2022
Mianara momba ny Fisoronana Melkizedeka
Jolay/Aogositra 2022


NY LALAN’NY FANEKEMPIHAVANAKO

Mianara momba ny Fisoronana Melkizedeka

“Tsy tahaka izao aho ankehitriny raha tsy noho ity filazantsara naverina amin’ny laoniny mahafinaritra ity izay ananako eo amin’ny fiainako.”

“Ary ity fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19).

“Tsy tahaka izao aho ankehitriny raha tsy noho ity filazantsara naverina amin’ny laoniny mahafinaritra ity izay ananako eo amin’ny fiainako.” Rahavavy Khosi Ndlovu avy ao amin’ny Paroasy Tsakane dia mifaly rehefa mieritreritra momba ny fomba nitahian’ny fisoronana ny fiainany. Hoy izy manohy hoe: “Amin’ny alalan’ny herin’ny Fisoronana Melkizedeka, ity filazantsara tafaverina amin’ny laoniny ity, ireo fampianarana, ary ireo fampitandremana sy fanambarana azon’ny Mpaminany dia nanefy ahy ary mbola manefy ahy ho lasa ilay olona izay tian’ny Raiko hahatongavana.”

Ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay avy, amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka, dia afaka mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ireo ôrdônansy ireo dia mamela antsika hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodrano fampaherezana ary mitsodrano ny marary. Ireo tsodrano ireo dia afaka mitondra fiadanana sy fampiononana lehibe rehefa ilaina.

Na samy miasa eo ambany fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka aza ny vehivavy sy ny lehilahy rehefa manompo ao amin’ny Fiangonana, dia lehilahy olon-dehibe mendrika no tendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka ary mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks hoe : “Ny Fisoronana dia hery sy fahefana masina hazonina amim-patokiana izay ampiasaina ho an’ny asan’ Andriamanitra ho tombontsoan’ireo zanany rehetra. . . .

“Ireo fitahian’ny fisoronana, toy ny hoe ny fahafenoan’ny filazantsara sy ireo ôrdônansy toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny fanambadiana mandrakizay, dia samy natao ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy.”1

Hoy Rahavavy Khosi hoe “amin’izao fotoana iainantsika izao, ato amin’ity tontolo feno korontana misy antsika ity, dia manana Rahalahy isika izay ny hany andraikitr’izy ireo dia ny mankahery, mampivoatra, ary manampy antsika ho lasa ny olona tian’ny Raintsika hahatongavana. Tena mitondra fifaliana sy fiadanana ho ahy izany. Faly aho mahafantatra fa amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka dia misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny fanjakana selestialy.”

FANAMARIHANA

  1. Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, Mey 2020, 69–70.