2017
Vakio ilay lasitry ny ‘fanaon-jatovo mahazatra’
October 2017


Vakio ilay lasitry ny ‘fanaon-jatovo mahazatra’

Hadinoy izay lazain’izao tontolo izao. Toy ny ahoana no fahitan’ny Ray any An-danitra anareo? Afaka miaina araka ny fanombantombanany ny fahafahanareo ho tonga amin’ny ambony indrindra azonareo hahatongavana ianareo.

Sary
breaking the mold

Manan-kambara betsaka momba ny zatovo izao tontolo izao ankehitriny. Fantatrareo angamba ny sasany amin’ireo hevi-dravina na efa nahare olona iray ianareo nitaraina momba ny “ankizy ankehitriny.” Maro be ihany koa ireo fandalinana sy antontan’isa momba anareo, ny fahazaranareo amin’ny tambazotra ifaneraserana, ny zavatra vidinareo, eny fa na hatramin’ny hafohin’ny fotoam-pifantohanareo aza.

Kanefa ny Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia milaza ho tsy “mahazo aina” rehefa maheno ireo mpikaroka mamaritra ny fandalinana nataony momba ny tanora. “Ary raha ny marina,” hoy izy, “dia tsy dia mahaliana ahy loatra izay ambaran’ireo matihanina momba anareo raha oharina amin’izay nolazain’ny Tompo tamiko momba anareo.”1

Tsy mila fandalinana na hevi-dravina ny Tompo mba hahafantarana anareo. Tsy raisiny ho toy ny antontan’isa na olona izay vesaran’ny fomba ezahin’ “izao tontolo izao” hamaritana anareo ianareo.

“Tia anao Izy tsy hoe noho ny maha-ianao anao amin’ity andro ity fotsiny, fa eo ihany koa noho ilay olona feno voninahitra sy fahazavana izay mety hahatongavanao sy irinao hahatongavana,” hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.2Tsy hoe

mahita anareo fotsiny Andriamanitra. Tia anareo Izy.

Tsy te hitovy amin’ny olon’izao tontolo izao ve ianareo? Atombohy amin’ny fijerena ny tenanareo amin’ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra anareo izany. Te hanaporofo ny tsy maha-marina ny hevi-dravina momba anareo ve ianareo? Fotoana tokony hitsanganana sy hanaovan-javatra izao! Fony i Kristy 12 taona dia nampahatsiahy ny ray aman-dreniny Izy fa tokony “hanao ny raharahan-drai[ny]” (Lioka 2:49).

Tsy hoe tanora loatra Izy, ary ianareo koa tsy hoe tanora loatra. Koa ny fanontaniana manaraka dia hoe: Ahoana no ahafahanareo manao ny raharahan’ny Rainareo any An-danitra?

Ny “raharahany” dia izay rehetra momba ny fanatanterahana “ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39), koa afaka manao ny raharahan’ny Rainareo ianareo amin’ny alalan’ny fanaovana ny tsara indrindra vitanareo mba hahatongavanareo amin’ny ambony indrindra azonareo hahatongavana sy amin’ny alalan’ny fahatongavana ho olona iray izay manampy ny hafa ho tonga amin’ny ambony indrindra azony hahatongavana.

Izao no fotoana handraisana an-tanana ny hoavinareo manokana. Inona no azonareo atao izao ankehitriny izao mba hahazoana antoka fa ianareo dia lasa ilay olona fantatry ny Ray any An-danitra fa afaka hahatongavanareo, tsy any amin’ny mandrakizay ihany fa eto amin’ ity fiainana ity ihany koa?

Te hanambady any amin’ny tempoly ve ianareo? Manapaha hevitra dieny izao mba ho madio amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny zavatra atao. Manana drafitra ny hianatra any amin’ny oniversite ve ianareo? Volavolao dieny izao ny fahaizana mianatra tsara. Te hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ve ianareo? Ampio Torio ny filazantsarako ny fandalinanareo ny filazantsara (indrindra fa ny fizarana 3). Te hamelona fianakaviana ve ianareo? Ianaro dieny izao ny fomba fanaovana tetibola sy ny fihazonana tetibola.

Azonareo atao ihany koa ny mijery ireo zavatra izay mampifaly anareo amin’izao fotoana izao. Tia kajy ianareo? Mitendry pianô? Manoratra tantara? Tohizo izany! Jereo raha toa ka misy fomba hahafahanareo mivoatra: fianarana any an-tsekoly, fampianarana en ligne, fifaninanana, atrikasa, sy ny sisa.

Vakio ilay lasitra dia porofoy ny tsy maha-marina ireo hevi-dravina momba anareo! Raiso an-tanana ny hoavinareo manokana. Inona no ataonareo mba ho lasa ilay olona tsara indrindra azonareo hahatongavana? Ampahafantaro anay izany amin’ny alalan’ny fandefasana e-mail amin’ny liahona@ldschurch.org na amin’ny fametrahana hafatra ao amin’ny LDS Youth Facebook na ireo pejy Instagram.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 46.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Miaina ny filazantsara amim-pifaliana,” Liahona, nôv. 2014, 123.