2017
Lasa mahatsiaro ho manana ny maha-izy azy amin’ny alalan’ny fizakan-tena
October 2017


Lasa mahatsiaro ho manana ny maha-izy azy amin’ny alalan’ny fizakan-tena

José Alberto Navas (araka ny nitantarana izany tamin’i Miriam Sweeney)

San José, Costa Rica

Nanambady aho, nanan-janaka telo, ary tsy niasa. Ny tsy fisian’ny asa dia nahatonga ahy ho tsy manam-panantenana. Niahiahy ny amin’ny fitandrovana ny ain’ny fianakaviako aho, ary tsy nino intsony fa mbola hahavita zavatra ny tenako.

I Carla vadiko dia namporisika ahy hanatrika ny kilasy fianarana momba ny fizakan-tena. Nahamenatra ahy ny nanaiky fa tsy nanana asa aho, kanefa namporisika ahy hanatrika ilay kilasy izy mba hahafahako mikarakara ny fianakavianay.

Nanandrana izany aho na dia tsy tena avy amin’ny fo aza. Rehefa nanatrika ilay kilasy aho dia nahafantatra fa mety ho fepetra tadiavin’ny mpampiasa ao amin’ny mpiasa iray ny fahaizako teny anglisy. Nianatra teny anglisy aho rehefa nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno, saingy ny firesahana momba ny fivavahana ihany no haiko. Nisoratra anarana tamin’ireo kilasy fampianarana teny anglisy natolotry ny Fiangonana aho mba hanatsarana ny voambolako. Rehefa nody avy tany amin’ny kilasy iray fampianarana teny anglisy aho indray andro dia natolotr’i Carla ahy ny telefaonina.

“Iza izany?” Hoy aho nanontany.

“Tsy fantatro,” hoy izy. “Miteny anglisy izy ireo.”

Solontenan’ny sampana mpiandraikitra ny mpiasa avy tamin’ny iray amin’ireo orinasa lehibe indrindra tao Costa Rica izany, izay nangataka ny hanao dinidinika amiko. Gaga aho, kanefa nandeha tsara mihitsy ilay dinidinika. Fantatro taty aoriana fa i Carla no nanao izay hisian’ilay dinidinika.

Azoko ilay asa, ary tsaroako ny fomba nanampian’ny kilasy fianarana momba ny fizakan-tena ahy. Dia neritreretiko avy eo ny fomba hahafahako mampihatra tsara kokoa ny zavatra nianarako. Nanomboka nitady asa tsara kokoa aza aho dia nahazo iray. Dia nanao izay hanombohako hanangana ny orinasako manokana izay fanorenana fotodrafitrasa aho.

Tsy azo alaina sary an-tsaina hoe mety ho taiza ho aiza no nisy ny fianakaviako sy ny tenako raha tsy nisy ilay tosika avy tamin’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena. Nianatra nanetry tena sy nangataka fanampiana tamin’ny Tompo aho. Nianarako ihany koa ny namela ireo izay te hanampy ahy mba hitondra fitahiana teo amin’ny fiainako. Manana fitahiana marobe izahay. Mahatsapa ho manana ny maha-izy ny tenako aho ankehitriny, ary afaka mitahy ny fianakaviako amin’ny vola izay azoko. Fantatro fa mitahy antsika ny Fanahy rehefa manetry tena isika.