirenena aho. Afaka manolotra sakafo Aziatika, Amerikana, Eoropeana ary Afrikana aho izao,” hoy Rahavavy Odile. “Nanampy anay ny kilasy satria afaka mahazo vola bebe kokoa izahay.” Amin’izao fotoana izao dia “Mahaleo tena izahay. Tsy manan-java-mahory izahay. Mandoa ny fahafolonkarena sy ny fanatitray izahay ary manampy ny fianakavianay rehetra,” hoy izy.

Rahalahy Berhane Belay Wendem, dia nizara fa tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa nanolorana masomboly maimaim-poana, dia nanomana ny tany izy, namboly ary nikarakara ireo voly izay naniry ary namokatra sakafo ho an’ny fianakaviany. Nanomana ny filàna ara-tsakafo ilain’ny fianakaviany izy.

Rahavavy Marceline Kukalukila Kunangika, avy any Kinshasa, RDK, dia vadin’ny Patriarika ao amin’ny tsatòka Kinshasa, Simon Lendo Vandam Wamande. Rehefa nanontaniana izy hoe inona no nataon’ny fianakaviany mba ho mahatoky sy ho vonona ary ho mendrika handray ny antso masin’ny Patriarika avy amin’ny Tompo, dia hoy izy: “Nametraka ny Tompo ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanay hatrany izahay. Nekenay ny antso rehetra avy amin’ny Tompo ary notontosainay an-tsakany sy an-davany araka izay azonay natao ireny antso ireny. Nampianatra ny fianakavianay hiaina ny fitsipiky ny filazantsara izahay na inona na inona mitranga ary ho ohatra mendrika ho an’ny tsirairay sy eo amin’ny fiaraha-monina.” Hany ka rehefa tonga ny antso, dia efa nahavita nanorina ny fizakan-tenany ara-panahy ny fianakaviana. Efa niomana izy ireo.

Na dia avy amin’ny fianakaviana iray tsy dia nanana loharanon-karena aza Rahavavy Patience Ngalula, avy any Kananga, RDK, dia naniry mafy ny ho lasa mpanao gazety izy. Nahavita ny fianarany tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ary avy eo dia nanolo-tena hiasa tsy misy karama tao amin’ny toby fampielezam-peo/fahitalavitra iray. Nianatra zavatra maro izy, ary voaray niasa tao amina toby fampielezampeo iray afaka herintaona. Nanana vola hanampiana ny fianakaviany sy hamitana ny fianarany asa izy avy eo. “Manana asa tena tsara aho izao ao amina toby fampielezam-peo iray any Kinshasa izay natokana indrindra ho an’ny ankizy ny votoatiny. Mijery ny lafitsaran-javatra hatrany aho, vonona ny hanompo ary manome lanja lehibe izay mahasoa ny hafa.”

Mipetraka any Kinshasa Rahavavy Elysee Buzangu sy Jean Claude vadiny. Samy misiônera nahavita asa fanompoana izy roa. Nanapa-kevitra ny hanomboka aloha be ny fiomanany ara-bola izy ireo tao amin’ny fiainam-panambadiany. Hoy Rahavavy Buzangu: “Samy manana asa izahay, ary manana trano roa hampanofaina. Tao anatin’ny 20 taona nivadiana dia nanao fahafoizan-tena lehibe izahay mba hahafahan’ny zanakay hianatra sy ho afaka hanao asa fitoriana. Ny tsiambaratelon’ny fitahiana ara-nofo sy ara-panahy azonay dia ny fandoavana hatrany ny fahafolonkarenanay sy ny fiasana mafy.”

Araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo olomasina ireo dia manampy antsika rehetra hijery amim-pifaliana ny ho avy ny ezaka ataontsika ankehitriny, na lehibe izany na kely, rehefa mankatò ity fitsipika be voninahitry ny Fizakan-tena ity isika.

FANAMARIHANA

  1. David A. Bednar, Exercise Faith in Christ [Mampihatra finoana an’I Kristy] (horonan-tsary ao amin’ny tambazotra), ChurchofJesusChrist.org.

  2. Joy D. Jones, “Antso mendri-kaja manokana,” Liahona, Mey 2020, 16.

  3. W. Christopher Waddell, “Mbola nisy hanina ihany,” Liahona, Nôv. 2020, 44.