Zatovo
Tovana


“Tovana,” Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022)

“Tovana,” Ho zatovo mahery!

Sary
Tempolin’i Barranquilla Colombie

Tovana

Fomba iray hanombanana ny fandrosoanao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny misaintsaina ireto fanontaniana eto ambany ireto. Ireo no fanontaniana apetraka rehefa manao tafa sy dinika hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao, kanefa aza miandry tafa sy dinika. Ataovy ny fanombanana ny fahasalaman’ny fanahinao manokana. Ny Fanevan’ny Zatovovavy sy ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ary ny Didy Folo dia afaka ny ho fitaovana tena tsara ihany koa amin’ny fanombananao ny tenanao.

Sary
sary famantarana tempoly

Fanontaniana ho an’ny zatovo momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?

Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy?

Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra? Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara? Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ny Fiangonana eto an-toerana?

Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41). Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao? Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?

Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Moa ve ianao miezaka ny mihazona ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?

Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?

Moa ve ianao mpandoa fahafolonkarena feno?

Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?

Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?

Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo sy handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Fanevan’ny Zatovovavy

Zanakavavy tian’ny Ray aman-dreny any An-danitra izay manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay aho.

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy, dia miezaka ny ho tonga tahaka Azy aho. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ary mandray andraikitra eo anoloan’izany aho, ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.

Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra aho.

Eo am-piezahako ho mendrika ny fisandratana, dia mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho, ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro. Miaraka amin’ny finoana, hankahery ny tokantranoko sy ny fianakaviako aho, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina, ary handray ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly masina.

Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

Zanakalahy malalan’ Andriamanitra aho ary manana asa hampanaovina ahy Izy.

Hitia an’ Andriamanitra sy hitandrina ireo fanekempihavanana nataoko, ary hampiasa ny fisoronany mba hanompoana ny hafa aho amin’ny foko, ny heriko, ny saiko, ary ny tanjako manontolo, miantomboka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviako.

Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana aho mba hanompo, hampihatra finoana, sy hibebaka, ary hivoatra isan’andro dia ho mendrika ny handray ireo fitahian’ny tempoly sy ny fifaliana maharitra avy amin’ny filazantsara.

Hiomana ny ho lasa mpitory ny filazantsara mazoto, vady mahatoky, ary ray be fitia aho amin’ny alalan’ny fampiharana ny maha-tena mpianatr’i Jesoa Kristy ahy.

Hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy aho amin’ny alalan’ny fanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy ka handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany.

Sary
sary famantarana olona mamaky sarintany

Ny didy folo

Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao.

Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.

Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina azy.

Manajà ny rainao sy ny reninao.

Aza mamono olona.

Aza mijangajanga.

Aza mangalatra.

Aza mety ho vavolombelona mandainga.

Aza mitsiriritra.

Jereo ny Eksodosy 20:3–17.

Sary
Zazalahy anankiroa manao lobaka, ary ny iray mamatotra ny karavatony.