Fanampiana amin’ny fandalinana
Ezekiela


Ezekiela

Mpaminany nanoratra ny bokin’i Ezekiela, ao amin’ny Testamenta Taloha. Mpisorona avy amin’ny ankohonan’i Zadoka izy ary anankiray tamin’ireo babo Jiosy nentin’i Nebokadnezara. Niara-nonina tamin’ireo Jiosy voasesitany tany Babylona izy ary naminany nandritra ny roa amby roapolo taona, hatramin’ny 592 ka hatramin’ny 570 taona talohan’i Kristy.

Ny bokin’i Ezekiela

Azo zaraina efatra ny bokin’i Ezekiela. Toko 1–3: milaza ny momba ny fahitany an’ Andriamanitra ary ny fiantsoana an’i Ezekiela mba hanompo; toko 4–24: milaza ny amin’ny famaizana an’i Jerosalema sy ny antony nanomezana izany; toko 25–32: manambara famaizana amin’ireo firenena; ary toko 33–48: mirakitra an’ireo fahitana momba ny Isiraelin’ny andro farany.