2017
Mpaminany iray vaovao
October 2017


Olo-malaza teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana

Mpaminany iray vaovao

Tapaho ireto sarisary ireto hanampiana anao hizara ireo tantara kely avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana.

Sary
a new prophet

Tamin’ny 1844, i Joseph sy i Hyrum Smith dia nandeha tany amin’ny Fonjan’i Carthage mba hiandry fitsarana. Nisy olon-dratsy niditra an-keriny tao amin’ilay fonja dia namono ny Mpaminany sy ny rahalahiny! Tsy azon’ny Olomasina antoka izay tokony ho mpaminany manaraka. Taty aoriana, nandritra ny fivoriana izay nanaovan’i Brigham Young lahateny, dia nisy fahagagana iray nitranga. Olona maro no nilaza fa nitovy endrika sy niteny tamin’ny feo mitovy amin’ny an’i Joseph Smith mihitsy izy! Fantatr’izy ireo fa izy no ho mpaminany manaraka. Ankehitriny dia fantatsika fa rehefa maty ny mpaminany iray dia ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no lasa mpaminany manaraka.