Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42


Fizarana 42

Fanambarana nomena indroa miantoana tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 9 sy 23 febroary 1831. Ny ampahany voalohany izay ahitana ny andininy 1 ka hatramin’ny 72 dia noraisina teo anatrehan’ny loholona roa ambin’ny folo ary ho fanatanterahana ny fampanantenan’ny Tompo natao tany aloha, fa ny “lalàna” dia homena any Ohio (jereo ny fizarana 38:32). Ny ampahany faharoa dia ahitana ny andininy 73 ka hatramin’ny 93. Nomarihin’ny Mpaminany fa “mirakitra ny lalàn’ny Fiangonana” ity fanambarana ity.

1–10, Antsoina ireo loholona mba hitory ny filazantsara, hanao batisa an’ireo niova fo ary hanorina ny Fiangonana; 11–12, Tokony hantsoina sy hatokana izy ireo ary tokony hampianatra ny fitsipika ny filazantsara hita ao amin’ny soratra masina; 13–17, Tokony hampianatra sy haminany amin’ny herin’ny Fanahy izy ireo; 18–29, Didina ireo Olomasina tsy hamono olona, tsy hangalatra, tsy handainga, tsy hitsiriritra, tsy hanitsakitsa-bady na hiteny ratsy ny hafa; 30–39, Aroso etoana ny lalàna mifehy ny fanokanana fananana; 40–42, Melohina ny avonavona sy ny fidonanaham-poana; 43–52, Tokony hositranina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy ny finoana ny marary; 53–60, Mifehy ny Fiangonana ny soratra masina ary tokony hotoriana amin’izao tontolo izao; 61–69, Hambara ny toerana hisy an’i Jerosalema Vaovao sy ireo mistery momba ny fanjakana; 70–73, Tokony hampiasaina ho fanohanana ny mpitondra Fiangonana ireo fananana voatokana; 74–93, Aroso etoana ireo lalàna mifehy ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny famonoana olona, ny halatra ary ny fibabohana amin’ny fahotana.

1 Mihainoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako, izay miara-mivory amin’ny anarako, dia i Jesoa Kristy, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona, ny Mpamonjy izao tontolo izao; satria mino ny anarako ianareo ary mitandrina ny didiko.

2 Lazaiko aminareo indray, mihainoa sy mandrenesa ary ankatoavy ny lalàna izay homeko anareo.

3 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, koa satria efa niara-nivory ianareo, araka ny didy izay nandidiako anareo, ary mifanaiky amin’ity zavatra iray ity sy efa nangataka ny Ray tamin’ny anarako, dia handray ianareo.

4 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, omeko anareo izao didy voalohany izao dia ny handehananareo amin’ny anarako, ny tsirairay avy aminareo, afa-tsy i Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon mpanompoko.

5 Ary omeko azy ireo ny didy handehanany mandritra ny fotoana fohy, ary homen’ny herin’ny Fanahy ny fotoana hiverenany.

6 Ary handeha tsiroaroa amin’ny anarako ianareo, amin’ny herin’ny Fanahiko, hitory ny filazantsarako, hanandratra ny feonareo toy ny amin’ny fanenon’ny trompetra, hanambara ny teniko toy ny anjelin’ Andriamanitra.

7 Ary handeha ianareo sady hanao batisa amin’ny rano, manao hoe: Mibebaha ianareo, mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

8 Ary avy eo amin’ity toerana ity no hiainganareo mankamin’ny faritra andrefana; ary arakaraka ny hahitanareo ireo izay handray anareo no hanorenanareo ny fiangonako amin’ny faritra tsirairay—

9 Mandra-pahatongan’ny fotoana izay hanambarana, avy any ambony, aminareo ny fotoana izay hanomanana ny tananan’i Jerosalema Vaovao, mba hahazoana manangona anareo ho iray, mba hahatonga anareo ho oloko ary Izaho ho Andriamanitrareo.

10 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa i Edward Partridge mpanompoko dia hisahana ny anjara fanompoana izay efa nanendreko azy. Ary ny zavatra hitranga raha mandika lalàna izy, dia olona iray hafa no hotendrena eo amin’ny toerany. Izany tokoa. Amena.

11 Ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa tsy homena na iza na iza ny handeha hitory ny filazantsarako na ny hanorina ny fiangonako, raha tsy natokan’ny olona izay manana fahefana izy sady fantatry ny fiangonana fa manana fahefana ary efa natokan’ny lohan’ny fiangonana araka ny fitsipika.

12 Ary ankoatra izany, ny loholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra ao amin’ity fiangonana ity dia hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny filazantsara.

13 Ary hotandreman’izy ireo ny fanekempihavanana sy ny toromariky ny fiangonana ka harahiny, ary ireo no hampianariny araka izay hitarihan’ny Fanahy azy ireo.

14 Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny fivavaky ny finoana; ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra.

15 Ary izany rehetra izany no hotandremanareo mba hatao araka izay efa nandidiako momba ny fampianaranareo, ambara-panomezana ny fahafenoan’ny soratra masina.

16 Ary rehefa hanandratra ny fonareo amin’ny alalan’ny Mpampionona ianareo dia hiteny sy haminany araka izay heveriko ho mety;

17 Fa indro, mahalala ny zava-drehetra ny Mpampionona sady vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka.

18 Ary ankehitriny indro, miteny amin’ny fiangonana Aho. Ianao dia tsy hamono olona, ary izay mamono olona dia tsy hahazo famelana eo amin’izao fiainana izao na any amin’ny fiainana ho avy.

19 Ary lazaiko indray, ianao dia tsy hamono olona; fa izay mamono olona dia ho faty.

20 Ianao dia tsy hangalatra; ary izay mangalatra ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

21 Ianao dia tsy handainga; izay mandainga ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

22 Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa.

23 Ary izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia handà ny finoana ka tsy hanana ny Fanahy; ary raha tsy mibebaka izy dia horoahina hiala.

24 Ianao dia tsy hanitsakitsa-bady; ary izay manitsakitsa-bady ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

25 Nefa izay efa nanitsakitsa-bady ka mibebaka amin’ny fony manontolo, ary mahafoy izany ka tsy manao izany intsony, dia havelanao heloka;

26 Nefa raha manao izany indray izy dia tsy ho voavela heloka fa horoahina kosa hiala.

27 Ianao dia tsy hiteny ratsy ny namanao na hanisy ratsy azy.

28 Fantatrao fa ny lalàko momba ireo zavatra ireo dia omena ao amin’ny soratro masina; izay manota ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

29 Raha tia Ahy ianao dia hanompo Ahy ary hitandrina ny didiko rehetra.

30 Ary indro, hahatsiaro ny mahantra ianao ary hanokana, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny soratra izay tsy azo ravana, ny ampahany amin’ny fanananao ka tokony hozarainao ho azy ho fanohanana azy.

31 Ary rehefa mizara amin’ny fanananao ho an’ny mahantra ianao, dia Amiko no hanaovanao izany; ary izany dia hapetraka eo anoloan’ny evekan’ny fiangonako sy ny mpanolotsainy, ny roa amin’ireo loholona na mpisorona avo, dia ireo izay hofidiany na efa nofidiany ary notendrena ho amin’izany tanjona izany.

32 Ary ny zavatra hitranga, rehefa voapetraka eo anoloan’ny evekan’ny fiangonako izany ary rehefa noraisiny ireo tenivavolombelona momba ny fanokanana ny fananan’ny fiangonako ireo hany ka tsy azo esorina amin’ny fiangonana izany, araka ny didiko, dia ho tonga tompon’andraikitra Amiko ny olona tsirairay, ho mpitandrina ny fananany ihany, na izay efa noraisiny tamin’ny alalan’ny fanokanana fananana, araka izay sahaza ho azy sy ho an’ny ankohonany.

33 Ary ankoatra izany, raha misy aorian’izany fanokanana fananana voalohany izany fananana eo an-tanan’ny fiangonana, na ny olona mpikambana ao aminy, ka mihoatra noho izay ilainy ho fivelomany sady ambiny tokony hatokana ho an’ny eveka, dia hotehirizina izany mba hozaraina ombieny ombieny amin’ireo izay tsy manana, ka ny olona tsirairay izay sahirana dia mba ho ampy vatsy sy handray araka izay ilainy.

34 Koa ny ambiny dia hotehirizina ao an-trano fitehirizako, mba hozaraina ho an’ny mahantra sy ny sahirana araka izay hotapahin’ny filankevitra avo ao amin’ny fiangonana, ary ny eveka sy ny filankeviny;

35 Ary mba hividianana tany ho an’ny tombontsoa iombonana ao am-piangonana, sy hanorenana trano fiderana ary hanorenana an’i Jerosalema Vaovao izay hambara rahatrizay—

36 Mba ho azo angonina ho iray ny olon’ny fanekempihavanako amin’ilay andro izay hiaviako ao amin’ny tempoliko. Ary izany no ataoko dia ho famonjena ny oloko.

37 Ary izao no zavatra hitranga, fa izay manota ka tsy mibebaka dia horoahina hiala amin’ny fiangonana ary tsy hahazo intsony izay efa natokany ho an’ny mahantra sy ny sahirana ao amin’ny fiangonako, na amin’ny teny hafa, ho Ahy—

38 Fa araka izay ataonareo amin’ny kely indrindra amin’ireto no ataonareo Amiko.

39 Fa izao no zavatra hitranga, izay noteneniko tamin’ny vavan’ny mpamin’nyniko dia ho tanteraka; fa Izaho hanokana amin’ny haren’ireo izay manaiky ny filazantsarako any anivon’ny Jentilisa ho an’ny mahantra amin’ny oloko izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely.

40 Ary ankoatra izany, dia tsy hiavonavona ao am-ponao ianao, aoka ny fitafianao rehetra ho tsotra ary ny hatsarany dia ny hatsaran’ny asan’ny tananao ihany.

41 Ary aoka ny zava-drehetra hatao amin’ny fahadiovana eo anoloako.

42 Tsy hidonanaha-poana ianao; fa izay midonanaha-poana dia tsy hihinana ny mofo na hanao ny fitafian’ny mpiasa.

43 Ary na zovy na zovy no marary eo anivonareo ary tsy manam-pinoana ny ho sitrana, nefa mino, dia amin’ny fanambatambazana fatratra no hamahanana azy raokandro sy hani-maivana, ary izany dia tsy amin’ny tanan’ny fahavalo.

44 Ary loholon’ny fiangonana roa na telo no hantsoina ka hivavaka sy hametra-tanana aminy amin’ny anarako; ary raha maty izy dia ho faty ho Ahy, ary raha velona izy dia ho velona ho Ahy.

45 Ianareo dia hiara-honina amim-pitiavana, ka hitomany ny famoizana an’izay maty, ary indrindra indrindra an’ireo izay tsy manana fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra.

46 Ary izao no hitranga, fa ireo izay maty ao Amiko dia tsy hanandrana fahafatesana fa ho mamy aminy izany;

47 Ary ireo izay tsy maty ao Amiko dia lozany fa mangidy ny fahafatesany.

48 Ary ankoatra izany, dia izao no zavatra hitranga fa izay manam-pinoana Ahy mba ho sitrana, ary tsy voatendry ny ho faty, dia ho sitrana.

49 Izay manam-pinoana ny hahita dia hahita.

50 Izay manam-pinoana ny handre dia handre.

51 Ny mandringa izay manam-pinoana ny hitsambikina dia hitsambikina.

52 Ary ireo izay tsy manam-pinoana ny hanao ireo zavatra ireo, nefa mino Ahy, dia manana hery ho tonga zanako; ary raha toa ka tsy dikainy ny lalàko, dia hozakainao ny fahalemeny.

53 Ianao dia hifototra eo amin’ny toerana misy ny fitantanan-draharahanao.

54 Ianao dia tsy haka ny fitafian’ny rahalahinao; haloanao vola izay horaisinao avy any amin’ny rahalahinao.

55 Ary raha mahazo mihoatra noho izay tokony ho fivelomanao ianao, dia homenao ho an’ny trano fitehirizako izany mba ho azo atao, araka izay efa nolazaiko, ny zava-drehetra.

56 Hangataka ianao, dia homena, araka izay efa notinendriko, ny soratra masina, ary hotehirizina amin’ny toerana azo antoka izany;

57 Ary ilaina ny tokony hanginanao momba izany ka tsy hampianaranao izany ambara-pahazoanao izany feno.

58 Ary omeko didy ianao fa amin’izay no hampianaranao izany ny olon-drehetra; fa izany dia hampianarina ny firenen-drehetra, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina.

59 Ianao dia haka ny zavatra izay efa noraisinao, izay efa nomena anao ao amin’ny soratra masina ho lalàna, mba ho lalàko hitondrana ny fiangoanako.

60 Ary izay manao araka ireo zavatra ireo dia ho voavonjy, ary izay tsy manao ireo dia hohelohina raha manohy izany.

61 Raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo mistery sy ireo zavatra mitondra fiadanana—izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay.

62 Hangataka ianao dia hambara aminao amin’ny fotoana mahamety izany Amiko ny toerana hanorenana an’i Jerosalema Vaovao.

63 Ary indro, izao no zavatra hitranga fa ireo mpanompoko dia hirahina ho any atsinanana sy ho any andrefana, ho any avaratra sy ho any atsimo.

64 Ary na dia ankehitriny aza, aoka izay mandeha ho any atsinanana hampianatra ireo izay hiova fo mba handositra mankany andrefana, ary izany dia noho izay ho avy eto an-tany sy noho ny tsikombakomba miafina.

65 Indro, hotandremanareo ireo zavatra rehetra ireo, ary ho lehibe ny valisoanareo, fa ianareo no omena mba hahalala ny misterin’ny fanjakana, fa tsy omena ho an’izao tontolo izao ny hahalala izany.

66 Hotandremanareo ny lalàna izay efa noraisinareo ary ho mahatoky ianareo.

67 Ary horaisinareo rahatrizay ireo fanekempihavanan’ny fiangonana, dia izay ho ampy hampiorina anareo, na eto na any Jerosalema Vaovao.

68 Koa, izay tsy ampy fahendrena, aoka izy hangataka Amiko, ary Izaho hanome azy malalaka sady tsy handatsa.

69 Asandrato ny fonareo ary mifalia, fa ianareo no nanomezana ny fanjakana, na amin’ny teny hafa, ny fanalahidin’ny fiangonana. Izany tokoa. Amena.

70 Ny mpisorona sy ny mpampianatra dia hanana ny fitantanan-draharahany tahaka ny mpikambana.

71 Ary ny fianakavian’ny loholona na ny mpisorona avo izay voatendry ho mpanolotsaina manampy ny eveka amin’ny zava-drehetra dia tokony hovelomina avy amin’ny fananana izay natokana tamin’ny alalan’ny eveka ho an’ny tombontsoan’ny mahantra sy ho an’ireo tanjona hafa, toy izay voalaza teo aloha;

72 Na koa tokony handray tambiny sahaza izy amin’ny fanompoany rehetra, na fitantanan-draharaha izany na zavatra hafa, araka izay azo heverina ho tsara indrindra na araka izay notapahin’ireo mpanolotsaina sy ny eveka.

73 Ary ny eveka koa dia handray ny fivelomany na ny tamby sahaza azy amin’ireo fanompoany rehetra ao am-piangonana.

74 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa na zovy na zovy eo anivonareo no manary ny vadiny noho ny fijangajangana, na amin’ny teny hafa, raha mijoro ho vavolombelona eo anoloanareo amin’ny fietren’ny fo manontolo izy fa izay no mitranga, dia tsy horoahinareo hiala avy eo anivonareo izy;

75 Fa raha mahita olona nandao ny vadiny mba hanitsakitsa-bady ianareo ary ny tenany mihitsy no fototry ny fahotana, nefa mbola velona ny vadiny, dia horoahinareo izy hiala avy eo anivonareo.

76 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa tokony ho mailo sy hitandrina ianareo amin’ny fanadihadiana rehetra, mba tsy handraisanareo ny olona toy izany eo anivonareo raha manambady izy;

77 Ary raha tsy manambady izy dia hibebaka amin’ny fahotany rehetra, fa raha tsy izany dia tsy horaisinareo izy.

78 Ary ankoatra izany, ny olona tsirairay izay ao anatin’ity fiangonan’i Kristy ity dia tokony hiezaka ny hitandrina ny didy rehetra sy ny fanekempihavanan’ny fiangonana.

79 Ary izao no zavatra hitranga fa raha misy olona eo anivonareo ka mamono olona, dia hatolotra sy hoentina araka ny lalàn’ny tany izy; satria tsarovy fa tsy mahazo famelan-keloka izy; ary hoporofoina araka ny lalàn’ny tany izany.

80 Ary izay lehilahy na vehivavy ka manitsakitsa-bady, dia hotsaraina eo anoloan’ny loholona roa na mihoatra avy amin’ny fiangonana izy, ary ny teny rehetra dia ho voaorin’ny vavolombelona roa avy amin’ny fiangonana fa tsy avy amin’ny fahavalo, hiampangana azy; nefa raha misy mihoatra ny roa ny vavolombelona, dia vao mainka tsara.

81 Saingy homelohin’ny vavan’ny vavolombelona roa izy; ary hoentin’ny loholona eo anoloan’ny fiangonana ny raharaha, ka hanangana ny tanany ny fiangonana hiampanga azy, mba ho azo entina araka ny lalàn’ Andriamanitra izy.

82 Ary raha azo atao, dia ilaina ny maha-eo koa ny eveka.

83 Ary dia toy izany no hataonareo amin’ny toe-javatra rehetra ho avy eo anoloanareo.

84 Ary raha misy lehilahy na vehivavy mandroba, dia hatolotra ny lalàn’ny tany izy.

85 Ary raha mangalatra izy dia hatolotra ny lalàn’ny tany.

86 Ary raha mandainga izy dia hatolotra ny lalàn’ny tany.

87 Ary raha manao izay mety ho faharatsiana izy dia hatolotra ny lalàna, dia ny an’ Andriamanitra.

88 Ary raha manafintohina anao ny rahalahinao na ny anabavinao, dia halainao izy ary hitokana ianareo; ka raha mibaboka izy, dia hiombona ianareo.

89 Ary raha tsy mibaboka izy dia hatolotrao ny fiangonana, tsy hatolotrao ny mpikambana fa ny loholona kosa. Ary hatao ao anaty fivoriana izany fa tsy eo anoloan’izao tontolo izao.

90 Ary raha manafintohina ny maro ny rahalahinao na ny anabavinao, dia hanarina eo anoloan’ny maro izy.

91 Ary raha misy olona manafintohina ampahibemaso, dia hanarina ampahibemaso izy mba hahatonga azy ho menatra. Ary raha tsy mibaboka izy dia hatolotra ny lalàn’ Andriamanitra.

92 Raha misy olona manafintohina any amin’ny miafina, dia hanarina any amin’ny miafina izy mba hananany sehatra hibabohana any amin’ny miafina amin’ilay notafintohininy sy amin’ Andriamanitra, mba tsy hahazoan’ny fiangonana maniny azy.

93 Ary dia toy izany no hataonareo amin’ny zava-drehetra.