2017
Mahatsiaro ny Tompo isan’andro
October 2017


Zatovo

Mahatsiaro ny Tompo isan’andro

Sary
young man praying and young woman reading scriptures

Namana, raharaha ao an-trano, enti-mody, fahitalavitra. Maro be tokoa ireo zavatra izay mila ny fifantohantsika. Kanefa isan-kerinandro isika dia mampanantena ny Ray any An-danitra “fa hotsaroa[ntsika] mandrakariva [i Jesoa Kristy Zanany]” (F&F 20:79).

Nilaza ny Filoha Eyring fa isika dia afaka “manao safidy isan’andro” izay hanampy antsika hahatsiaro ny Mpamonjy. Mametraha tanjona amin’ity volana ity mba hahatsiaro bebe kokoa ny Mpamonjy isan’andro. Afaka manao tetiandro ianao ary hanolo-tena hanao zavatra iray isan’andro. Ny Filoha Eyring dia nitanisa zavatra toy ny famakiana soratra masina, ny fivavahana amim-pinoana, ary ny fanompoana ny Mpamonjy sy ny hafa. Ao ihany koa ny fihazonana diary, ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, ny fihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny fandehanana any amin’ny tempoly, ny fihirana ireo hira ao amin’ny fihirana, ary mbola maro be ny zavatra azo tanisaina! Rehefa mahatsiaro ny Mpamonjy isan’andro isika dia mampanantena ny Filoha Eyring fa “Ireo fitahiana … dia ho tonga miadana sy tsy tapaka … [ary] hanefy antsika mba ho lasa tena mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo.”