2017
Fantaro mialoha ny handehananao: ny batisa any amin’ny tempoly
October 2017


Fantaro mialoha ny handehananao: Ny batisa any amin’ny tempoly

Tsy misy tokony hiandrasana intsony. Ny mpikambana mendrika rehetra, anisan’izany ny tanora sy ireo mpikambana vaovao, dia afaka manompo ao amin’ny tempoly ankehitriny.

Sary
standing in front of temple doors

“Aoka isika mba ho olona mpandeha any amin’ny tempoly sy ho olona tia ny tempoly,” hoy ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95). “Tokony hihazakazaka ho any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao isika … arakaraka ny toe-javatra iainanantsika manokana. Tokony handeha ho any isika, tsy ho an’ireo havantsika nodimandry ihany, fa mba hahazoana ny fitahiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny fanompoam-pivavahana hatao any amin’ny tempoly sy ny fahamasinana ary ny fiarovana izay ao anatin’izany rindrina masina sy voatokana izany,” (“A Temple-Motivated People,” Ensign, Feb. 1995, 5).

Mihatra amin’ny mpikambana rehetra ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany torohevitra izany, na mpikambana vao vita batisa aza ianao. Raha mbola mendrika ianao, dia tsy mila miandry mialoha ny ahafahanao mandeha any amin’ny tempoly. Raha vantany vao vita batisa sy noraisina ho mpikambana ianao dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ampiasaina ao anatin’ny fotoana voafetra.

Io fahazoan-dalana io dia mamela anao hiditra ny tempoly mba hanao batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloan-tena ho an’ireo razambe efa nodimandry. Rehefa manompo sy mitsaoka any amin’ny tempoly ianao dia afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara.

Mahakasika ny zavatra niainany voalohany tao amin’ny tempoly, i Natalia Lorena Figueroa avy any Argentine dia niteny hoe: “Nijery rahalahy iray natao batisa ho an’ny raibeko sy ireo dadatoako aho tao amin’ny efitrano fanaovana batisa tao amin’ny tempoly. Avy eo dia natao batisa ho an’ny renibeko sy ireo nenitoako aho. Nahatalanjona ny fifaliana tsapako. Nirotsaka ny ranomasoko, ary tsapako ho lehibe mihoatra izay efa tsapako hatrizay ilay hafanana tao an-tratrako.” Misy fitahiana mitovy amin’izany miandry ireo izay mendrika ny hahazo sy mampiasa ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ampiasaina ao anatin’ny fotoana voafetra.