2022
Jolay 1993: Notokanana ny trano fiangonana ao Mbabane
Jolay/Aogositra 2022


ITY VOLANA ITY AMIN’NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Jolay 1993: Notokanana ny trano fiangonana ao Mbabane

Nandritra ny lanonana iray izay niahian’ny Filohan’ny Vondromparitra Afrika, Richard P. Lindsay, no nanokanana ny trano fiangonana voalohany an’i Eswatini tao amin’ny renivohitr’i Mbabane tamin’ny 18 jolay 1993, herintaona mahery kely monja taorian’ny lanonam-panokafana ny fanorenana an’ilay trano.

Mpikamban’ny Fiangonana sy mpitarika miisa 200 avy tao amin’ireo sampana dimin’i Eswatini no nanatrika ny lanonam-panokafana tamin’ny 20 jona 1992. Nandritra ny lanonana dia nilaza ny Loholona Earl C. Tingey, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika ihany koa, fa ilay trano fiangonana vaovao dia toerana iray izay ahafahan’ny rehetra ampianarina ny fomba hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantranony.

Nanatrika sy nandray fitenenana tamin’io lanonana io ihany koa ny tompon’andraiki-panjakana maromaro, anisan’izany i Enos Mavuso, solontena ôfisialin’ny Printsy Soblana. Hoy izy: “Ny vavaka ataonay dia ny mba hitomboan’ny Fiangonana. Heveriko fa faly ireo anjely any an-danitra.”

Herintaona taty aoriana, rehefa nanokana ilay trano vaovao ny Loholona Lindsay, dia nangataka ny fitahian’Andriamanitra izy mba “hampiasaina ho fitaovana ho an’ny fiadananao eto amin’ity tany lehibe ity ilay trano. Enga anie izany ho mariky ny fitiavanao ny zanakao rehetra. Enga anie izay rehetra mitsaoka Anao ato dia ho voakasiky ny fanahin’ny tena firahalahiana sy firahavaviana marina, ary amin’ny alalan’izany fanahy izany dia enga anie izy ireo hahafantatra bebe kokoa Anao sy i Jesoa Kristy Zanakao.”

Tamin’ny fotoan’ny fanokanana, dia nisy sampana roa tao Mbabane izay nisy mpikambana 332 ny fitambarany. Nanomboka nisy sampana hafa tany Ezulwini, sy Manzini, ary Nhlangano. Ankehitriny dia misy mpikambana maherin’ny 2 100 ao amin’ilay firenena ary mbola ampiasaina ilay trano fiangonana ao Mbabane.1

FANAMARIHANA

  1. Fampahalalana hita tao amin’ny Eswatini LDS Historical Country Profile [Mombamomba ara-tantaran’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny Firenena Eswatini], 9–10. Andrew Brown, Mpikambana sy Sampan-draharaha misahana ny Tatitry ny Antontan’isa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, email ho an’i David M. Mayfield, 8 janoary 2022.