Fanampiana amin’ny fandalinana
Isaia


Isaia

Mpaminany iray tao amin’ny Testamenta Taloha, izay naminany tamin’ny taona 740 ka hatramin’ny 701 talohan’i Kristy. Noho i Isaia lohan’ny mpanolotsaina an’i Hezekia mpanjaka, dia nisy akony lehibe teo amin’ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana ny herim-pitaomany.

Nindrana matetika kokoa ny tenin’i Isaia noho ny tenin’ny mpaminany hafa rehetra i Jesoa. Nindrana matetika koa ny tenin’i Isaia i Petera, i Jaona ary i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao. Bebe kokoa ireo indran-teny avy ao amin’ny Isaia noho ireo avy amin’ny mpaminany hafa rehetra raketin’ny Bokin’i Môrmôna mbamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay manampy be amin’ny fahatakarana an’ny Isaia. Nampianatra ny olona avy amin’ny asasoratr’i Isaia i Nefia (2 Ne. 12–24; Isa. 2–14). Nilaza tamin’i Nefia ny Tompo fa “lehibe ny tenin’i Isaia”, ary ny zava-drehetra izay i Isaia no naminany azy dia ho tanteraka (3 Ne. 23:1–3).

Ny bokin’i Isaia

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha. Maro amin’ny faminanian’i Isaia no mivaofy ny amin’ny fiavian’ny Mpanavotra, na ny asa fanompoany teto an-tany (Isa. 9:6), na ny maha-Mpanjaka Lehibe Azy amin’ny andro farany (Isa. 63). Naminany betsaka koa ny momba ny hoavin’ny Isiraely izy.

Ny toko 1 dia sasin-teny ho an’ny boky manontolo. Ny Isaia 7:14; 9:6–7; 11:1–5; 53; ary 61:1–3 dia milaza mialoha ny momba ny asa anirahana ny Mpamonjy. Ny toko 2, 11, 12 ary 35 dia milazalaza ny toe-javatra amin’ny andro farany, rehefa haverina ho amin’ny laoniny ny filazantsara, hangonina ny Isiraely, ary hamoa tahaka ny raozy ny tany karankaina. Mirakitra faminaniana momba ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna ny toko 29 (2 Ne. 27). Ny toko 40–46 dia milaza ny fahambonian’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, miohatra amin’ny andriamanitra sampin’ireo mpanompo sampy. Ny toko 47–66 ambiny dia mivaofy ireo toe-javatra amin’ny fampodiana amin’ny laoniny farany ny Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona mbamin’ny fitoeran’ny Tompo eo anivon’ny olony.