Fanampiana amin’ny fandalinana
Isaka


Isaka

Patriarika iray tao amin’ny Testamenta Taloha, Fahagagana ny niterahan’i Abrahama sy i Saraha azy tamin’ny fahanterany (Gen. 15:4–6; 17:15–21; 21:1–8). Ny finiavan’i Abrahama hanatitra an’i Isaka ho sorona dia tandindon’ny fanateran’ Andriamanitra ny zanany Lahitokana ho sorona (Jkb. 4:5). Isaka no mpandova ny fampanantenan’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama (Gen. 21:9–12; 1 Ne. 17:40; F&F 27:10).