Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138


Fizarana 138

Fahitana nomena ny Filoha Joseph F. Smith tao Salt Lake City, Utah, ny 3 ôktôbra 1918. Tamin’ny lahateniny ho fanokafana ny Isanenimbolan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana faha 89 ny 4 ôktôbra 1918, dia nilaza ny Filoha Smith fa nanana fifandraisana maro tamin’ Andriamanitra izy nandritra ireo volana teo aloha. Anankiray tamin’ireny ilay noraisin’ny Filoha Smith, andro iray talohan’izany, momba ny famangian’ny Mpamonjy ireo fanahin’ny maty raha mbola tao am-pasana ny vatany. Nosoratana taorian’ny fifaranan’ny fihaonambe avy hatrany izany. Ny 31 ôktôbra 1918, dia natolotra hankatoavin’ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ny Filankevitry ny Roambinifololahy ary ny Patriarika izany ary nankatoavin’izy ireo tamin’ny alalan’ny faneken’ny daholobe.

1–10, Nisaintsaina ny asa soratr’i Petera sy ny famangian’ny Tompontsika ny tontolon’ny fanahy ny Filoha Joseph F. Smith; 11–24, Hitan’ny Filoha Smith ny nivorian’ireo olo-marina nodimandry tao amin’ny paradisa sy ny nampianaran’i Kristy azy ireo; 25–37, Hitany ny fomba nandaminana ny fitoriana ny filazantsara teo anivon’ireo fanahy; 38–52, Hitany tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Adama, i Eva ary ny maro tamin’ireo mpaminany masina izay nihevitra ny toetry ny fanahiny alohan’ny fitsanganana amin’ny maty ho toy ny fatorana; 53–60, Ny marina nodimandry amin’izao andro izao dia manohy ny asany ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

1 Ny fahatelon’ny volana ôktôbra, ny taona valo ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, dia nipetraka tao an’efitranoko aho nisaintsaina ny momba ny soratra masina;

2 Sady nieritreritra ny amin’ny sorompanavotana lehibe izay nataon’ny Zanak’ Andriamanitra ho fanavotana izao tontolo izao;

3 Ary ny fitiavana lehibe sy mahagaga nasehon’ny Ray sy ny Zanaka tamin’ny fiavian’ny Mpanavotra teo amin’izao tontolo izao;

4 Mba ho azo vonjena amin’ny alalan’ny sorompanavotany sy amin’ny fankatoavana ny fitsipiky ny filazantsara ny olombelona.

5 Raha mbola revo toy izany aho, dia niverina tany amin’ny asa soratry ny apôstôly Petera ny saiko, tany amin’ireo olomasina voalohany izay niely patrana eran’i Ponto, i Galatia, i Kapadokia ary ireo faritra hafa any Azia, izay efa nitoriana ny filazantsara taorian’ny fanomboana ny Tompo.

6 Nanokatra ny Baiboly aho ary namaky ny toko fahatelo sy fahefatry ny epistily voalohan’i Petera, ary raha namaky aho dia nampihetsi-po ahy fatratra noho ny teo aloha ireto andininy manaraka ireto:

7 “Fa i Kristy koa aza dia efa nijaly indray mandeha noho ny fahotana, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny Fanahy:

8 “Izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina;

9 “Dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny faharipon’ Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, ka dia novonjena tamin’ny rano izy valo mianaka.” (1 Petera 3:18–20).

10 “Fa noho izao antony izao no nitoriana ny filazantsara koa na dia tamin’izay maty aza: mba hotsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy, fa velona araka an’ Andriamanitra ao amin’ny fanahy.” (1 Petera 4:6.)

11 Raha nisaintsaina ny amin’ireo zavatra izay voasoratra ireo aho, dia nosokafana ny masom-pahatakarako ary nitoetra tamiko ny Fanahin’ny Tompo, ka hitako ireo vahoakan’ny maty, na ny kely na ny lehibe.

12 Ary niara-nangonina tamin’ny toerana iray ireo andiana fanahin’ny marina tsy tambo isaina, izay efa nahatoky tamin’ny tenivavolombelon’i Jesoa, fony izy ireo tao amin’ny toetry ny mety maty;

13 Izay efa nanao sorona, nitovy tamin’ny sorona lehibe nataon’ny Zanak’ Andriamanitra, ary efa niaritra fahoriana tamin’ny anaran’ny Mpanavotra azy.

14 Ireo rehetra ireo dia efa nandao ny toetry ny mety maty, niorina tao amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra, amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Lahitokany.

15 Tazako fa heniky ny fifaliana sy ny haravoana izy ireo ary niara-nifaly, satria efa antomotra ny androm-panafahana azy ireo.

16 Nangonina izy ireo hiandry ny fiavian’ny Zanak’ Andriamanitra ao amin’ny tontolon’ny fanahy, mba hanambara ny fanavotana azy ireo amin’ny famatoran’ny fahafatesana.

17 Ny vovoka matoriny dia haverina indray amin’ny endriny tanteraka, ny taolana amin’ny taolany, ary ny hozatra sy ny nofo amin’ny taolana, ny fanahy sy ny vatana dia hatambatra ka tsy hosarahina na oviana na ovina intsony, mba hahazoany mandray ny fahafenoan’ny fifaliana.

18 Raha mbola niandry sy nitafa ity vahoaka sesehena ity, nifaly tamin’ny oran’ny fanafahana azy tamin’ny gadran’ny fahafatesana, dia niseho ny Zanak’ Andriamanitra, nitory fanafahana tamin’ireo babo izay efa nahatoky;

19 Ary tao Izy no nitory taminy ny filazantsara maharitra mandrakizay, ny fotopampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fanavotana ny olombelona amin’ny fahalavoana sy amin’ny fahotan’ny tsirairay raha toa ka mibebaka izy.

20 Fa tany amin’ny olon-dratsy Izy no tsy nandeha, ary tany anivon’ireo tsy an’ Andriamanitra sy tsy nibebaka, izay nandoto ny tenan’izy ireo fony tao amin’ny nofo, no tsy nanandratana ny feony;

21 Ary ireo mpikomy izay efa nitsipaka ireo tenivavolombelona sy fampitandreman’ireo mpaminany fahiny dia tsy nahita azy mifanatrika na nijery ny tavany.

22 Tany amin’izay nisy azy ireo dia nanjaka ny haizina, fa teo anivon’ny marina kosa dia nisy fiadanana;

23 Ary ireo olomasina dia nifaly tamin’ny fanavotana azy ireo ka nampilefitra lohalika ary nanaiky ny Zanak’ Andriamanitra ho mpanavotra sy mpanafaka azy ireo amin’ny fahafatesana sy ny gadran’ny helo.

24 Namirapiratra ny tavan’izy ireo, ary ny famirapiratana avy amin’ny fanatrehana ny Tompo dia nitoetra tamin’izy ireo, ary izy ireo dia nihira fiderana ho an’ny anarany masina.

25 Talanjona aho satria azoko fa ny Mpamonjy dia nandany sahabo ho telo taona tamin’ny asa fanompoany teo anivon’ny Jiosy sy ireo ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely, niezaka ny nampianatra azy ireo ny filazantsara maharitra mandrakizay sy ny hiantso azy ireo ho amin’ny fibebahana;

26 Kanefa, na dia teo aza ny asa maheriny sy ny fahagagany ary ny filazana ny marina tamin’ny hery sy ny fahefana lehibe, dia tsy nisy afa-tsy olom-bitsy no nihaino ny feony sy nifaly teo anatrehany ary nandray teo an-tanany ny famonjena.

27 Fa ny asa fanompoany teo anivon’izay nodimandry dia voafetran’ny fotoana fohy nihelina teo anelanelan’ny fanomboana Azy sy ny fitsanganany tamin’ny maty;

28 Koa nahavelom-panontaniana ahy ny tenin’i Petera—izay nilazany fa ny Zanak’ Andriamanitra dia nitory tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny faharipon’ Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa—ka niriko ny hahalala ny fomba nahafahany nitory tamin’ireo fanahy ireo ary nahatontosa ny asa nilaina teo anivony tao anatin’ny fotoana fohy toy izany.

29 Ary raha mbola velom-panontaniana aho dia nosokafana ny masoko ary novelomina ny fahatakarako, ka nahatakarako fa tsy Izy Tompo tenany no nandeha tany anivon’ny olon-dratsy sy ny tsy mpankatò izay efa nitsipaka ny fahamarinana mba hampianatra azy ireo;

30 Fa indro, avy teo anivon’ny olo-marina Izy no nandrindra ny heriny ka nanendry iraka nitafy hery sy fahefana, ary nandidy azy ireo handeha sy hitondra ny fahazavan’ny filazantsara ho an’ireo izay tao amin’ny haizina, dia ho an’ny fanahin’ny olona rehetra; ary dia toy izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ny maty.

31 Ary ireo iraka voafidy dia nandeha mba hanambara ny androm-pankasitrahan’ny Tompo ary hitory fanafahana amin’ny babo izay voafatotra, dia amin’izay rehetra te hibebaka amin’ny fahotany sy handray ny filazantsara.

32 Dia toy izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay efa maty tao amin’ny fahotany, tsy nahalala ny fahamarinana, na tao amin’ny fandikan-dalàna sady efa nitsipaka ireo mpaminany.

33 Ireo dia nampianarina ny finoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana amin’ny fahotana, ny batisa isoloana tena ho famelana ny fahotana, ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana,

34 Ary ireo fitsipika hafa rehetra an’ny filazantsara, izay nilainy ho fantatra mba hahalany ny tenany, mba hotsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy, fa ho velona araka an’ Andriamanitra ao amin’ny fanahy.

35 Ary dia nampahafantarina teo anivon’ny maty izao, na kely na lehibe, ny tsy marina ary koa ny nahatoky, fa ny fanavotana dia efa notontosaina tamin’ny alalan’ny fanaovana sorona ny Zanak’ Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana.

36 Dia nampahafantarina tamin’izany fa ny Mpanavotra antsika dia nandany ny fotoany nandritra ny fipetrahany tany amin’ny tontolon’ny fanahy, nampianatra sy nanomana ireo fanahy mahatokin’ireo mpaminany izay efa nijoro ho vavolombelony tao amin’ny nofo;

37 Mba hahazoan’izy ireo mitondra ny hafatry ny fanavotana ho any amin’ny maty rehetra, any amin’izay tsy azon’izy tenany haleha noho fikomiany sy ny fandikan-dalàny, mba hahazoan’izy ireo mandre koa ny teniny amin’ny alalan’ny fanompoan’ireo mpanompony.

38 Anisan’ireo olona lehibe sy mahery izay nivory tamin’ity fivorian-dehiben’ny olo-marina ity i Adama Ray, ilay Fahagolan’ny Andro ary rain’ny rehetra,

39 Sy i Eva renintsika be voninahitra ary ny maro amin’ireo zanakavaviny mahatoky izay efa niaina nandritra ireo taon-tsamihafa ary nidera an’ Andriamanitra marina sy velona.

40 I Abela, ilay maritiora voalohany, dia teo, ary i Seta rahalahiny, anankiray amin’ireo mahery, izay nitovy endrika tanteraka tamin’i Adama rainy.

41 I Noa, izay nanome fampitandremana ny amin’ny safo-drano; i Sema, ilay mpisorona avo lehibe; i Abrahama, ilay rain’ny mpino; i Isaka; i Jakoba, ary i Mosesy, ilay mpanome lalàna lehibe an’i Isiraely;

42 Ary i Isaia, izay nanambara tamin’ny faminaniana fa nohosorana ny Mpanavotra mba hanasitrana ny fo torotoro, hitory fanafahana ho an’ny babo sy ny famoahana avy ao an-tranomaizina ho an’ireo izay nifatotra, dia teo koa.

43 Ankoatra izany, i Ezekiela izay nanehoana tamin’ny fahitana ny lohasaha lehibe nisy taola-maina izay hotafiana nofo ka hivoaka ho fanahy velona indray amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty;

44 I Daniela, izay nahita mialoha sy niteny mialoha ny amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany, ka tsy horavana na oviana na oviana intsony na homena vahoaka hafa;

45 I Elià, izay niaraka tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy;

46 Ary i Malakia, ilay mpaminany izay vavolombelona nanambara ny amin’ny fiavian’i Elia—izay nolazain’i Môrônia koa tamin’i Joseph Smith Mpaminany ny aminy sady nambarany fa tsy maintsy ho avy izy mialoha ny hahatongavan’ny andro lehiben’ny Tompo, andro lehibe sady mahatahotra—dia teo koa.

47 I Elia Mpaminany dia hamboly ao am-pon’ny zanaka ireo fampanantenana natao tamin’ny rainy,

48 Izay tandindon’ny asa lehibe tokony hatao any amin’ireo tempolin’ny Tompo amin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana, ho fanavotana ny maty sy ho famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany manontolo ary ho rava tanteraka amin’ny fiaviany.

49 Ireo rehetra ireo sy ny maro hafa, dia ireo mpaminany izay nitoetra teo anivon’ny Nefita ary vavolombelona nanambara ny amin’ny fiavian’ny Zanak’ Andriamanitra, dia nifangaro tamin’ny vahoaka sesehena ary niandry ny fanafahana azy ireo,

50 Satria ny maty dia nihevitra ny fisarahana maharitra eo amin’ny fanahiny sy ny vatany ho toy ny fatorana.

51 Ireo no nampianarin’ny Tompo, ary nomeny hery izy ireo mba hivoaka aorian’ny fitsanganany amin’ny maty ka hiditra ao amin’ny fanjakan’ny rainy, ary ao izy ireo no hosatrohina tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay,

52 Ary hanohy hatrizao ny asany, toy izay efa nampanantenain’ny Tompo, ary ho mpandray anjara amin’ny fitahiana rehetra izay notanana ho fiandry ho an’ireo izay tia Azy.

53 I Joseph Smith Mpaminany sy ny raiko, i Hyrum Smith, i Brigham Young, i John Taylor, i Wilford Woodruff ary ireo fanahy nofinidy hafa izay notanana ho fiandry mba hivoaka amin’ny fotoam-pahafenoana handray anjara amin’ny fandatsahana ny fototry ny asa lehiben’ny andro farany,

54 Ka anisan’izany ny fanorenana tempoly sy ny fanatontosana ireo ôrdônansy ao amin’izy ireny ho fanavotana ny maty, dia tao amin’ny tontolon’ny fanahy ihany koa.

55 Hitako fa izy ireo koa dia teo anivon’ireo olona ambony sy lehibe izay nofinidy tany am-piandohana mba ho mpanapaka ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra.

56 Na dia talohan’ny nahaterahan’izy ireo aza, dia nandray ny lesona voalohany tao amin’ny tontolon’ny fanahy niaraka tamin’ireo maro hafa izy ireo, ary nomanina mba hivoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona.

57 Hitako fa ireo loholona mahatoky amin’ity fotoampitantanana ity, rehefa miala amin’ny toetry ny mety maty, dia manohy ny asany amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny fanavotana, amin’ny alalan’ny sorona nataon’ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, eo anivon’ireo izay ao amin’ny haizina sy ao amin’ny famatoran’ny fahotana ao amin’ny tontolo lehiben’ny fanahin’ny maty.

58 Ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra,

59 Ary rehefa voaloany ny sazin’ny fandikan-dalàny ary voasasa madio izy ireo dia handray valisoa araka ny asany, fa izy ireo dia mpandova ny famonjena.

60 Dia toy izany ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty nambara ahy, ary mijoro ho vavolombelona aho sady mahalala fa marina izany fanambarana izany noho ny fitahian’ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, izany tokoa. Amena.